Very tadipoitra

1. hery ( 18/11/2013 10:56)
24 ora izay no niezahako nitadidy anaran'olona iray. Hitako izy omaly, fantatro ny endriny, 10 taona mahery izahay no tsy nifankahita sy tsy nifanoratra... fa tsy mety tadidiko ilay anarany.
Inona ny fika? (Ankoatry ny hoe mihodina im-pito misarona lamba menamena eo ambony fandriana)
novalian'i andrywui ny 23/12/2013 10:35
2. ANARIM ( 18/11/2013 11:06)

hery:

24 ora izay no niezahako nitadidy anaran'olona iray. Hitako izy omaly, fantatro ny endriny, 10 taona mahery izahay no tsy nifankahita sy tsy nifanoratra... fa tsy mety tadidiko ilay anarany.
Inona ny fika? (Ankoatry ny hoe mihodina im-pito misarona lamba menamena eo ambony fandriana)


asesiseseo sokatsokafana daholo ireo tiroir be dia be mitahiry ny mémoire fa tsy maintsy ao iany izy e! somary ezahana remonter-na ilay période hoe folo taona mahery io dia atomboy am ze zavatra tadidididy tam zany fa tonga eo am ora tsy ampoizin'lah ny anarany!
3. Nehemiah ( 18/11/2013 13:38)
Aza mety ho voakirikiry @'izany ianao fa voa mainka tsy hivoaka eo ilay izy. Mitonia, eritrereto fotsiny ny fotoana nifankafantaranareo, dia mety hivoaka ho azy
4. hery ( 19/11/2013 08:08)
Tena mifona fa tsy mety tadidiko. Tsy maintsy hanontaniana mivantana ihany angamba izy... na ankolaka koa.
5. 5laody ( 22/11/2013 22:55)

Ny fiasan'io atidoha io rehefa sendra zavatra toy izany dia miteny ianao hoe hiverina eo ilay izy, (ilay zavatra tsy tadidy io) dia alefa manjono any ny saina dia mivadika manao zavatra hafa ianao, tsy mieritretreritra an'iny intsony. Mipoitra tampoka eo izy avy eo.
6. 5laody ( 22/11/2013 23:01)
Izy koa mety tsy mahatadidy anao, ary mety olona samy hafa mihitsy ianareo.
-Ka ahoana ry Jaona a? tena niova mihitsy ianareo izany!
-Tsy Jaona no anarako fa Fidy, diso ianao.
-ka izay anie ho aho e! niova hatramin'ny anaranao mihitsy izany koa!
7. booboo ( 23/11/2013 07:38)
:-D
8. hery ( 23/11/2013 07:50)
loll
9. mirananirina ( 10/12/2013 09:25)
Inona marina moa ilay tena dikan'ny hoe very tadipoitra. satria ny an'ny zanako dia tsy hitako izay nanjavonan'ny tadipoitrany an!
10. andrywui ( 23/12/2013 10:35)
Fa nataonlah aiza ny tadipoitran'ny zanakelah ry mirana à? tsy tadidiny hatramn hihinambary eo ,,,
Hery à oaiaka be ra hanotany azy fa izay akamany na akamanao niaraka taminareo hiverenana tadidiana fa ry zalah reo no hamerina ao antsainao ny anarany ,,,,tsy akamanao le olona zany ,tsy fiantsonao matetika le anarany taloha ,fa juste sali ,sali , sur , sur fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.414