MITADY NY VERY

1. vonynive ( 06/08/2013 10:10)
Tsy azo fefena
Ingahy Rafandrosoana
Tonga tsy terena
Rafanatontoloana

Manao be fisosoka
Ny akanga dia mandalo
Ataony kenda roroka
Ny akoho taman-trano
Avy mba hanjanaka
Manao tsindrio fa lavo
Ny Soatoavintsika
‘Reo tsy mamakafaka
Avy dia mitango
Fa hoe avy any am-pita

Voahosihosy izao
Ny fahendrenao
Fa ny fandrosoana hoe
Dia fahalalana be
Ka ny Fanahy maha-olona
No sahy atao sorona

Tsy ny maha-Malagasy anao
Ihany no tiany hozanahana
Fa koa ny harenanao
Satriny rombahana
Ry Manam-panahy
Atsipy re ny teny
Ndao hiarak’hisalahy
Hitady indray ny very
novalian'i totsy ny 22/08/2013 03:22
2. Nehemiah ( 06/08/2013 14:33)
(y)
3. totsy ( 22/08/2013 03:22)
Ndao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3528