anaran`aretina @teny francais

1. josiah ( 04/12/2013 22:09)
Mba mila fanampiana raha misy mahalala @teny Francais/Anglais ny dikan`ireto aretina ireto:
Endramboalavo, kitrotro, voan`ny donika ilay misy mivonto ireny @nify, tandimerina.Misaotra mialoha anizay mahalala.
2. Nehemiah ( 05/12/2013 06:21)

josiah:

voan`ny donika ilay misy mivonto ireny @nify

Aphte buccale (raha tsy diso aho)
josiah:
tandimerina

urticaire
3. vahiny2004 ( 05/12/2013 08:34)
josiah:

Mba mila fanampiana raha misy mahalala @teny Francais/Anglais ny dikan`ireto aretina ireto:
Endramboalavo, kitrotro, voan`ny donika ilay misy mivonto ireny @nify, tandimerina.Misaotra mialoha anizay mahalala.


Ny fahalalàko azy :

Nendram-boalavo = varicelle
kitrotro = rougeole
donika = Oreillon
4. booboo ( 05/12/2013 12:05)
tandimerina = na urticaire (aigüe na chronique) na dermatite. Urticaire izy rehefa noho ny sakafo na fanafody, dia dermatite izy rehefa noho ny "facteurs extérieurs" ohatra hoe nikasika voninkazo na noho ny composants sasany @ vernis e, assouplisssants rehefa manasa lamba.
5. josiah ( 05/12/2013 22:19)
Misaotra anareo namaly dia zao koa sao de mba ainareo ndray ny dikanireto amin`ny teny francais na anglais: kotomila,tongolo maitso,tsy tadidiko fa maromaro ireo epices gasy tsy haiko ny anarany na @teny francais io na anglais.Misaotra mialoha.
6. booboo ( 06/12/2013 12:21)
kotomila ve tsy coriandre ? dia ny tongolo maitso ciboulette ?
7. Ratsimarofy ( 21/08/2016 15:37)
kotomila = silantro @ teny anglais.
8. Ratsimarofy ( 23/08/2016 01:11)
Sao dia misy mitady documents anglais fa misy isankarazany sady mahaliana: vocabulaire (voasokajy @ lohahevitra maro, mandeha par niveau), grammaire, dictionnaire, encyclopédie, sns. Misy exercices sy corrigés ny ankamaroany. Tantara isankarazany miaraka. Misy cd ny ankamaroan'ireo.
jafetaramaro@gmail.com na marojonat@gmail.com ny adiresy. 032 88 064 07 ny num.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.293