Raison de vivre: resaka filozofika

61. Nehemiah ( 19/07/2013 13:27)

voromailala:

Nehemiah> tsy nanafitohana ahy mihintsy, fa mampalahelo ahy fotsiny ny firesakao mitsara olona. Fa micomprendre anao aho satria ny sainao no nanao ireny fa tsy ianao.

Ilaina ihany ny saina, na dia entina handinika kely ny zavatra tena lazaiko, dia @'izay ho hitanao fa tsy ny olona no tsaraiko fa ny hevitra voiziny.
Ilaina ny manao an'izay, na tianao na tsy tianao, raha mbola misy izany tsara sy ratsy izany.
voromailala:
Dia inona ilay fampiharana "concretement" hoe manao inona? mivavaka ve? sa hoe rehefa eken'ny sainao fotsiny hoe izy no fiainana mandrakizay dia miray amin'Andriamanitra ianao?

Ny faha2 no marina. Fa ny faha2 dia hitarika ny voalohany.
62. voromailala ( 19/07/2013 14:09)
Nehemiah> Tsy manda za hoe ilaina ny saina fa tsy tokony ny saina hoy aho no mibaiko antsika fa isika no mibaiko ny saintsika. Izaho tsy manaka anao hitsara fa miteny aminao fotsiny aho.

Raha ilay faharoa marina dia tokony hafaka hira amin'Andriamanitra daholo ny olona rehetra ary haingana be, nefa maninona mbola betsaka no manao tsy mety?
63. Nehemiah ( 19/07/2013 14:24)
Fi. 2:13 : "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony."
Manomboka hatr@ ninoan'ny olona 1 an'i Kristy dia manomboka ny asany fanamasinana ny Fanahy Masina. Karazana fanomanan'ilay mino ho an'ny fiainany manaraka, rehefa atsangan'Andriamanitra @ maty ny mino rehetra mba hiaina miaraka @ mandrakizay. Miha-mitovy tsikelikely @ Jesoa izy, @ lafin'ny toetrany, ny fony ary ny sainy. Ny olana dia rehefa tsy avelan'ny mino hiasa ny Fanahy Masina ao anatiny fa te-hanaraka ny fironany manokana, hany ka manjary manota izy.

Tsy adino koa fa misy ny mpihatsaravelatsihy sy ny kristiana anarany maro dia maro (mijereva TV fotsiny :-p )
64. bandykely ( 19/07/2013 14:32)
Nehemiah>> Miala-tsiny fa rehefa tsy zaka ilay revy dia ajanony....Conseil ho anao: manangana antokom-pinoana/pivavahana (izay filazanao azy tsy rarahiko) fa sady ho sambatra ianao any an-danitra no hahazo vola rakitra misimisy. Lasa resaka toriteny masoso-p....ny lazainao. Sanatrian'izany ohatran'ny miresaka amin'ny olona adala.

Sûr aho izao fa sambatra be ianao izao satria Jesoa koa aza nisy nanenjika tahaka ny ataoko anao izao tamin'ny androny. Sa ahoana? hahahaha
65. Nehemiah ( 19/07/2013 15:03)
Koa i Voromailala ihany anie no nangataka fanampim-panazavàna e :-) .

Kanefa na toriteny masoso-p.... na tsy toriteny masoso-p.... ny lazaiko dia mba nodinihinao ve aloha ny hevitra navoitra tao anatiny ? Satria raha mirona @ tenin-dratsy ianao dia mahatsiaro maratra, kanefa tsy hitako izay ratsy nataoko taminao :-) .
66. bandykely ( 19/07/2013 15:51)
Nehemiah>> Marina fa tsy misy ratsy nataonao ahy fa kosa mankaleo be ilay fomba fanehoanao hevitra. Tadiavinao forcer-na tsotra izao ny olona hanaraka ny lojikanao, izay lojika miankina amin'ny baiboly sy Andriamanitra.

Araka ny voalazako tetsy ambony dia voaraiko tsara ny hevitrao fa tsy mitovy amin'ny fihevitro hoa. Any amin'ny sehatry ny fivavahana/finoana ianao miady hevitra momba an'Andriamanitra fa ny eto dia resaka mivelatra fa tsy mifantoka amin'ny loha-hevitra iray akory.

Rehefa miresaka aman'olona ry Nehemiah dia ny "écoute" no tena important indrindra a. Tsy ady hevitra no atao eto ka misy mandresy sy resy fa kosa fifanakalozan-kevitra. Henoy ny hevitry ny hafa na tsy mitovy aminao aza dia avohay ny hevitrao. Raha zavatra tokana no averimberinao dia toa ny disque goaka ka tsy misy valeur intsony ny information lazainao (Trop d'information tue l'information).

Farany, tsy misy teny tsara sy ratsy amiko. Fa ratsy no andraisanao azy satria ny référence anao dia tsy mahalala afa-tsy ny baiboly. Mampiasa ireo teny lazainao fa ratsy ireo aho mba hanindry ny tiako lazaina ary mba hahafahan'ny donto saina (tsy vendrana eto no tiako ambara fa ny olona bouté amin'ny hevitra tokana toa anao) ho taitra sy hahatsapa ny tiako ambara. Tsy maratra velively koa aho ary tsy misy tokony hamparatra ahy satria izaho dia mahalala ny baiboly ary nobeazina tao anatin'ny finoana an'Andriamanitra fa kosa tsy manaraka an-jambany izay voalaza ao.

Sûr aho fa karazan'olona tsy misy namana afa-ts'ireo olona mpamaky baiboly sy mifofotra mafy mivavaka ianao (lazao aho raha diso). Dia manontania tena kely hoe inona no anton'izay fa mety mahasoa anao ihany izay. Toro-hevitra ny ahy fa tsy voatery arahinao akory. :)
67. Nehemiah ( 20/07/2013 06:48)

bandykely:

Nehemiah>> Marina fa tsy misy ratsy nataonao ahy fa kosa mankaleo be ilay fomba fanehoanao hevitra. Tadiavinao forcer-na tsotra izao ny olona hanaraka ny lojikanao, izay lojika miankina amin'ny baiboly sy Andriamanitra.

Azonao atoro ahy ve ny toerana nanaovako tery vay manta ny fiheverako ? Satria rehefa miverina mamaky ny zavatra nosoratako aho dia toy izao no zavatra hitako :

raha resy lahatra ianao fa afaka manao an'izay sitrak'Andriamanitra isan-tsegondra vaky, na @ zavatra ataonao na @ teninao na @ eritreritrao dia aza manao kristiana an :)


Ka avelao kely aho mba hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao :

bandykely:
Araka ny voalazako tetsy ambony dia voaraiko tsara ny hevitrao fa tsy mitovy amin'ny fihevitro hoa. Any amin'ny sehatry ny fivavahana/finoana ianao miady hevitra momba an'Andriamanitra fa ny eto dia resaka mivelatra fa tsy mifantoka amin'ny loha-hevitra iray akory.

T@'oviana kay aho no nandà an'iza na iza haneho ny heviny eto ?
bandykely:
Rehefa miresaka aman'olona ry Nehemiah dia ny "écoute" no tena important indrindra a. Tsy ady hevitra no atao eto ka misy mandresy sy resy fa kosa fifanakalozan-kevitra. Henoy ny hevitry ny hafa na tsy mitovy aminao aza dia avohay ny hevitrao. Raha zavatra tokana no averimberinao dia toa ny disque goaka ka tsy misy valeur intsony ny information lazainao (Trop d'information tue l'information).

Averiko indray mandeha : t@ oviana kay aho no nandà an'iza na iza haneho ny heviny eto ? Ary t@ oviana aho no namerimberina hevitra tokana ? Rehefa jereko aloha ny zavatra nosoratako dia lafin'ny finoana kristiana maro no navoitro : ny maha-zava-dehibe ny fifandraisantsika @Andriamanitry ny Baiboly ho an'ny fahasambarana, ny toetran'ny fahasambarana tena maharitra tsy mifototra @ tranga miovaova, ny lalana ahazoana an'izay (nohon'ny fangatahan'i Voromailala)...
Sady mifanipaka raha mbola milaza koa ianao hoe : "Trop d'information tue l'information" : ny aiza no tsy tianao : ny antontan-kevitra 1 averimberina sa ny antontan-kevitra be dia be avoitra indray mandeha ?
Sa ve rehefa i Moi ohatra no mivoitra hevitra fohifohy mitovy @ ahy dia tsy maninona fa rehefa izaho indray no mamelabelatra dia "masoso-p..." ? Tsy izay moa ilay hoe mizàna tsindrin'ila ?
bandykely:
Farany, tsy misy teny tsara sy ratsy amiko. Fa ratsy no andraisanao azy satria ny référence anao dia tsy mahalala afa-tsy ny baiboly. Mampiasa ireo teny lazainao fa ratsy ireo aho mba hanindry ny tiako lazaina ary mba hahafahan'ny donto saina (tsy vendrana eto no tiako ambara fa ny olona bouté amin'ny hevitra tokana toa anao) ho taitra sy hahatsapa ny tiako ambara.

Ay ve, raha azoko tsara tsy misy intsony ny fahaiza-miaina fa samy manao an'izay saim-patana ? Raha izay no izy dia tsy hitako koa izay antony tokony anohizako ny Mr Nice Guy.

Nilaza ianao t@ voalohany hoe " Manana rôle de balise izy (miala-tsiny amin'ny teny vahiny) tahaka ny ataon'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka. Ray aman-dreny am-panahy izany, amiko, Andriamanitra". Kanefa mino aho fa mahalala ny ohabolana hoe "tenin-dray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy : raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafafanona". Ka tsy vao mainka Andriamanitra ! Sa Andriamanitra sur commande ve ny anao ? Rehefa mety aminao dia velomina ary rehefa tsy mety aminao dia vonoina ?

Fa izay aloha dia manambara ny fanipahan'ny vahoaka gasy ny fitakian'Ilay Nahary antsika @ fiainantsika. Manipaka azy ny olona dia avy eo mbola mitady fahasambarana indray ! Aia koa ro hahita, hoy ny Betsileo izay !

Ny anao izao dia tsy fantako izay Andriamanitra tompoinao fa sady tsy Andriamanitry ny Baiboly no tsy Andriananaharin'ny Ntaolo (satria samy manana fitakiana @ fiainan'ny olombelona nohariany izy 2), fa karazana sampy mitovy @ zanak'omby volamena namboarin'ny Israelita.
bandykely:
Tsy maratra velively koa aho ary tsy misy tokony hamparatra ahy satria izaho dia mahalala ny baiboly ary nobeazina tao anatin'ny finoana an'Andriamanitra fa kosa tsy manaraka an-jambany izay voalaza ao.

Miaiky etoana izany ianao fa nanipaka ny finoan'ny ray aman-dreninao. Fa nahoana ? Satria heverinao fa mangeja anao ? Sa inona no tena tianao tenenina @ hoe manaraka "an-jambany" ? Satria mantsy tsy finoana manjavozavo ny finoana kristiana, fa mifototra @ fisiana, ny ministera, ny fahafatesana, ny fitsanganana @ maty ary ny fiakarana any an-danitr'i Jesoa Kristy, izay tranga tena nisy @ tantaran'izao tontolo izao.
bandykely:
Sûr aho fa karazan'olona tsy misy namana afa-ts'ireo olona mpamaky baiboly sy mifofotra mafy mivavaka ianao (lazao aho raha diso). Dia manontania tena kely hoe inona no anton'izay fa mety mahasoa anao ihany izay. Toro-hevitra ny ahy fa tsy voatery arahinao akory. :)

Biiiiinnnnk ! Mauvaise réponse ! Aza miverina 2e semaine koa !

Manana namana fb mianatra @ sciences-po izay tsy manafina ny tenany ho agnostique, kanefa mifankahazo tsara mihitsy izahay satria tsy matahotra ny miady hevitra izy ary samy manaja ny hevitra avoakan'ny ts11 izahay. Tsy mahatsiaro ny tenany ho voatery manompa rehefa tsy mahita avaly izy.
68. bandykely ( 22/07/2013 09:16)
Nehemiah>> Tsy hovaliako ny fanontanianao satria lasa manalavitra ny sujet isika. Fa izao fotsiny: tsy manompo sampy aho ary miady amin'ny fanatisme. Ny saiko, ny fanahiko ary ny eritreritro samirery no Andriamanitra mibaiko ahy.

Faharoa, ny tena namana amiko dia tsy ny namana amin'ny facebook. Mety hanana 1000 amis aho amin'ny facebook fa tsy hisy na iray aza hanana fo iarak'itempo amin'ny ahy na amin'ny alahelo na amin'ny hafaliana.

Fahatelo, ny sciences po dia toa ny fianarana rehetra. Mbola tafiditra anaty fanjanahan-tsain'ny vazaha ianao (tahaka ny mahazo ny ankamaroan'ny malagasy ankehitriny amin'ny fivavahana kristianina) raha mametraka hoe ity fianarana tsara, ity fianarana ratsy, ity avo, ity iva,....Na nanao Harvard ianao, na nanao Berkeley, na MIT, na inona dia tsotra ihany, ny hevitrao no hitsarana anao ary ny connaissance tompoko dia tsy titre (diplome, na institution). Toy ny voninkazo io, anjaran'ny tsirairay no mikolokolo, manondraka, mana-lehibe azy fa tsy anjaran'ny zaridaina (na ny toerana misy azy) tsy akory. Tsy manenjika sciences po aho, sao hafa indray no andraisanao ny teniko, fa kosa tsy tia manao safo be mantsina hoe : rehefa sciences po dia tsara/marina/référence,....Mitovy amin'izao ihany ny remarque-ko na Havard na inona no nosoratanao teo.

Farany: ny tsirairay dia samy manana ny tempérament-ny. Rehefa te-hanindry ny tiako lazaina aho dia mampiasa voambolana tsy ampiasain'ny olona isan'andro. Noho ianao tsy manana référence tokana afa-tsy ny cage kely hiainanao dia mailaka ery ianao manao déduction hoe tsy manan-kevitra aho ka miteny ratsy sy manompa. Tsy nanompa anao fa azafady indrindra. Ny contenu (na ny fond) no tena important amin'ny zavatra lazaiko fa tsy ny forme na ny fomba hilazako azy tsy akory.

Mandra-panoratra indray e,
69. Nehemiah ( 22/07/2013 15:08)
bandykely:

Nehemiah>> Tsy hovaliako ny fanontanianao satria lasa manalavitra ny sujet isika. Fa izao fotsiny: tsy manompo sampy aho ary miady amin'ny fanatisme. Ny saiko, ny fanahiko ary ny eritreritro samirery no Andriamanitra mibaiko ahy.

Tahakan'i Robespierre. Ny fanirian'i Robespierre mantsy dia hanagana ny fanompoana ny déesse de la Raison.
Raha izay no Andriamanitrao dia tahaky ny athée ihany ianao. Miala tsiny aminao fa izay no izy. Satria tsy manana fiorenana mitombina ho an'ny fitondran-tenanao ianao. Tsy hoe lozabe ianao tsy akory, fa averiko indray mandeha : tsy manana fiorenana mitombina ho an'ny fitondran-tenanao ianao. Mazava loatra izany : raha tsy mitsara Andriamanitra, inona no manakana ny ts11 hanao izay danin'ny kibony ?
Ary porofon'izay ianao tsy taitra mampiasa tenin-dratsy. Ary mety tsy lozabe tahakan'i Robespierre na Hitler ianao kanefa tsy maintsy ampitandremako ianao fa tsy misy an'izany tsimatimanota izany eo anatrehan'ilay Andriamanitra Andriananahary namorona an'izao tontolo izao.
bandykely:
Faharoa, ny tena namana amiko dia tsy ny namana amin'ny facebook. Mety hanana 1000 amis aho amin'ny facebook fa tsy hisy na iray aza hanana fo iarak'itempo amin'ny ahy na amin'ny alahelo na amin'ny hafaliana.

Dia tsy mitovy izany isika... Ny sasany zara fa nahita maso azy ireo nefa "manana fo miara-mitempo amin'ny ahy na amin'ny alahelo na amin'ny hafaliana". Ary torak'izay koa Andriamanitra.
bandykely:
Fahatelo, ny sciences po dia toa ny fianarana rehetra. Mbola tafiditra anaty fanjanahan-tsain'ny vazaha ianao (tahaka ny mahazo ny ankamaroan'ny malagasy ankehitriny amin'ny fivavahana kristianina) raha mametraka hoe ity fianarana tsara, ity fianarana ratsy, ity avo, ity iva,....Na nanao Harvard ianao, na nanao Berkeley, na MIT, na inona dia tsotra ihany, ny hevitrao no hitsarana anao ary ny connaissance tompoko dia tsy titre (diplome, na institution). Toy ny voninkazo io, anjaran'ny tsirairay no mikolokolo, manondraka, mana-lehibe azy fa tsy anjaran'ny zaridaina (na ny toerana misy azy) tsy akory. Tsy manenjika sciences po aho, sao hafa indray no andraisanao ny teniko, fa kosa tsy tia manao safo be mantsina hoe : rehefa sciences po dia tsara/marina/référence,....Mitovy amin'izao ihany ny remarque-ko na Havard na inona no nosoratanao teo.

Koa angaha izay no tiako tenenina ? Fantatro tsara fa taranja 1 tahaky ny taranja hafa ny sciences po fa ianao no maniry ahy ho fohy saina ka mitady an'izay hevitra rehetra anaporofoana an'izay, na dia tsy mitombina toy inona aza. Tena lazaiko aminao marina tokoa fa lany andro fotsiny ianao nanoratra ny etsy ambony an.
Ny filazanao hoe cage aho cage dia mampiseho ny tsi-fitiavanao ny finoana kristiana efa raiki-tapisaka @ sainao. Ary mahagaga ahy tokoa fa ny faha8n'ny finoana kristiana rehetra, na inona na inona no firehany, dia milaza ny finoana kristiana ho adaladala sy fohy saina ary mangeja, kanefa ny mifanohitra @'izay no zava-misy.
bandykely:
Farany: ny tsirairay dia samy manana ny tempérament-ny. Rehefa te-hanindry ny tiako lazaina aho dia mampiasa voambolana tsy ampiasain'ny olona isan'andro. Noho ianao tsy manana référence tokana afa-tsy ny cage kely hiainanao dia mailaka ery ianao manao déduction hoe tsy manan-kevitra aho ka miteny ratsy sy manompa. Tsy nanompa anao fa azafady indrindra. Ny contenu (na ny fond) no tena important amin'ny zavatra lazaiko fa tsy ny forme na ny fomba hilazako azy tsy akory.

Mandra-panoratra indray e,

Eny ary, raha mikiry @'izao toe-tsainao izay ianao dia tsy misy inona na inona manery aho hanome zava-masina ny alika ka

70. pisoonja ( 23/07/2013 09:15)
tena tsy tafiditra tao anatin'ity thème ity ny tenako fa namaky fotsiny ihany saingy somary mampalahelo kely ahy ny foto-kevitr'i Nehemiah eto ny Soratra Masina dia milaza fa
" Aza manao ny tenanareo ho hendry", koa maninona no dia izoa no hamalianao ny namana mpisera e, sa izany no atao hoe foto-pisaina kristianina lol!!!!!!!!!!!!!!!!
71. moi ( 23/07/2013 10:15)
tokony valiana tsotra ilay fanontaniana "atao hoe sambatra eo am fiainana", fa lasa fanazavana hifamaliana izy izany ; ny ahy efa nolazaiko ao ambony ao (tamin'ny 18/07/13 13:42) ny atao hoe sambatra, araka ny iainako azy.
Raha ampiana kely dia mahay mionona aho, mahay voky aho, mahay mifaly amin'izay eo anatrehako aho, ka sambatra aho amiko. Tsy tapitra ananako izao rehetra izao, fa mahatsiaro miadana aho ; na marina aza fa hoe rotaka be hono ao an-dàlana ao, tsisy fanantenana izy ity e ...danza be ny mandeha irery amin'iny... sy ny sisa : ananako ny fiadanana. Tsy nahita io teny "Fiadanana" io aho no nahatonga ahy hiverina hanoratra, nefa io no tena lakile.
Aleo mba tohizana amin'ny resaka ahazoana mitaratra fa sambatra ianao e, fa izay no mahasoa kokoa !
72. voromailala ( 23/07/2013 11:23)

pisoonja:

tena tsy tafiditra tao anatin'ity thème ity ny tenako fa namaky fotsiny ihany saingy somary mampalahelo kely ahy ny foto-kevitr'i Nehemiah eto ny Soratra Masina dia milaza fa
" Aza manao ny tenanareo ho hendry", koa maninona no dia izoa no hamalianao ny namana mpisera e, sa izany no atao hoe foto-pisaina kristianina lol!!!!!!!!!!!!!!!!

Izay voalazanao izay ilay izy. Ary noho io no zavatra no mahatonga ny olona tsy tian'ny tenany sy mahafantatra azy bebe kokoa satria lazaina fa mpanota ny olona,sns....
73. smanantena ( 23/07/2013 13:17)
Marina izany hoy ny voalaza ao @ baiboly "jereo aloha ny andry eo @ masonao fa aza variana mijery ny sombin kazo eo @ mason'ny rahalahinao" dia tsarao ny tenanao ny tiko tenenina dia hoe mandiniha tena e!,sy ny hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina e! samy maka ny tandrify azy ny rehetra an!
Dia hivereno @ izay ilay sujet raha mbola misy hambara e!
74. bandykely ( 23/07/2013 14:59)
Misaotra ny mpisera rehetra tsy ankanavaka amin'ny fandraisana anjara. Hiverenako kely ny fanontaniana hoe: inona no atao hoe sambatra amin'ny fiainana?

Rehefa mba mandeha any ivelan'i Madagasikara manao mission ireny aho dia mahita fa mbola sambatra ny malagasy na dia tsy manana ny ampy eo amin'ny lafin'ny vola sy ny fitaovana aza.
Ny malagasy dia misy sombi-tsiky foana eamin'ny tarehiny ary manana fomba fijery ("regard") tony lalandava. Tena harenantsika io ka tokony ho tsapantsika ny halaliny. Tena rare dia rare ohatra ny mahita endrika mirana rehefa mandeha any amin'ny tany occidental izany.

Ary ny tena mahatsikaiky dia rehefa miaraka miasa amin'ireo namana vahiny (occidental eto no tiako tsindrina) dia gaga be ry zareo rehefa misy olana tsy maintsy vahana ka am-pitsikitsikiana no itadiavantsika malagasy ny vaha-olana. Tena tsy mety azon-dry zareo mihitsy ilay tsiky fa indraindray aza raisiny ho "manque de sérieux" ilay izy. Saika nivoana kely fa azfd fa izany rehetra izany dia entiko hilazana fa mbola sambatra isika manana saina, fo, ary fanahy tony ka afaka mamoaka amin'ny alalan'ny fihetsika ny "fiadanana" (mindrana ny voambolan'i moi aho) ao anatintsika.
75. voromailala ( 23/07/2013 15:15)
bandykely> miombokevitra 100% amin'izany zavatra lazainao izany aho.

Araka ny fikarohana dia any bangladesh no betsaka olona sambatra eto antany, nefa anisany tany mahantra indrindra.

Izany akory tsy midika hoe tokony ahantra ny firenena fa misy antony aho matoa ny malagasy any dago mitsikitsiky lava.
76. booboo ( 24/07/2013 08:19)
entre pà raim, nanontaniako ny zanako ity fanontanian'i Bandykely ity, dia ny azy sambatra hono izy rehefa falifaly ny lohany, ny masony, ny sofiny, ny kibony etc. Mahavariana ahy foana ny fomba fahitan'ny kilonga ny fiainana :).
77. pisoonja ( 24/07/2013 08:48)
tena mahafinaritra mihitsy anie ny fisainan-jazakely e, mahastiaro sambatra kosa izy rehefa falifaly ny lohany, tena finaritra ery , aleo zaza ihany amin'izay tretrika ery enao
78. jobiely ( 24/07/2013 08:49)
Ny tena hoe sambatra kosa ngamba tsy hisy satria eo foana ilay antsoina amin' ny terma marketing hoe " besoin de maslow", izany hoe, tsy mety afa- po mihitsy fa te hahita fiainana hafa lavorary kokoa noho ny teo aloha foana. Mety hoe ny olona ety ivelany no mahita hoe sambatra ny olona iray fa ilay olona lazaina fa sambatra dia tsy mahatsapa akory hoe sambatra izy.
79. bandykely ( 24/07/2013 08:50)
booboo> Misaotra e. Tena mahagaga foana marina ny fijerin'ny ankizy ny fiainana: tena marina ny lazainy, valin-teny tsotra dia tsotra tsy ampoizintsika lehibe. Amiko, manaporofo ilay izy fa mbola "pur" sy "mahitsy" ny fitsara/fijery/fanahy/fitenin'ny ankizy.
80. voromailala ( 24/07/2013 09:22)
Ny ankizy mbola madio ny sainy, mbola tsy miasa be ny sainy, noho izany valiteny tsotra sady malalaka no havaliny.

Ny ankizy tsy miasa saina amin'ny fitadiavana vola, amin'ny adidy tokony hatao etsy sy eroa, hifoha maraina manendrika lera any ampesana, fivoriana sns...

Rehefa miverina ankizy isika dia hanakaiky ny fahasambarana, izany hoe rehefa mitony ny saina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132