mba atoroy fa aza afenina

1. nintsievagio ( 10/07/2013 19:20)
ahona kay ny fanaovana ny fanalana ny fond na arriere plan rehefa manao montage video,
ohatra hoe video teo antokotany dia atao eny amin' ny ranomasina log magix delux no ampiasaiko na adobe premier pro na after efect mba valio e!
novalian'i sitlo ny 13/07/2013 21:15
2. hery ( 10/07/2013 19:34)
Raha ohatra ka video omanina manokana dia aleo tonga dia asiana arrière-plan loko tokana (uni) ohatra hoe ilay maitsomaitso ireny. Mora ny manala azy amin'ny Adobe première rehefa avy eo. (Incrustration fond vert, na chroma key).

Fa raha arrière-plan tena sary mifangaro mihitsy dia tsy maintsy atao manuel (mampiasa masque) ary atao frame par frame... :-( tahaka ny manamboatra dessins animés fa azo atao ihany ka.
3. nintsievagio ( 11/07/2013 14:16)
Mba afaka asinao demo @ sary ohatra hoe manao masque par etape dia capturena dia atao PDF ve Rahery @ ilay fond mifangaro efa nanao ihany mantsy aho fa raha vao manala loko iray @ fond ka misy loko mitovy @ ilay olona dia miala koa, ka raha mba azo atao dia ataovy antsary ny lalana tokony halehako, fa mba tiko ho fantatra. Misaotra mialoha
4. sitlo ( 13/07/2013 00:50)
Izay nataonao izay ihany ilay tian'i Hery lazaina ka. Fa ny ataon'ny olona fotsiny dia mampiasa fond tsy ho hita ao anatin'ilay hotazomina. Arakaraka ilay izy, fa matetika raha hitsitsy vola dia maintso somary mavo marevaka no fataon'ny olona.
[center][/center]
Taloha fond bleu no tena nalaza, fa nony betsaka ny akanjo manga sns dia niova tsikelikely. Ny mena, mainty ary ny mitovitovy amin'ny volokoditry ny olona no tena aza atao fa manderaka be. Green screen ny mot cle raha hijery ny pitsopitsony amin'ny google.

Raha ilay fond tsy uni indray fa eo an-tokotany indray dia efa nisy nahavita betsaka ihany fa tsy hitako amin'ny commercial. Be dia be ny fikarohana tamin'ny computer vision momba an'io 3 na 4 taona lasa izay ka tsy haiko na efa vitan'ny Adobe ny nicommercialiser azy na tsia. Fa efa ampiasain'ireny camera de securite sy drone sy satelita ireny ilay izy.
5. nintsievagio ( 13/07/2013 09:56)
Misaotra namaly ny fanagatahana Rasitlo fa maha teho namana ianareo fa hiezaka ihany ho hamoka ilay tadiaviko @ loko maro masquena fa raha mahita fika tsara dia mba lazao ihany Nintsievagio
6. sitlo ( 13/07/2013 21:15)
Somary nitady tamin'ny internet kely aho, fa efa ela ihany aho mantsy no tsy nilalao an'ilay after effects, dia kay efa vitan'ny Adobe tokoa ilay izy.
Rotoscope brush, na roto brush no niantsony azy. CS5 no nanomboka nisy azy izany hoe 3 taona lasa teo izay. Ity misy demo kely.
[center][/center]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2436