Manala zaza

1. margrity ( 27/11/2013 21:39)
Maro dia maro ny firenena eto antany no mankatoa ny fanalan-jaza any amin'ny hopitaly. Ary ireo firenena mandroso no ankamaroany amin'izany. Ahoana kosa ny eritreritsika malagasy amin'izany.
novalian'i mesi ny 28/01/2014 12:30
2. Nehemiah ( 28/11/2013 06:46)
Ny zazakely an-kibon-dreniny dia zava-manan'aina, olombelona, hatr@ conception, na dia rehefa mbola blastocyste aza izy. Ny ADN'ny dia ADN'olombelona, efa ao anatiny ny antontan-kevitra rehetra anjariany olon-dehibe, ka raha vono olona ny fanaperana ain'olon-dehibe dia vono olona ny fanaperana ain-jazakely an-kibon-dreniny. Miavaka tanteraka @ reniny izy satria mamokatra enzyme izay mampitony ny système immunitaire-n'ny reniny ny zazakely mba tsy ho rejeté. Izay ny @ lafiny ara-tsiansa.
Eo ankilany, milaza mazava ny tenin'Andriamanitra fa olombelona ny zaza an-kibon-dreniny (iz. Jaona Mpanao Batisa nibitaka tanatin'ny kibon-dreniny (Lk. 1:41 sy ny fifanosehan'i Esao sy Jakoba tanatin'ny kibon-dreniny (Gen. 25:21-22). Ao koa ny Sal. 139:13-16 ("Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao") sy ny Jer. 1:5 ("Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatr")). Izay indray ny @ lafiny ara-pitondran-tena, ary raha mbola Madagasikara Madagasikara dia firenena kristiana.

Ireny firenena lazainao fa mandroso dia nanipaka ny maha-kristiana azy, fa ny finoan'ny fandalàna ny mah'olombelona mandà an'Andriamanitra no manjaka ankehitriny. Izay no mahatonga ny fiaraha-moniny sy ny fitondran-tenany hitotongana tsikelikely. Namelabelatra misimisy kokoa aho aty.

Mora kely ny mahatsikaritra fa efa manomboka mitranga izay toe-javatra izay ankehitriny aty Madagasikara. Ka aoka isika mpikambana @ serasera tsy hisalasala ny haneho ny heviny, fa mba tiako ho hita raha efa lasa alavitra be ny fanipahana ny finoana kristiana ety Madagasikara.
3. booboo ( 28/11/2013 14:13)
Nisy cousine-ko akaiky nanao IVG izy t@ faha 17 na 18 ans angamba, dia gli ora vitsivitsy tafaran'ilay raha. Teny @ "sisiny" no nanaovana ilay acte, tsy haiko raha nihinankinam-poana na inona no nataony fa tsy doko sy tsy tany @ toerana tsy ara-pahasalamana no nanaovany ilay izy.
NIsy zanaky ny voisine-nay taloha; 20 ans, no violer-na jiolahimboto maromaro teo @ tanàna izy, tournante, dia bevohoka. Nanao IVG ihany koa tany @ gynéco. Tena potika tanteraka izy tafaran'ilay viol, vatana sy ny saina
Tao @ Maternité iray efi-trano tamiko. Masony bongo be avy nitomany fa hanao IMG izy. Mafy be tamiko mihitsy nihaino azy nitomany sy mitantara ny hamafin'ny safidiny t@ izay...

Enfin bref. Angamba zà isan'ireo malagasy " efa lasa alavitra be ny @ fanipahana finoana krisitiana " fa zà isan'ireo maniry ny hahafahan'ny vehivavy iray manao IVG ankalalahana " dans de bonnes conditions " misy doko, fitaovana hari-fomba sns. Mampalahelo ange izany anatin'ny fahatanorana no gli, tsy afaka miaina ireo fahafinaretana marobe misy @ Fiainana intsony satria nanao² foana nihinana voana tsiperifery !! fa io "hono" manala zaza ouz ireo mahay vava, nitelina pilina fanafody tsy hay na lany daty sy fosika na tsia !! fa io no nomen'ilay mpianatra dokotera sy na mpanera ery akaikin'Ankatso fa manala zaza ...

Tsy pro-IVG zà, nefa kosa tsy ho isan'ireo hanombo @ fantsika rezatra ireo izay nisafidy sy misafidy manao IVG. Ndraindray ekeko hoe fahamaivanan-doha ny an'ny sasany no namelarana fe (misy ny préso, misy ny raha contraceptives, ny MST sy IST tsy mifidy olona izany nefa dia mbola natao ihany ilay RS ), fa izany akory tsy antony mbola tokony hanatsatohana lefona misy vinaigra ilay olona efa maratra ihany... Rehefa mbola afaka manampy ara-kevitra, mampitraka, mamihina ny reraka dia aleo atao dieny mbola velona, izay ny ahy.
4. ZAKAIOSY ( 28/11/2013 16:31)
Marina daholo izay voalazanareo. NY ahy mikasika ireo vehivavy voaolana ka bevohoka no hasiako teny : Amiko dia tokony hesorina ny zaza ao an-kibony na inona fanazavana entina na inona, ary raisiko ho mankasitraka ny fanolanana mihitsy izay dokotera sy hopitaly ary fiangonana tsy manaiky ny hanalana izany, ary tokony hamoraina ary hafainganina ny fanatanterahana izany, izany hoe raha misy vola kely ilaina ka tsy manana ilay olona dia tokony hanamora ny fanalana ilay zaza ny hopitaly, mila voaporofo kosa aloha fa tena voaolana ilay olona. Ny tsy voaolana indray fa "sitrapo" dia resaka fiarahamonina sy fiainam-pianakaviana io, ka tokony hisy fanadihadiana lalina sy fanohanana ara-tsaina atao @ tovovavy mikasa hanala zaza, tsy hamoraina ny fandraisana fanapahan-kevitra, fa tena ilana manam-pahaizana toy ny psy sy ny mitovitovy @zany, tsy ampitoviana @ manala parasy lafrika @ tongotra ka izay te hanala dia manala, izany hoe amiko dia azoko ekena ny fanalana zaza fa mila fandinihana lalina tsy ho an'ilay vehivavy ihany fa ho an'ny fianakaviany sy ny olon-tiany (raha tsy nandositra), ary indrindra fanohanana ara-tsaina mialoha, mandritra ary aorian'ilay fanalana zaza, izay atao @ilay vehivavy sy ny fianakaviany ary ny olona mifanerasera aminy akaiky (ny olon-tiany ohatra). TSY AZOKO EKENA NY FIVAROTANA PILLULE DU LENDEMAIN ENY @ PHARMACIE. Amporisihina ary ampianarina ny olona fa ny asan'ny Préservatif VOALOHANY dia manakana ny vohoka tsy hisy fa tsy ady @ MST akory ka tokony hanana an'io daholo ireo tsy mahafehy ny filan'ny nofony.
5. mirananirina ( 28/11/2013 18:13)
Betsaka tokoa no manao izany any amitsika na any @ dokotera na any @ hopitaly, saingy mahamenatra dia afenina mafy tokoa!! Haitsika Malagasy mht manko ity manala-baraka olona ity, na zavatra tsy misy aza lazaina fa misy, honohono eeee!!
6. Nehemiah ( 29/11/2013 06:10)
Eny ary, mi-impliquer ny sasany fa fohy saina aho manameloka ny famononana zaza an-kibon-dreniny. Fa na niharan'ny tournante mahatsiravina aza ilay vehivavy, mba nangataka ny hevitry ny zaza ao am-bohoka ve ianareo ? Dia tsy maintsy ny zaza ve no atao sorona, trohana @ tuyau na tetitetehina ny lohany na amosaviana @ alalan'ny sira tsindromina @ liquide amniotique, nohon'ny haratsiam-panahin'ny jiolahim-boto sasany na ny hadalan'ilay reny ? Hadalàna hoy aho, satria, araky ny tenin'i Zakaiosy, efa misy ny fimailo isorohana ny fitondràna vohoka tsy nirina, ary indrindrindrindra, raha mba manaraka ny fampianarana kristianin'ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana ny olona dia tsy ho tratran'izay mihitsy.

59120 aho 59120... Fanomezan'Andriamanitra anie ny zaza fa tsy enta-mavesatra izao mihitsy e ! Ary raha mba nahatsikaritra ianareo dia tsy mitsaratsara ny olona nanala zaza mihitsy aho, fa ny fanalan-jaza no melohiko...

Eo ankilany moa, raha toa ka mitarika olana ara-pahasalamàna izay mety mahafaty ny reny, izay angamba voa azo ekena ilay fanalan-jaza.

Mba heveronareo anie fa mbola 42 tapitrisa isan-taona ny fanalan-jaza eran'izao tontolo izao. Tsy voaisa @'izany ny zaza matin'ny pilule du lendemain, marina tokoa fa tsy azo ekena ireny satria tsy avelany hifikitra @ tranom-bohoka ny blastocyste, kanefa efa olombelona anie izay blastocyste izay. Nefa "zara fa" 60 tapitrisa ny olona matin'ny nafitsok'i Hitler.
7. booboo ( 29/11/2013 12:42)
Nehemiah > aaa, tsy izay no tao an-dohako hoe fohy fisainana ianao kah. aza tsiny.

Eka barbare ny fandehan'ny fanaovana IVG, eka koa mbola be loatra ny isan'ny IVG @ hatr@ izao na eo aza ny raha marobe hialana @ vohoka tsy iriana. Ny zava-misy, tena vitsy voire tsisy mihitsy ny raha ahafahan'ny vhv mahita fanampiana mandritra ilay fotoana mampisavoritaka ny any anatiny any ka nahatonga azy hanapa-kevitra hanajanona ilay fitondrana vohoka.
Raha afaka atao an-kahalalahana ilay izy eny @ toera-pitsaboana mba misy ilay délai de refléxion irahana @ psy na doko klou, rehefa tapa-kevitra fa hatao ny IVG dia mba atao " madio " ilay izy fa (environnement, ny olona manantateraka ilay izy, fa tsy any @ hoe madio na maloto @ hevitra ambadika no tiako tenenina an). Raha toa ka hanohy ilay vohoka, dia tokony ho tsara tohana ireo vhv satria tsy tonga fahatany² tao an-doha tao ny hoe hanala zaza fa misy antony ao.

Hono ho'aho, aiza no toerana, iza no olona, afaka hatonin'ireny vhv ireny alohan'ny hangalany fanapahan-kevitra hoe hanala zaza ? Mba manome azy pistes de refléxions maromaro. Ny mpitondra fivavahana, dia iza, aiza ihany koa ? Ilay irery sy miady irery koa manimba an.

8. Nehemiah ( 29/11/2013 13:59)
Izay resakao izay dia mampieritreritra ny resaka momba ny hoe tokony ho dépénalisé-na ve ny rongony. Raha ny hevitro manokana aloha dia tsy mba vaha olana ny dépénalisation'ny fanalan-jaza (na ny rongony), fa kosa marina indrindra fa tokony miala @'izay fisainana mi-stigmatiser olona ny gasy (ary efa fantatsika fa nilaza ny Tompo hoe "Aza mitsara mba tsy ho tsaraina" ary "Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina"), Ary izay fisainana izay no tena mariky ny hafohezan-tsaina. Marina fa tsy mety ny fanalan-jaza fa iza amintsika no manan-jo hitoraka ny vato voalohany ?

Raha ny @ olona azon'ny vehivavy atonina indray, raha tany Etazonia isika dia efa novaliako fotsiny hoe "Manatona pasitera" (na mompera), fa satria aty Madagasikara isika dia tsy maintsy ampiako hoe pasitera na mompera tena mahay ny raharahany no atonina fa tsy izay pasitera na mompera fôpla hita eny rehetra eny. Raha azon'ilay vehivavy an-tsaina fa rehefa mino an'i Jesoa Kristy ho Tompony sy Mpamonjiny izy dia tsy manameloka azy Andriamanitra fa tia azy hatrany, raha azony an-tsain fa na dia nijangajanga aza afaka mifona @ zavatra nataony hatrany, tena hahita soa be mihitsy angamba izy.
Raha toa ka tsy afaka mamelona ny zanany izy, tsy azony atao mihitsy ve ny mihevitra ny manome azy ho adopté-na ? Fantatro fa be ny vazaha maniry ny mi-adopter ankizy, fa ny toerana azo atonina no tsy haiko, tsy maintsy mijery @'ireny ONG ireny na mikaroka @ internet angamba.
9. jobiely ( 02/12/2013 12:59)
Izaho dia mandà tanteraka ny fanalan- jaza satria tsy sitrapon' A/tra ny famonoana olona na dia mbola any an- kibo aza ilay zaza. Eny fa na dia naholana aza, amiko manokana dia aleo ateraka ihany ilay zaza na dia tsy sitrapon' ilay ho reny aza. Rehefa teraka kosa dia afaka omena ny centre mpitaiza zaza kamboty raha toa ka tsy tian' ilay reny ho tezaina. Ny amin'ny fanalan- jaza an- tsitrapo dia tokony ho sazian' ny lalàna farak' izay mafy indrindra mihitsy ny mpanala zaza, tokony omena sazy mitovy amin' ireo mpamono olona ganks mihitsy satria sady niniana natao ilay fanalan- jaza no mbola feno habibiana indray koa no hanaovana azy, ary koa olona tsy mitovy hery aminy no vonoiny, tsy tongotra hitsipaka, tsy tanàna handrangotra fa dia mitomany mangina ao an- kibo ao fotsiny. Asa raha mba efa hitanareo ilay vidéo hoe " le cri silencieux". Raha izaho aza no A/tra dia tsy omeko taranaka intsony mihitsy ireo mpanala zaza ireo sady mbola apiko cancer ny tranon- janany, aleo hanenina tongotra aman- tanàna any. Miala tsiny amin'ny fiteny mahery fa tena mahatohina ny fo tokoa ny mieritreritra ireo zazakely vonoina noho ny adalan'ny olon- dehibe.
10. Ombelline ( 02/12/2013 13:25)
jobiely:

Izaho dia mandà tanteraka ny fanalan- jaza satria tsy sitrapon' A/tra ny famonoana olona na dia mbola any an- kibo aza ilay zaza. Eny fa na dia naholana aza, amiko manokana dia aleo ateraka ihany ilay zaza na dia tsy sitrapon' ilay ho reny aza. Rehefa teraka kosa dia afaka omena ny centre mpitaiza zaza kamboty raha toa ka tsy tian' ilay reny ho tezaina. Ny amin'ny fanalan- jaza an- tsitrapo dia tokony ho sazian' ny lalàna farak' izay mafy indrindra mihitsy ny mpanala zaza, tokony omena sazy mitovy amin' ireo mpamono olona ganks mihitsy satria sady niniana natao ilay fanalan- jaza no mbola feno habibiana indray koa no hanaovana azy, ary koa olona tsy mitovy hery aminy no vonoiny, tsy tongotra hitsipaka, tsy tanàna handrangotra fa dia mitomany mangina ao an- kibo ao fotsiny. Asa raha mba efa hitanareo ilay vidéo hoe " le cri silencieux". Raha izaho aza no A/tra dia tsy omeko taranaka intsony mihitsy ireo mpanala zaza ireo sady mbola apiko cancer ny tranon- janany, aleo hanenina tongotra aman- tanàna any. Miala tsiny amin'ny fiteny mahery fa tena mahatohina ny fo tokoa ny mieritreritra ireo zazakely vonoina noho ny adalan'ny olon- dehibe.



Fa voalaza hoe Jean 8:7 "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"

11. ravonjison ( 02/12/2013 16:21)
Manhoana daholo. Misy fanamarihina kely ireto:

1- ny hoe firenena mandroso no tena manala zaza: izay aloha dia tsy tokony horaisina hoe zavamisy na marina avy hatrany e. Ny any no fantatra satria misy ny mijery akaiky an´io olana io, misy ny manao statistique mikasika izany, mandeha tsara ny institution isan-karazany ( hopitaly sns..). Izay no mahatonga azy ho fantatra , fa tsy midika hoe betsaka avy hatrany...Ny any amin´ny firenena tsy mandroso indray dia matetika miafinafina daholo ny zavatra rehetra ka tsy fantatra mihitsy izay tena isany, satria matetika henjehin´ny mpiara-belona aminy izy. Fa aza manao hoe tsy misy io any firenena tsy mandroso....Ka aza asiana corelation avy hatrany ilay izy hoe: firenena mandroso = be fanalána zaza

2- Tsy voatery ampidirina ao avy hatrany koa ny resaka Andriamanitra sy fivavahana e. Ataovy fotsiny ny fampitahana hoe : inona no vokany eo a@ fiarahamonina raha avela manala zaza araka ny fepetra matotra ny vehivavy, sy ny hoe avela hitondra ny vohoka ny vehivavy na dia tsy vonona ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy @ izany aza izy.

3- Mipetraha aloha ianareo eo amin´ny toeran´ilay tovovavy iray izay naolana, 21 ans, mbola mianatra ( ataontsika hoe eo ampiomanana ny hianatra any andafy izy eo), .....fa aza tonga dia manao hoe aleo hoentiny ny vohoka dia avy eo atao adoption ilay zaza. Angaha ny vehivavy machine fotsiny ka hoe amboariny ilay zaza dia omeny olon-kafa avy eo .
12. Nehemiah ( 03/12/2013 13:20)

ravonjison:
1- ny hoe firenena mandroso no tena manala zaza: izay aloha dia tsy tokony horaisina hoe zavamisy na marina avy hatrany e. Ny any no fantatra satria misy ny mijery akaiky an´io olana io, misy ny manao statistique mikasika izany, mandeha tsara ny institution isan-karazany ( hopitaly sns..). Izay no mahatonga azy ho fantatra , fa tsy midika hoe betsaka avy hatrany...Ny any amin´ny firenena tsy mandroso indray dia matetika miafinafina daholo ny zavatra rehetra ka tsy fantatra mihitsy izay tena isany, satria matetika henjehin´ny mpiara-belona aminy izy. Fa aza manao hoe tsy misy io any firenena tsy mandroso....Ka aza asiana corelation avy hatrany ilay izy hoe: firenena mandroso = be fanalána zaza

Kôpikoleko aty ny zavatra nosoratako etsy ambadika etsy :
Araky ny sity abortionno.org, mbola 42 000 000 ny fanalan-jaza isan-taona eran'izao tontolo izao. 83%-n'ireny no atao @ firenena mandroso. 1%-n'ireny no atao nohon'ny fanolanana. 6%-n'ireny no atao nohon'ny olana ara-pahasalamàna lehibe mety hianjady @ reny sy/na ny zaza. Ny 93% sisa dia nohon'ny antony ara-piaraha-monina (tsy nirina na ratsy fitotona na sembana... ilay zaza).
N.B. : tsy hanova betsaka an'izay statistika izay ny isan'ny fanalan-jaza an-kiafina (izay exagéré rahateo ny isany).

Ilay rohy omeko iny mihitsy no manazava fa tena misy fifandraisana kokoa ny firenena mandroso = be fanalána zaza, dia ny fandalàna ny mah'olombelona mandà an'Andriamanitra : nanipaka ny fototra kristiana niorenany ny firenena vazaha.
ravonjison:
2- Tsy voatery ampidirina ao avy hatrany koa ny resaka Andriamanitra sy fivavahana e. Ataovy fotsiny ny fampitahana hoe : inona no vokany eo a@ fiarahamonina raha avela manala zaza araka ny fepetra matotra ny vehivavy, sy ny hoe avela hitondra ny vohoka ny vehivavy na dia tsy vonona ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy @ izany aza izy.

Inona koa angaha no dikan'izao ? Ianao ve mino fa namorona an'izao tontolo izao ary masi-mandidy @ fiainantsika zanak'olombelona 1 manontolo Andriamanitra e ? Raha eny no valiny dia tokony tsapanao fa any @'Andriamanitra foana isika.
ravonjison:
3- Mipetraha aloha ianareo eo amin´ny toeran´ilay tovovavy iray izay naolana, 21 ans, mbola mianatra ( ataontsika hoe eo ampiomanana ny hianatra any andafy izy eo), .....fa aza tonga dia manao hoe aleo hoentiny ny vohoka dia avy eo atao adoption ilay zaza. Angaha ny vehivavy machine fotsiny ka hoe amboariny ilay zaza dia omeny olon-kafa avy eo

Angamba tsy azonao (na odianao fanina) ny hevitra naposakay sy Jobiely : mipetraha aloha ianao @ toeran'ilay zaza ao am-bohoka.

Lôjika fotsiny anie izay :
- fanaperana ny olombelona ain'olombelona hafa tsy manan-tsiny ny vono olona
- Kanefa olombelona hatr@ conception ny zazakely ao am-bohoka
- Nohon'izay vono olona ny fanalan-jaza

Ka averiko indray mandeha : Dia tsy maintsy ny zaza ve no atao sorona [...] nohon'ny haratsiam-panahin'ny jiolahim-boto sasany na ny hadalan'ilay reny ?

Angamba tsy dia sarotra loatra ny mahatsiaro fa rehefa manao "hem-hem" tsy manao fimailo ny olona 2 dia efa tokony hivonona hizaka ny vokany...
13. booboo ( 04/12/2013 14:16)
(fa aia angaha Margrity mba hanome hevitra koa fa tsa manipy sizé dia any dia any, sa anaovanay hira dia mipoitra ? nankaiza i margrity ny lohatitra-ny. Vazivazy izany ;-) sao tezitra eo ny tompon'ny adi-hevitra)
14. vahiny2004 ( 06/12/2013 09:24)
booboo:

(fa aia angaha Margrity mba hanome hevitra koa fa tsa manipy sizé dia any dia any, sa anaovanay hira dia mipoitra ? nankaiza i margrity ny lohatitra-ny. Vazivazy izany ;-) sao tezitra eo ny tompon'ny adi-hevitra)


Tsaroako tampoka ilay hira :

Nankaiza i Margrity , ogé ogé ogé
Nankaiza i Margrity , ogé ogé ogé
Ogé r'ilay sakaiza

1- Ao anatin'ilay trano kely
2- Angalako vato iray
3- Angalako vato roa
... etc
15. booboo ( 06/12/2013 12:15)
hihihihihihi io ara fa nataon'i Vahiny2004 ilay hira
16. margrity ( 29/12/2013 07:14)
Marina tokoa aloha hoe, tsy hoe nanisa chiffre ny firenena mankatoa ny fanalan-jaza dia any aminy izany no betsaka manala zaza.
Vitsy angamba no hiteny hoe "izaho efa nanala zaza" raha atao ny fanisana fa ny isa azo avy amin'ny hopitaly ihany no azo ampitahaina. Koa mazava ho azy raha "tsy misy" na "vitsy" eto Madagasikara satria izay miteny eo dia mety hiafara any ampigadrana.
Ny antony analana zaza indray dia maro araka ny hita amin'ny dinika eto ny santionany. Ary matetika ireo firenena mankatoa ny fanalana zaza dia efa mandrara ihany fahiny fa vokatry ny fahitany ny tsy fetezan'izany no niovany.
17. mpisotrtoaka ( 28/01/2014 11:59)
Aza mamporisika ny olona hanala zaza izany r'ireto fa mampitapy io a ! Sady tsy vitan'ny mamono olona fa mamono tena ihany koa ! Tandremo fa ny nenina manaraka tahaka ny aloka ao afaran'ny sarety lalandava e !
18. mesi ( 28/01/2014 12:30)

mpisotrtoaka:

Aza mamporisika ny olona hanala zaza izany r'ireto fa mampitapy io a ! Sady tsy vitan'ny mamono olona fa mamono tena ihany koa ! Tandremo fa ny nenina manaraka tahaka ny aloka ao afaran'ny sarety lalandava e !
Amiko alo ny fanala n'jaza dia efa fahotana mahafaty indrindra , satria manohitra ny asa n'Atra izany. Zavatra hazo sorohina ny tsy ho be voka izany , efa maro ankehitriny ny fomba azo atao mba tsy habevoka izany , ka raha tena olona misaina , dia tsy tokony hisy ny atao hoe voka sty nirina , hafa sty ireo olona vohaolana . Ka ni teniko dia hoe hazo sorohana io , ka tsy tokony hisy ny fanalajaza izany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8205