Havambady

1. miorasitraka ( 11/09/2013 18:07)
manao ahona daolo ry namana!
ny iray tampo amin'ny vadiko reto saika tsy misy mifankahazo aminy daolo, ary ireo mpiray tampo tsy mifankahazo aminy koa efa tsy tia ahy rahateo, fa ny iray miteny hoe diso jejo hono aho, ary ny iray kosa efa nitady hevitra hampiadiana anay tamin'izahay mbola mpisipa.
ka ahoana no atao reto fa atsy ho atsy misy fivoriampianakaviana dia ahoana no ataoko? ny vadiko efa tsy mivaky loha rahateo fa izaho tsy mba zatra an'izany fiainana mifampiandany zany mihitsy hatramin'izay.
misaotra tompoko
2. booboo ( 13/09/2013 12:29)
Misariaka dia misariaka dia misariaka hatrany fotsiny e. Ny adidy tsy an'olon-dratsy (sa ratsy taiza ianao ? hihihiihi, vazivazy an) dia ataovy @ tsiky diplômatika ny adidy sy andraikitra dia izay, fihatsarambelatsihy hono izany fa diplomatie izany amiko manokana ^_^, sady tsy isan'andro hifanabe maso amin-dry zareo ange e.
3. Nehemiah ( 14/09/2013 06:20)
Azon'izay koa ny reniko dia izao foana no noteneniny aho : "Ny dadanao no nivadiako fa tsy ny fianakaviany"
4. mirananirina ( 19/09/2013 15:26)
Tsy haiko raha efa vita ilay fivoriana!! Marina tokoa fa ny iraitampo kiady, rhf misy fivoriana ohatra izany dia miresaha tsara sahala @ ireny tsy misy ady na fankahalana ireny. Tsy tiantsika loatra moa ny miatsara velatsihy , nefa ilaina ihany izy io @ lafiny 1.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1131