NY TOKANTRANO

1. mpisotrtoaka ( 06/01/2014 12:26)
Inona no mety ho voka-dratsin'ny LEHILAHY mipetraka amin'ny trano namboarin'ny rafozana ! Indrindra hoe manana zaodahy ny vadinao !
novalian'i MITIA7 ny 07/08/2015 05:45
2. 5laody ( 07/01/2014 14:09)

mpisotrtoaka:

Inona no mety ho voka-dratsin'ny LEHILAHY mipetraka amin'ny trano namboarin'ny rafozana ! Indrindra hoe manana zaodahy ny vadinao !

Dom-bera kely 2014 aloha!

Toa ohatry ny tsara kokoa aza hono, raha fifandraisan'ny vinanto sy rafozana no jerena. Raha tsy manana fikasana hanao trano aloha tsy dia hitako loatra ny olana raha tsy ny hoe mahatsiaro teritery satria tsy tranon'ny tena ilay izy ka tsy dia afaka hoe halebehaziko ity na hatsaraiko na ho soloiko fa tsy tiako.
Fa ilay resaka zaodahy ve fanahiana hoe hisy fanitsakitsaham-bady sa hoe mety tsy afaka hipetraka ao intsony raha ilainy ny trano sa tsy mety miara misotro toaka? hazavao misimisy
ilay toe-javatra na avelao aloha hisava ny vazony. ;)
3. mpisotrtoaka ( 14/01/2014 09:57)
5laody !
Saiky vaky ny verako ! Voaray le hafatra ka zao ary le izy ! Nanamboatra trano mitokana lavitra azy mihitsy ny rafozako d ao zahay mianakavy kely no mipetraka (za sy ny vadiko ary ny zanakay roa). Raha vao misy olana kely d miditra foana ny zaobaviko sy ny zaodahiko izay tsy mipetraka ao ! Izay ilay izy ! Tery tokoa satria tsy sahy manao izao sy izao sao d mahazo raoka alika !
4. djhamhal ( 24/03/2014 12:30)
anazy ngeh zany io fatsy anao ê! izy no nanao an io fa tsy ianao donc anazy io ary masimandidy @ fananany izy refa tiany hipetraka enao dia ao refa tiany esorina dia miala;sady @ malagasy ny zanany lahy aloha ny manampahefana kokoa vao ny vadinao izay vehivavy !!diniho dieny izao ihany !
Mahereza !
5. mpisotrtoaka ( 11/04/2014 11:44)
ary raha izao ! Tsy mety mipetraka ao le bandy fa le vehivavy vadiny no misisika hiditra ao d ahoana indray izay ?
6. djhamhal ( 14/04/2014 08:01)
dia tokony hitana ny heviny hatrany le bandy ! satria izy no ho victime @ io fa le vhv avelao izy hipetraka irery ao rehefa zay no tiany kou !!misy Antony ao matoa izy misisika ny hipetraka ao !! sady ilay vhv kou zany mbola tsy vonona ny hiatrika ny olan ' ny mpivady miitsy e !! inona ny hidiran ny hafa @ tokantranonao ???
7. ora ( 12/06/2014 08:54)
izao an, vhvv aho no miteny eto, raha tena araka ilay PS-nao io ny toetranao dia GRAVE BE indrindra manoloana ny havam-badinao, ny mba toro-hevitra kely avy amiko dia izao MIEZAHA MAMPIHATRA ny fitsitsiana, inona ny tiako ahatongavana? mila mihafy ianareo miankavy kely raha mba MIKASA HANAMBOATRA TRANO HO ANAREO MANOKANA, tsinjovy ny vodi-andro merika fa ny voalatsan'ny olona isak'izay mahatsiaro ange ka maharary e! indrindra ianao lehilahy izay manaraka ny vadinao. tsy maintsy TAFITA NO ATAOVY TANJONA e, ampandefero mandritra ny taona maromaro aloha ny fividianana toaka dia ho hitanao ny vokany fa HIVAINGANA izany atsy ho atsy, mahereza ee
8. mpisotrtoaka ( 17/06/2014 09:42)
merci daholo e ! Mbola miandry ny tohiny !
9. tiris8786 ( 13/04/2015 17:53)
dia ao ianao sy ny tranonao hoy ny fitenanana fa "ny hava-tiana tsy hiaraha-monina". hitan'ny olona ny toe-karenanao, manana ianao dia takiany sy hialonany moa tsy manana ianao dia ihomehezany. ny trano koa tsy anao ka tandremo ihany fa rehefa raikitra ny ady dia mivoaka ny fitenenana hoe "tranoko anie inty e!" ka dia hoy aho hoe : mitadiava dia mialà tao dieny mbola mazava ny rehetra sady lehilahy ianao
10. MITIA7 ( 07/08/2015 05:45)
Sarotra be izany ry mpisotrotaoka a,
Izaho vehivavy a, mipetraka miaraka amin'ny rafozako izany hoe ilay vadiko indray izany no mitondra ahy hipetraka ao amin'ny ray amandreniny fa tena kivy aho , satria nahoana???
Izay teritery izay mihitsy no tsy tiako kanefa miaritra aho satria ny vadiko no mitondra izany hoe ny lehilahy, ary iaretako ihany koa mba ahafahako manangona anamboaranay ny tena anay rehefa kelikely dia ho ketraka eo daholo izay niseho naneritery sy nidikidira tamin'ny fiainanay rehefa mikopakelatra izahay efa mianaka
Fa izao e, iareto kely ao aloha, manangona dia manamboara tsikelikely, Azonareo mivady koa anie ny mba miresaka hoe manofa an'ilay trano aloha e, fa aza mipetraka fotsiny ao izany
Na koa hoe mba hitarinay hoe ry rafozana ity trano ity na anamboatra kely vaovao eto akaiky eto ihany hoe izahay
Azo resahana daholo izany
Mahereza e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1783