Mitady fika hanamainana lamba amin'ity ririnina ity :-)

1. hery ( 14/11/2013 15:48)
Manomboka ny fotoanan'ny ririnina dia efa matetika avy foana koa ny orana ka tsy azo avoaka eo an-tokotany intsony ny lamba (yes, mbola afaka mamoaka lamba eo an-tokotany izahay loll). Dia ahoana ny fika hanahazan-damba? sao dia mahita?
novalian'i 5laody ny 16/11/2013 19:15
2. 5laody ( 14/11/2013 16:03)

hery:

Manomboka ny fotoanan'ny ririnina dia efa matetika avy foana koa ny orana ka tsy azo avoaka eo an-tokotany intsony ny lamba (yes, mbola afaka mamoaka lamba eo an-tokotany izahay loll). Dia ahoana ny fika hanahazan-damba? sao dia mahita?


salut,
1)manamboatra serre kely eo an-tokotany, sady ampirimana voninkazo mandritra ny ririnina no hanahazana lamba?
2)Na any amin'ny cave mafana nefa tsy miasa.
3) mamokatra herin'aratra hampihodinana sechoir,
4) Mitady vola sy fotoana andehanana any amin'ny lavoir.
3. booboo ( 14/11/2013 16:15)
5) ahahy eo ambody cheminée (sady manafana tena misotro dité-n'ny tsy croix bleue :°) )
6) ahantona eraka ny varavarana sy izay raha mety anantonana azy na manimba maso velona aza
4) Mitady vola sy fotoana andehanana any @ lavoir
4. vahiny2004 ( 15/11/2013 09:34)

Atao eo akaikin'ny radiatera ny fanahazan-damba
5. m.i.s.a ( 15/11/2013 10:07)
ny ahy aloha dia manana efitra iray natokako ahazan-damba any ambony , any ambany aloha dia misy cheminée ary misy fizarana hafanana io cheminée io ka io efitra iray io dia sady mafana no azo sokafana ny varavarakely ka ny tontolo andro dia sokafa io varavarakely io fa tsy sokafana be fa mba hidiran'ny rivotra hamaina ny lamba indrindra @ fofona. FA hidina tsara ny varavarana

Ny hariva kosa dia hidina ny varavarakely dia ny hafanana avy @ cheminée no manohy ny fanamainana ny lamba.

Inty koa misy fika , raha tsy misy toerana na hefitra hasiana azy dia mampiasa an'ity ka @ alina tsy manelingelina na iza na iza fa rehera maraina dia ampirimina
6. m.i.s.a ( 15/11/2013 10:08)
avelatra eo am-povoan'ny salon ohatra ny alina izay tsy manelingelina na iza na iza dia ny maraina mino aho fa efa maina ny lamba dia ampirimina fotsiny avy eo
7. 5laody ( 16/11/2013 19:15)
RAha malalaka ny lakozy dia mafana be ao rehefa mahandro, izany hoe tsy manantona atin'akanjo fotsiny fa mahamenatsy, mety hisy fofon-tsakafo koa ny akanjo nohamainina ohatr'izany. (Trondro maina ny laokanareo omaly e?)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1179