Détecteur de hevi-dravina. Épisode 3 : ny famerimberenana

1. Nehemiah ( 19/11/2013 08:07)
[size=16]III - NY FAMERIMBERENANA[/size]

Famaritana : Averimberina hatrany ilay hevitra hatr@ firaiketany tapisaka anatin'ny sain'ny vahoaka

Teny filamatra : Ad infinitum ad nauseam

Ohatra vitsivitsy :
  • Fandrebirebena saim-bahoaka
  • Méthode Coué (fa saingy ny sain'ny tena ihany no rebirebena @'izany)
  • Manankarena ny Malagasy, ao ny harena an-kibon'ny tany, ao ny zavaboary... nefa hita be izao fa mahantra tsy misy toy izany isika.
  • Teny maro foana tahaka ny jentilisa (Mt. 6:7) rehefa mivavaka. Misongadina @'izany ny toko saple (izay jentilisa fiaviana rahateo)
  • Slogans (Parce que vous le valez bien, Izay milalao ihany no mahazo, Minoa fotsiny ihany, Wazaaaaaa! sns).
  • N.B. : Voa mainka malaky miraikitra @ sain'ny olona ny slogans rehefa misy mozika miaraka @.
  • Famerimberenana dokam-barotra (na hira, na prôpagandy) isaky ny antsasak'adiny @ radiô na tele, nefa ratsy kalitao be ilay izy.
  • Fiteny "manara-damaody" tahaky ny hoe "manara-penitra" na "fiverenana @ maha-Malagasy" na "fiovan'ny toetr'andro"
  • "Lehibe Dianan’ ny Efesiana!" naverimberina mandritry ny ora 2 rehefa nitory ny Evanjely tany Efesosy i Paoly Apôstôly (Asa. 19:34)
  • "Tsy azo afangaro ny zava-panahy sy ny zavatry ny tany" kanefa tsy misy an'izay ny tenin'Andriamanitra (Hafa ny hoe Redde Cæsari quæ sunt Cæsaris, ny tian'i Jesoa tenenina dia hoe aza afangaro ny pôlitika sy ny fivavahana).
  • Torak'izay koa ny "Laïcité de l'État" (marina fa tsy tokony hifampitsabaka ny Fanjakàna sy ny Fiangonana, fa kosa rehefa esorina teo ny finoana kristiana dia tsy maintsy misy finoana hafa misolo an'izay, dia ny fandalàna ny mah'olombelona mandà an'Andriamanitra)

Tsara tadidiana[list=1]
  • Loi de Souder : Tsy mametraka ny fahatomombanana ny famerimberenana
  • Loi de Wilkie :Un bon slogan peut arrêter toute analyse pendant 50 ans
  • (mbola hitohy...)
    novalian'i Nehemiah ny 04/12/2013 15:23
    2. vahiny2004 ( 22/11/2013 08:37)
    Tsy maintsy miainga @ famerimberenana ny "apprentissage" rehetra, jereo ny zazakely , averimberina ny fihetsika iray , na ny teny raha tiana ho hainy . Ny mpanao fanatanjaha-tena mila manao "entraînement" izay tsy inona fa famerimberenana

    Avy eo samy mampiasa ny famerimberenana @ izay ampiasainy azy : zavatra tsara na zavatra ratsy
    3. Nehemiah ( 22/11/2013 14:11)
    Marina izany, tsy voatery zavatra ratsy ilay izy, fa ny zavatra velabelariko eto dia ny fampiasàna azy @ fanaovana prôpagandy
    4. 5laody ( 25/11/2013 19:10)

    zava-baovao zava-baovao, inona ary izany raha fantatrao? zava-baovao, zava-baovao......
    5. Nehemiah ( 26/11/2013 06:48)
    Dokam-barotra mbola tsy fahenoko indray izay, inona ilay izy ?
    6. 5laody ( 04/12/2013 15:05)

    Nehemiah:

    Dokam-barotra mbola tsy fahenoko indray izay, inona ilay izy ?


    Tena tsy fantatro ny ny nihafarany hoe inona ilay izy fa very ny faharetako niandry azy.
    Angamba Pelia (tsy fantatro raha mbola misy io marika io izao), mandefa dokambarotra ny radio Madagasikara tamin'izany andro izany, feon'ilay ramatoa mpandefa angano rehefa alakamisy hariva dia mba liana aho tsy tena avoakany ilay izy fa ambarany amin'ny farany hoe ho renao eto rahampitso ny tohiny, dia miandry ny tena ka ilay izy ihany no miverina.

    Henoko taty aoriana nataon'i Goth hatsikana ilay izy....
    7. Nehemiah ( 04/12/2013 15:23)
    :-)
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2497