Antontan-kevitra sy ny fiandohan'ny fiainana

1. Nehemiah ( 03/08/2013 13:01)
Inona ary izany ? Samy ananan'ny solosaina sy ny olona, fa sainga mila atao "mise à jour" matetika @ solosaina ? Ny logiciel. Angamba tsy mahatsiaro ny tenanao ho manana logiciel loatra ianao, kanefa, ao anatin'ny voan'ny selanao rehetra, misy prôgrama miendrika literana ADN 3 miliara.

Ny mpanoratra prôgrama lalin-tsaina no manoratra prôgrama ho an'ny solosaina, fa ahoana indray ny momba ny zavamananaina ? Milaza ny mpandala evôlisiona fa nipoitra ho azy ka tsy nisy idiran'ny zavatra lalin-tsaina ny fahalalàna ao anatin'ny sela miaina voalohany, kanefa mba possible ihany ve izany ? Ny valiny dia TSIA !

Na dia ity manam-pahaizana anisan'ny fanta-daza indrindra any Aostralia ity dia nanao hoe :
Paul Davies:
There's no known law of physics that's able to create information from nothing

Mety izay no nahatonga azy hitaraina, @ lahatsoratra @ gazety ara-tsiansa "New Scientist" hoe :
Paul Davies:
How did stupid atoms spontaneously write their own software? Nobody knows.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2542