ASA MATOTRA @ INTERNET TSY MISY FITAKA SADY TSY MISY VOLA ALOA

1. kotobelouh ( 10/12/2013 16:12)
Miarahaba antsika rehetra!
Betsaka ny reska momba ny asa @ internet efa nandeh, ny ankamaroany dia fitaka sy lainga avokoa ka nanjary lasa ratsy laza ilay asa. Misy dia misy tokoa anefa ireo asa tena afaka hivelomana sy anampiana ny fidiram-bola ao antrano ao! Miasa @ izy ireny ao

Raha mahaliana anao sy te ho afa-pasahirnana ianao dia manasa anao aho hitsidika ny blog http://hasinarazafy.blogspot.com/ fa afaka manampy anao aho.

Mirary soa ho anao
2. mirananirina ( 11/12/2013 15:43)
Tsy nosokafo aloha ilay lien-nao, fa porofo na fijoroana vavolombelona zavatra nitranga vao tsy ela akory teto Paris no lazaiko anao.
Nisy tovovavy vao 20 taona tonga nianatra teto Paris, 2 taona izay,(marihiko fa ampitranoana olona ity sipa kely) dia nisy olona nanome asa ho azy tato @ net hoe mandray colis fotsiny dia karamaina 1000,00€/mois.Raikitra aza ny asa, isan'andro misy colis 2 na 3 tonga ao antranony. Sendra nandalo aho no nahita ireto colis mameno ny tranony, angamba efa ho nisy 50 teo ho eo.Dia nanazava izy ny fandehany. Tonga hoy aho dia mandehana any @ polisy dia ajanony izao dia izao io fa resaka masiso.Nosokafako ny 1 @ ilay colis dia kiraro marika be sy akanjo marika be (jereko sur internet ny vidiny fa 500€ eo).
Tsy nety moa izy fa hoe mialona anazy mahazo vola tsy akihetsika aho. Efa ela ihany hoy aho no nipetrahako teto, no manaraka reportage sy vaovao tsy ankijanona aho isan'andro, ka haiko fa misy resaka maloto ao.
Tonga ary ny 1 volana dia nisy lhl mainty(afrikana)tonga tao aminy hoe hanome ny karamany, namoaka chèque na 2000€ izy dia hoe noho ianao miasa tsara dia ampitomboako 500 ny volanao dia misy ambony 500 omenao chèque aho fa omeko olona.
Mazava hoazy fa mafy loha be kalakely fa efa nilaza ilay olona hipetrahany fa tsy mila manomle azy chèque 500€ izany ianao.
Nalainy aza ny volany 500€ no ilay chèque 2000€ anefa fôpla, chèque olona nangalariny, rehefa nataoko ny fijerevana dia kay olona mangalatra code na banky olona @ internet no asan'ireto mpangalatra, dia tsy tiany hoe aiza na iza no mahazo ilay entana dia alefany any @ olona vendrana tsy mieritreritra toy ireny.
3. kotobelouh ( 12/12/2013 08:08)
Misaotra anao nizara

Fa ny asa atolotro anao dia asa tsy mitaky VOLA na oviana na ovian fa na izaho aza raha sanatria misy hitaky vola tonga dia ialako avy hatrany! zaho aty Mada Tsididy plus éxactement, tsy handany andro hanao livraison sy ze asa hafa tsy ifanarahana ihany koa! Ny asa atao @ ty indray mandeha ity anefa dia mijery publicités fotsiny, kely karama le izy @ voalohany fa ny faharetanao sy ny fahaiza-miasa anao no tena hampivoatra sy hampahomby ny asanao! Ny lien nalefako indray tsy atahoranao! izany hoe raha fintiniko le asa dia izao:

asa madio
tsy mangataka vola avy @ mpiasa fa manome vola azy kosa
izay mazoto sy miasa tsara ihany no ahazo ny valin-kasasarany.

Mirary soa
4. hery ( 12/12/2013 18:28)
Ny mampanahy ahy (fa ny ahiahy tsy ihavanana) dia hoe raha mahita asa tsara ve aho dia inona no antony izaràko amin'olona raha tsy hoe:
- Izaho no mpampiasa
- Izaho no Abbé Pierre (mpanasoa olona)
- Misy tombony ho ahy raha misy olona hafa mahita an'ilay asa.

ity farany ity izao no hitako mitombona kokoa eto. Ka raha misy tombony ho anao rehefa manao an'ilay asa izahay dia aiza kosa indray no mety hoe ahitanay tombony?
5. kotobelouh ( 12/12/2013 19:16)
Tombony hoy Hery:

1- Amiko: Nanampy namana malagasy farafaharatsiny 1 @ fahitàna fanampin'asa hanamaivanana izao fahasahiranana izao aho (asa soa). Toetra tokony hialàna ny mamihina ny soa ho an'ny tena irery, zaraina ho an'izay te handray, mifampitarika hiroso @ zay e! T@ zaho niditra hanao le asa tsy nieritreritra izay tombony ho an'ilay nampiditra ahy fa ny tombony ho ahy no nojereko! mety amiko 'lay asa ka ze tombony mety ho azony tsy maninona fa raisiko ho fankasitrahana azy t@ nanoroany ahy le asa izany!

2- Ho anao: Fanampin'ny fidirambola ao an-trano, tokony hahafaka fahasahiranana na afaka hanaovanao investissemnt vao2 mihitsy aza.

Tsy dia mahay mandresy lahatra ny tenako fa ny haiko dia ny mizara ka ny olona no mamakafaka sy mandinika avy eo!
Merci e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1053