te hianatra francais courant

1. margrity ( 22/08/2013 07:25)
Za mba te hianatra francais courant ilay miteny mihitsy. Ny mijery film azoko tsara ny teneniny na ny mamaky boky, fa ilay miteny mihitsy no tsy haiko. Sao misy torohevitra?
novalian'i Tibao ny 26/05/2014 20:41
2. Nehemiah ( 22/08/2013 13:26)
Miezaha mamaky boky
3. 5laody ( 23/08/2013 10:09)

Salama,
Ny haingana indrindra dia ny manaraka cours d'expression orale na table ronde de discussions .
Ny ambiny lazaiko eto ambany dia fanampiny fotsiny.

lazao amin'ny olona manodidina anao raha misy manana finiavana toa anao dia mifanaraha hiteny frantsay. toy ny mianatra mandeha io ka na diso aza aza raharahiana fa alefaso foana. Mamorona groupe kely raha maromaro ianareo dia manokana fotoana kely e. Asiana thèmes kely madinidinika raha te hivoaka amin'ny andavan'andro. raha vitanareo ny manisy tambiny kely isaky ny ezaka vita dia tsara tokoa.

Raha mampazoto anao koany mitady namana miskype amin'ny teny frantsay ohatra.

izay angamba no azo lazaina fa dia mahazotoa.

4. booboo ( 23/08/2013 15:28)
5laody > +1

5. Tibao ( 26/05/2014 20:41)
margrity:

Za mba te hianatra francais courant ilay miteny mihitsy. Ny mijery film azoko tsara ny teneniny na ny mamaky boky, fa ilay miteny mihitsy no tsy haiko. Sao misy torohevitra?

Miarahaba, raha tia hianatra frantsay courant ianao dia amboary amin'ny teny frantsay ny eritreritrao. Mamakia boky be dia be ary aza apetraka lavitra ny rakibolana frantsay mba ahalalàna haingana ny teny hita tsy fantatra.

Raha mila miteny frantsay ianao dia alaharo amin'ny teny frantsay ny eritreritrao. Tsy maninona raha mila mieritreritra ela kokoa (araky ny fiheverako dia tsy vazaha lehibe tamin'ny teny frantsay ianao!). Raha ataonao amin'ny teny malagasy io dia hihanahàna matetika ianao. Inoana fa tsy ho vita indray andro izany, fa raha miezaka ianao dia ho vita afaka telo volana.

Miainoa koa fandaharana amin'ny teny frantsay (RFI : journal en français facile) rehefa tsy misy hatao (ary raha tsy misy olona dia avereno tenenina izay notenenin'ilay mpilaza vaovao ;-p).
Tamin'io fomba voalazako eo ambony io no nianarako teny anglisy ary efa 900 mahery ny score-ko amin'ny TOEIC amin'izao fotoana izao.

Mahazotoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8526