Mitady hiavaka

1. sitlo ( 09/07/2013 18:35)
Tsy hitanareo mitady hiambo izany ve ireo malagasy mitady hanarina ny maha-malagasy?
novalian'i moustaraf ny 16/09/2013 16:11
2. booboo ( 10/07/2013 06:20)
(inona no dikan'ilay hiambo eto fa tsy azoko, azafady ? )
3. 5laody ( 10/07/2013 13:00)
Miarahaba ny rehetra
booboo:

(inona no dikan'ilay hiambo eto fa tsy azoko, azafady ? )

Mitovitovy amin'ilay hoe matikambo ny fahazoako azy. (manindrahindra sy manambony tena)



Amiko mety mitady izay lalana nodiaviny izy mba ahafantarany hoe aiza no tokony ho alehany.

Ilay isika samy isika mifanambany angamba aloha no olana tsara vahana mialoha dia manaraka ho azy ny ambiny.



4. Nehemiah ( 10/07/2013 13:47)
Tsy hoe mihambo daholo izay rehetra te-hanarina ny maha-malagasy, fa tena marina tokoa fa be ny olona mirona @'izay noho ny eboebo, finiavana te-hiavaka araky ny lazainao. Fisainan-diso jenetika ny hoe "gasy ka tsara" (na ratsy), satria tsy hoe avy @ firenena atsy na aroa ny zavatra 1 dia automatiquement tsara (na ratsy).
5. sitlo ( 19/07/2013 02:22)
Tsy milay mihitsy koa ity fiantsoanao olona fisainan-diso isaky ny mihetsika ity ka.

booboo> ny miambo dia avy amin'ny hoe ambony izany hoe miezaka maneho fa ambony noho ny hafa.
Taloha rehefa misy an'ireny dinika momba ny fanarenana ny teny malagasy ireny dia mba mihomehimehy mahita hoe, hay ve izany no nahatonga ny teny hoe jiolahimboto e...
Fa amin'izao, ohatra ny mifanindrinindry tsy dia ahitam-bokany izany. Fa ohatra ny hoe, izahay efa nanao fikarohana mihoatra ny folo taona... Na hoe, ny merina dia anisan'ny olona nahay indrindra taty afrika... na, Madagasikara dia nosy miavaka eto an-tany...
6. Nehemiah ( 19/07/2013 08:08)

sitlo:

Tsy milay mihitsy koa ity fiantsoanao olona fisainan-diso isaky ny mihetsika ity ka.

Miala tsiny indrindra ^_^, fa izay anie ny lôjika môdaly e. Ny atao hoe "genetic fallacy" dia ny mitady hanaporofo hevitra 1 ho diso na ratsy @ alalan'ny famoahana ny fiandohany. Fahita matetika dia matetika @ serasera izy ity, ohatra rehefa misy mikiry @ hoe copier-coller-n'ny finoan'ny mpanompo sampy nanodidina ny finoana kristiana :)
7. Alfantomas ( 22/07/2013 06:43)
Tsy mitady iavaka fa tena tehiavaka mihintsy hoe izahay ireo gasy tsy manary ny mahamalagasy anay n'aiza n'aiza ary tena mihambo (=manakambo) ihany koa
8. Nehemiah ( 22/07/2013 07:18)
Tsy ratsy akory ny mikasa ny maneho an'izao tontolo izao fa manana ny maha-antsika antsika isika, izay no fanaon'ny firenena rehetra.

Fa hitako miainga avy @ chauvinisme diso fipetraka ny an'ny sasany, oh. "Ny vazaha tsy mahay an'izao fihavanana izao fa isika gasy no mahay an'izao", nefa balarora fotsiny.
9. moustaraf ( 16/09/2013 03:58)
Amiko indray dia tsy hoe miambo na te hiavaka; fa tena izay mihitsy ny toerana tokony hisy ny malagasy!
Noho isika taraiky afara @ fandrosoana ara-toerkarena angamba hoy aho (voazanaka ara-tsaina, ara-batana, ara-pinoana, korontana ra-politika saika isaky ny 10 taona,...) no izao vao tonga @ io sehatra iray ara-kolotsina io izay sokajina ho "tsy isan'ny priorité" aloha hatreto!
kanefa ny firenena rehetra lazaina fa mandroso sy lasa lavitra dia efa nandalo an'io daholo, "fantatra mazava ny nihaviana mba hamaritana izay aleha" oh: Frantsa, Amerika, japon, Inde, Sine, Afrika atsimo,... ary samy nanoratra ny tantarany mazava!

Raha ny hafa no manao dia tsy mihambo fa raha ny Gasy no mba miezaka, miezaka hoy aho satria fantatsika fa ny mahavitsy ny voka-pikarohana avo lenta mikasika an'i Madagsikara dia ny Vola be (lafo dia lafo) ilaina @ fikarohana!
Satrinareo ve izany tsy hisy saina miasa mihitsy eto dago sa dondrom-belona avokoa ny fihereveranareo ny Gasy??

Iza no afaka hanazava ny maha sarin-tongotra havia an'i Madagasikara, raha tsy ny Malagasy? Ny hafa firenena ve hivakiloha @ izany?

Ilay teny hoe "miambo" dia tena marina fa ampiako kely "mametraka hambom-po maha malagasy" fierté d'être malagasy; ho enti-manarina ny firenena @ lafiny rehetra!

10. Nehemiah ( 16/09/2013 07:26)

moustaraf:
Iza no afaka hanazava ny maha sarin-tongotra havia an'i Madagasikara, raha tsy ny Malagasy? Ny hafa firenena ve hivakiloha @ izany?

Tsy dia hitako loatra izay idiran'ny tektônika @'izao, fa na izany na tsy izany, ahoana no anazavanao ny maha sarin-tongotra havia an'i Madagasikara ?
11. moustaraf ( 16/09/2013 16:11)
Ny razam-ben'ny Malagasy dia nihevitra fa mikisary trondro lehibe ity nosy ity, izay nolazainy hoe "Dag"izay tsy ampoizin'ny maro akory fa niavin'ilay fiantsoana hoe "dago"
Ela taty aoriana vao fantatra fa hay mikisary tongotra havia no tena izy.....Hohazavaina @ fotoana mahamety azy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2151