Geobiologie sy ny fahasalama.

1. voromailala ( 23/08/2013 13:48)
Ohatra iray mivaingana mampiseho fa manena ny hery sy ny hozatra ny fisian'ny Wifi ao antrano.

Andramo anie e: ny tananao iray hapetrao eo amin'ny box Wifi, na routeur wifi dia henjano mahintsy ny tanana iray dia hasaivo tsindrin'ny olona iray dia hohitanao fa tafidina foana izany.

dia avy eo andramo hesory a min'ilay box wifi na routeur wifi dia haverina fa hohitanao fa hosahirana ilay olona hampidina izany.

Manana ny lajany tokony io resaka Geobiologie io amin'ny fahasalamana. noho izany tokony fadiana ny mametraka TV anaty efitra fatoriana, Portable eo andohampandriana, sns.....
2. hery ( 23/08/2013 14:07)
Efa nanandrana ve voromailala hoe tsy box wifi no nanaovana fanandramana fa radio fisaka, na baiboly, na koa boky Visual .NET ilay mitovy hahavo amin'ny box wifi?

Ohatra ny mitovy ny vokany an.
3. voromailala ( 23/08/2013 14:47)
Hery> :-), tamin'ny emission tamin'ny M6 afakomaly no nahitako an'izy io, dia tsy nino za dia nandramako fa tena mitombina ilay izy a.

Box Sfr no nanadramako azy, misy bouton kely izay famelomana sy famonoana wifi, dia ny tanako izany tsy nihetsika teo amboniny fa no velomina sy novonoiana fotsiny ilay wifi.

Fa andraso hanandrana boky aho dia lazaiko anareo.

Asa raha misy olona hafa nanadrana ianareo, dia mba zarao eto?
4. shannie ( 23/08/2013 15:32)
ie, sady mankarary no mandreraka, tokny vonoina ny tel rehefa matory @ alina, na tena atao mifanalavitra ny fandriana hatoriana. tsy tsara ko hono ny mametraka tel anaty paosy, fa tokony atao anat sac... indrindra ny zazakely tena tokony atao mifanalavitra @ izy ireny fa manamasaka ny atidohany.. tena misy voka-dratsiny betsaka @ vatan'ny olombelona.
5. booboo ( 23/08/2013 15:56)
[HS, misy fihatraikany @ fahasalamana mihitsy ny tsy fahampian'ny torimaso, raha laozana hijery télé sy handray appels @ ora tokony hialana sasatra (sady manapaka lalan-drà hoe fa misy loza inona no miantso @ ora fatoriana ; donky fadio mihitsy hihihihihi]
6. shannie ( 23/08/2013 16:34)
hihih tsy ny torimaso iany ka, zao za tokny izakafo dia variana eto. hihih. ôtran andevoziny e? hihiH
7. voromailala ( 26/08/2013 07:01)
shannie>Marina mihintsy izany indrindra moa fa mbola miampy an'ity 3G, 4G sns inty.
Ny ahy hiezahako pihana foana connexion data rehefa tsy hampiasaina

booboo>tsy tena hoe HS ka, fa anatin'ny Geobiologie mihintsy izany zavatra resahanao izany.ankoatran ilay hoe tapaka lalandra fa misy miantso :-)
8. vahiny2004 ( 26/08/2013 14:08)
booboo:

[HS, misy fihatraikany @ fahasalamana mihitsy ny tsy fahampian'ny torimaso, raha laozana hijery télé sy handray appels @ ora tokony hialana sasatra (sady manapaka lalan-drà hoe fa misy loza inona no miantso @ ora fatoriana ; donky fadio mihitsy hihihihihi]


:-)
9. vahiny2004 ( 26/08/2013 14:13)
Ity indray fanandramana hafa tena nisy : nametraka relais teo ambon'ny building iray ny opérateur . Afaka fotoana fohy dia raikitra ny fitoriana , fanangonan-tsonia , certificats médicales fa hoe tena be dia be hono ny narary an-doha, niakatra tension ... etc vao nipetraka ilay relais .

Ny nampihomehy dia nilaza ilay opérateur avy eo fa mipetraka fotsiny ilay relais fa tsy mbola branché akory == > psychose ???
10. voromailala ( 26/08/2013 14:39)
vahiny2004> misy fijery roa amin'izay zavatra nolazainao izay:

- Voalohany hoe marina ve ilay zavatra nolazain'ilay Opérateur hoe tsy mbola branché ilay izy.

- Faharoa raha hoe marina ilay nolazain'ilay Operateur dia ny sain'ireo no nahatonga azy ireo narary, ohatra ny olona marary mandeha dokotera, rehefa tonga ao amin'ny dokotera dia tsy dia marary firy tsindraindray.

11. vahiny2004 ( 26/08/2013 15:19)
Voamarina fa tsy branché ilay relais

Misy ny effet "Nocebo" : Dokotera iza no afaka mi vérifier hoe tena marary tokoa ny an-dohako ? Izay lazaiko azy no inoany, tsy misy fandrefesana hahafahana mandrefy aretin'an-doha ohatra

Tahaka ny "placebo" ihany , omena zavatra/fanafody tsy misy ifandraisany @ aretiny ny olona izay , dia mety ho sitrana satria manaiky ny sainy fa mahasitrana azy io

Efa betsaka ny resaka mandeha mikasika an'io wifi - relais ... , tsy manao aho hoe misy effet na tsy misy eo amintsika izy . Jerijero ihany ny aterineto dia ampitahao ny voalaza

Izaho mihevitra tahaka an'i booboo , ka raha tsy hatory tokoa fa ilaozana hijery TV sy hanao internet ve tsy harary na ho ela na ho haingana . Tout excès est nuisible.

Tahaka ilay hoax nandeha t@ internet : voakatsaka maromaro eo ambony latabatra, hodidinina tel portable, dia samy ampanenoina ny portables, dia mivadika pop-corn hono ilay katsaka :-)
12. voromailala ( 27/08/2013 07:21)
vahiny2004> misy fahamarinana izay lazainao izay,fa fanontaniana mipetraka hoe raha matajaka be ve ny saina ka mihinana poizina ohatra dia tsy maninona?

Izay hoe raha fantatra ohatra fa mankarary andoha ohatra ny wifi kanefa ny sainao milaza fa tsy mankarary io dia tsy marary andoha tokoa ve ianao?
13. hery ( 27/08/2013 10:34)
Ny fitandremana aloha no fiarovana tsara indrindra e. Izaho tsy mino hoe voaporofo hoe mankarary... saingy tsy voaporofo koa hoe tsy mankarary na tsy hankarary afaka 30 taona satria mbola tsy tonga amin'ilay afaka 30 taona isika.

Betsaka ny zavatra vokatry ny teknolojia no mety hisy fiantraikany fa mety afaka 50 taona vao hisy an'izany fiantraikany izany. Aretina vaovao sns. Koa ny fitandremana sy fanarahana ny natiora ihany angamba no tena fahamalinana.
14. vahiny2004 ( 28/08/2013 07:56)
voromailala:

vahiny2004> misy fahamarinana izay lazainao izay,fa fanontaniana mipetraka hoe raha matajaka be ve ny saina ka mihinana poizina ohatra dia tsy maninona?


Tsia : fanafody na zavatra neutre no ampiasaina hahazoana effet @ placebo fa tsy poizina. Fanafody tenda no omena anao nefa ianao marary kibo ohatra, dia mety ho sitrana. NA koa rano fotsiny anaty flacon-na fanafody. Mila part d'inconscience fa tsy hoe conscient ilay olona hoe fanafody tenda ity na rano fotsiny .

voromailala:

Izay hoe raha fantatra ohatra fa mankarary andoha ohatra ny wifi kanefa ny sainao milaza fa tsy mankarary io dia tsy marary andoha tokoa ve ianao?

Mety handaitra io na tsia , fa ny tena mandaitra dia raha miteny ianao hoe mankarary an-doha ahy ny wifi dia harary ny lohanao


15. voromailala ( 28/08/2013 13:20)
vahiny2004>misaotra anao amin'izay valiteny izay.
raha ohatra izany raisina amin'ny silany iray indray dia hoe raha misy zavatra lazain'ny olona hoe mankarary andoha, wifi ohatra, dia miteny ianao hoe mampilamina an-doha ahy ny wihi dia milamina ny lohanao?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172