ANTSO AVO FANAIRANA ho antsika tia tanindrazana. AZA misy MIFIDY FIFIDIANANA efa voapoizina io 25 octobra io

1. nygasysoafifameno ( 07/10/2013 00:11)
Madagasikara manentana ny kolontsaina
ny Haifanabeazana ho olom-pirenena sy ny Haifampandrosoana dia Manao ANTSO AVO ! « ALERTE ROUGE GENERALE Madagascar et le peuple malagasy en DANGER ! » FANAIRANA FAOBE farany izay AVO indrindra! Ho antsika ZANANY momba n'i Madagasikara. LOZA GOAVANA no efa MITATAO amin'i Madagasikara TANINDRAZANTSIKA, ny VAHOAKA malagasy sy ny TARANAKA mbola ho avy.
ANTSO AVO ho ANTSIKA malagasy rehetra. AOKA ISIKA Malagasy TSY HISY HIFIDY satria FIFIDIANANA efa VOAPOIZINA io amin'ny 25 Octobre 2013 io..
Rehefa AVO be ny ANTOKA sady MIAFINA FAMATSIANA VOLA ny Kandidà milatsaka ho fidiana sady TSY MISY FAMERANA ny vola ampiasainy. TSY fifidianana filoham-pirenena intsony fa FIFANINANA MPIJIRIKA VOYOU-BANDITS d'affaires vehivavy sy Lehilahy sivily sy miaramila Jeneraly samy JIOLAHIM-BOTON'ny VOLA MIAFINA TSY MAHALALA MENATRA. Ohatra farany izay RATSY indrindra ho an'ny TANORA sy ny ankizy, sady misandoka MALOTO SAINA vats vola MANALA BARAKA Firenena .
Indro OMENA antsika ny fanazavana mba ANGARAHARA ireto POIZINA telo karazany sy ireo MPAMOSAVY telo mazava be manao izany.
Ireto POIZINA TELO : 1°) Ny Kandidà milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena samy mamao VATSY VOLA MIAFINA tsy misy fameranany, sady nataony AVO BE ny ANTOKA.
2°) SOLOSAINA Logiciel VAHINY no itrandraka izay ho lany ! (Solosaina efa malaza fangalarana fifidianana ao Afrika ….Gabon...) 3°) Biletà fifidianana atao any Afrika.
Ireto MPAMOSAVY nanao ireo POIZINA telo Ireo : 1°) Ingahy Norbert Lala Ratsirahonana nanoratra ny Lalampifidianana sy Lalampanorenana tao ambany latabatra, Ramatoa 2°) ATALA Béatrice Filhoan'ny CENIT manapoizina amin'ny vola miafina, ny solosaina vahiny fangalarana, sy ny biletà fifidianana any ivelany ; 3°) ireo firenena TELO mitonona ny tenany ho vondrona iraisam-pirenena.
Aoka ho tsarovantsika tsàra fa Repoblika TELO samy maty ambohoka daholo, ary samy nitsaoka NANDOSITRA na i Tsiranana, na Ratsiraka-Arema ; na Ravalomanana-Tim...ary ny tetezamita sandoka an'ingahy Rajoelina sy Rtsirahonana dia 4 taona fitondrana jiolahim-boton'ny fandrobana harem-pirenena.
Rehefa nyFIFIDIANANA filohampirenena no VOAPOIZINA, dia VOAPOIZINA daholo na ny fanaovana politika na ny ANTENIMIERA. POTIKA ho azy Ny TONTOLO iainan'ny Lalàna, ny fitsaràna sy ny firenena tan-dalàna ; POTIKA ny TONTOLO iainan'ny TOEKARENA ; POTIKA ny TONTOLON'NY FANABEAZANA, POTIKA ny fitondrana rehetra, POTIKA na ny FIVAVAHANA na ny TAFIKA...
600 000 ny Ankizy tsy miditra an-tsekoly mihitsy ; 50 % mahery no mandao sekoly an-tenantenan'ny taona noho ny fahantrana ; 80% ny tanora no latsaka ao anaty fahantrana, 92% ny malagasy no efa mahantra !!! ...Ny volamena (40 000 euros ny kg), Kobalt, nickel, ilménite , vatosoa maro karazany, ny andramena, ny harena an-dranomasina...99% ny Harem-pirenena Ripaky ny Orinasa Savorovoro VAHINY sy ireo MPAMOSAVINY, ny 1% raha sendra hita sisa no miverina ho an'ny firenena.na.
AOKA àry isika RAIAMANDRENY, RAY-amanDRENY, TANORA samy HANEHO ny HAIJERY sy HAITSINJO an'iMadagasikara, ny maha MALAGASY antsika, ary ireo TARANAKA mbola ho AVY. AOKA TSY HISI HIFIDY amin'io 25 Octobra 2013 io. Efa vonona ny fanentanana ny Malagasy manana ny fahaizana sy ny fahalalana tena izy hitondra ny haifanabeazana ny maha olom-pirenena sy ny hairindran'ny fampandrosoana tena izy ary ny fitandremana ny kolontsaina maha malagasy.
www.madagascar-animation-culturelle.blogspot.com Mirary soa
Pr Johnson Jacky TAHINA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0934