adiresy IP

1. orampanala ( 06/09/2013 07:55)
Manahoana daholo,ahoana kay azafady no hahafantarana ny adiresy IP an'ilay olona nandefa mail ho anao sa tsy mety fantatra izany?misaotra
novalian'i sahia ny 12/05/2014 07:13
2. Nehemiah ( 06/09/2013 13:18)
Raha mampiasa Mozilla Thunderbird ianao dia mety mahita extension ahafantarana ny adiresy IP
3. orampanala ( 07/09/2013 12:36)
misaotra,dia ahoan ny atao raha manana an'io? mozilla firefox aloha izao no ato hitako eto,mbola tsy tena mpikirakira loatra informatique aho fa vao sambany izao dia vao hihezaka hitady an'izany
4. Nehemiah ( 07/09/2013 13:08)
Karohy @ Google fotsiny ny "Mozilla Thunderbird" fa tsy maintsy mahita sity hanaovana téléchargement an'ilay izy ianao.

Rehefa vita ny téléchargement, alefaso ny installation. Io no client mail (tahakan'i Outlook) navoakan'ny fondation Mozilla, ka mila manao configuration kely fotsiny ianao, tsy misy inona na inona sarotra fa rehefa mandeha ilay izy dia mampiditra ny adiresy mail sy tenimiafina ianao rehefa anontaniana. Rehefa manontany ny protocole izy dia mifidiana "pop3" ary ny hoe "consulter le courrier à distance" na zavatra hoatr'izay.
Raha vitanao soa aman-tsara ilay izy dia ho afaka mikarakara ny momba ny mailanao avy @ Thunderbird ianao fa tsy mila mitsidika yahoo.fr intsony (na gmail, na hotmail, sns, arakaraky ny ampiasainao).

Amin'ny barre de menu misy ny hoe Outils, dia rehefa tsindrinao dia misy ny hoe "Modules complémentaires", iny no tsindrinao dia misy onglet vaovao momba ny modules complémentaires (na extensions) hisokatra. Ao anatin'izay onglet izay hisy rohy hoe "Parcourir tous les modules". Tsindrio ilay izy dia hisokatra amin'ny Firefox ilay sity mirakitra ny extensions rehetra ho an'ny Thunderbird.
N.B. : Raha mitapy ka mikatona tsy satry ny Thunderbird rehefa mitsindry an'ilay rohy ianao (tahaky ny nanjo ahy) dia clic droit indray no anindrianao azy ary mitsindry ny hoe "Ouvrir dans le navigateur" @ meny izay hipoitra.

Ao @'ilay pejy misokatra (ity ny rohy raha manana olana ianao : https://addons.mozilla.org/fr/thunderbird/search/?q=IP+address&cat=1%2C0&appver=&platform=) dia hisy champ anaovana fikarohana ambony ankaviany, ka mampidira hoe "IP address" (teny anglisy).
Hisy safidy maromaro hipoitra eo, jereo ao izay tena mety aminao.
5. orampanala ( 08/09/2013 08:41)
misaotra betsaka,vao hanaraka an'ireo antsipirihany zany dia lazaiko ihany ny vaovao @ manaraka
6. sahia ( 12/05/2014 07:13)
Ny tsy azoko dia izao: FA ILAINA ATAO INONA NY ADIRESY IPn'ny olon kafa??? dia raha fantatrao zany ilay izy dia ataonao inona ilay olona , ilay tianao ahatongavana no tena tsy takatro.

orampanala:

misaotra betsaka,vao hanaraka an'ireo antsipirihany zany dia lazaiko ihany ny vaovao @ manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1648