Olombelona hatr@ voalohany

1. Nehemiah ( 11/07/2013 15:26)
50 taona lasa izay, nisy mpahaiaina (biologue) nahazo amboara Nobel izay nanao filazàna mahavariana : nilaza izy fa mifanohitra @ lalàn'ny immunologie ny fahaizan'ny tsaikan-jazakely mivelona ao anaty vohoka, satria rehefa mahita sela izay tsy ampahan'ny vatana ny sistema immunitaire dia esoriny tsy ho ao @ vatana, ka tokony esoriny koa ny zazakely izay tsy mitovy ADN @.

Fantatra ankehitriny ny antony mahatonga an'izay : velona ihany ny zazakely satria mampiasa fiarovan-tena tena misongadina. Nahita ny mpikaroka any @ Anjerimanontolom-pitsaboana any Georgie fa mamokatra anzima manokana ny tsimoky ny biby mampinono izay ahafahany mampitony ny sistema immunitaire tsy hanaisotra azy. Alohan'ny hipetrahany anaty vohoka indrindra no manomboka mamokatra an'ity anzima ity izy.

Izany dia manohitra tanteraka @ hevitra tena fampiasa anohanana ny fanalan-jaza hoe ampahan'ny vatan'ny mamany izy ka izay tiany anaovana azy dia azony atao. Asehon'izay fikarohana izay tsara fa miavaka @ reniny hatr@ voalohany ny tsimoky ny olombelona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2178