Détecteur de hevi-dravina. Épisode 2 : ny demi-vérité

1. Nehemiah ( 16/11/2013 08:09)
[size=16]I - NY DEMI-VÉRITÉ[/size]

Famaritana : Marina ny ampahany ary diso ny ampahany. Karazana poizina mifono tantely ilay izy. Mahomby kokoa nohon'ny lainga bevava matetika

Teny filamatra : La vérité, toute la vérité et rien que la vérité

Ohatra vitsivitsy :


  • Ny fitanisan'i Satana ny Soratra Masina mba haka fanahy an'i Kristy @ Mt. 4:1-11
  • Ny fampianaran-diso, indrindra ireo izay mifototra @ finoana kristiana
  • Ny fanodikodinan'ny mpanendrikendrika an'i Jesoa ny teniny t@ Jn. 2:19 hoe ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy t@ fitsaràna Azy, kanefa ny tempolin'ny tenany no tian'i Jesoa lazaina (Jn. 2:21)
  • Fitanisan'ny faha8n'ny finoana kristiana pasitera malaza nanao hoe : "Isaky ny te-hanao an'izay aho dia vonoko ny vadiko ary mimamo aho" kanefa nilaza izy aorianan'izay hoe "Tsy te-hanao an'izay na ôviana na ôviana (izay no atao hoe "quote-mining")
  • Fikafikan'ny mpanao montage izay mampifanandrify valinteny 1 nataon'ny vahiny 1 @ fanontaniana hafan'ilay novalian'ilay vahiny.*
  • Fomban'ny mpanao pôlitika manitatra diso tafahoatra ny vaovao ratsy 1(fiakaran'ny hetra na ny vidin'ny lasantsy) ka mampidina ny vinavinany aorianan'izay mba ho faly ny tantsaha ka hihevitra azy ho olo-manga
  • Sarimiaina milaza fa ny tanjon'ny dian'i Christophe Colomb dia ny hanaporofo fa tsy fisaka ny tany.
  • Boky fianarana tantara manovaova ny zava-niseho ka manokana pejy 7 ho an'i Ra-DJ ary andalana 1 ho an'i Rainilaiarivony.
  • "Maro ny lafin'ny kolon-tsaina gasy fahiny izay nosimbain'ny fivavahana kristiana", fa saingy ny fijangajangàna, ny filalaovana ody, ny fanandroana nandemen'ny mpitahiry sampy ny sain'ny vahoaka sy ny mpanjaka ary ny fatalisme (Ny tonon'andro tsy mahalehilahy) no nosimbainy.
  • Ny filazan'ny mpandala evôlisiona hoe miovaova ny karazam-biby ka nohon'izany afaka mivadika ho karazam-biby hafa ny karazam-biby 1 rehefa ampy ny fotoana (nefa mbola tsy nisy nahita maso na 1 aza).
  • Mandahatra fôsilin-tsoavaly maro ny mpandala evôlisiona ary milaza fa maneho ny evôlisiona ilay izy, fa saingy afeniny fa mivelona @ kôntinanta samihafa ny sasany ary misy fôsily sasany koa izay tsy ampidiriny kanefa tsy mifanaraka @ fandaharana namboariny.
  • Ny filazan'ny mpandala evôlisiona fa porofon'ny evôlisiona ny mikrôba mahatanty antibiôtika. Raha ny marina dia fahaverezana antontan-kevitra ara-pototarazo no nahatonga an'ireny mikrôba ireny hahatanty antibiôtika
  • Ny filazan'ny mpanohana ny fanalan-jaza hoe manan-jo hanao izay tiany @ tenany ny vehivavy, kanefa manana ny vatany, ny fototarazony, ny karazan-drany, ny fitempom-pony, ny taovam-pananahany ary ny ati-dohany manokana ilay zazakely.
  • Invité du Zoma:
    Onitiana : Mipetra-panontaniana ny mpanara-baovao satria miharihary fa mampiasa vola be ianao @ prôpagandinao.
  • Fery Vaovao : Ny dikan'izay dia mahay mitady vola !nefa tsy fantatra mihitsy hoe vola avy taiza.


Tsara tadidiana :
Ohabolana 14:15 : Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.

(mbola hitohy...)
novalian'i Nehemiah ny 18/11/2013 07:38
2. 5laody ( 16/11/2013 18:42)
Haha, Mahafinaritra, raha te handainga sy hisolovava aho dia eto no maka hevittra xD, rehefa demi kosa angamba dia efa misy fotony kely fa tsy dia raviny fotsiny.

Ahoana tsara ilay quote mining fa tsy dia mazava tsara amiko?
Misaotra mialoha ary miandry ny tohiny.


3. Nehemiah ( 18/11/2013 07:38)

5laody:

Haha, Mahafinaritra, raha te handainga sy hisolovava aho dia eto no maka hevittra xD

;)
5laody:
rehefa demi kosa angamba dia efa misy fotony kely fa tsy dia raviny fotsiny.

:-)
5laody:
Ahoana tsara ilay quote mining fa tsy dia mazava tsara amiko?
Misaotra mialoha ary miandry ny tohiny.

Ilay quote mining izany, raha tsorina, dia famadihana ny hevitra avoitry ny olona 1 ho zavatra hafa @ alalan'ny fanatsongatsongàna ny filazany.
Raha ny ohatra etsy ambony no alaina, toa manaram-po @ famonoana vady sy fimamoana ilay pasitera raha ny tapany voalohany no tsongaina, kanefa ny mifanohitra @'izany tanteraka no tiany tenenina ary hita @ tapany faha2n'ny filazany izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893