Safodrano tany Marsa ? - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

Safodrano tany Marsa ?

Lohahevitra : Tontolo iainana
Fitohizan'ny hafatra : Safodrano tany Marsa ?
Valiny : 0
Nehemiah - 01/07/2013 17:24
Nandefa sarin'ny planety Marsa, izay planety akaikintsika indrindra, voa haingana ny saondin'ny Fandraharahanam-pirenena momba ny Fanamboarana Fiaramanidina sy ny Habakabaka any Etazonia (NASA). Nanainga ny manam-pahaizana sasany hametraka soso-kevitra fa nisy Safo-drano nanerana ny planety ka nisokitra ny velaran'i Marsa ireto sary ireto.
Mbola tsy nahitàna rano mitsiranodranoka Marsa hatr@'izao.

Izao no raketin'ny Genesisy : "voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra" (Gen. 7:19).
I Jesoa dia niteny mihitsy, momba ny olona tsy tao anatin'ny Sambofiara, hoe : "tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra" (Mt. 24:39).
Ny rano mitsiranodranoka ety ambonin'ny Tany dia tsy mba manjavozavo tahaky ny any Marsa fa misarona ny 70%-n'ny velarany, ary misarona ny ankabeazan'ny velaran'ny tanety ny vaton-dilatra napetraky ny rano, ka tsy mahagaga ve rehefa tsy eken'ny olona milaza fa mety nisy Safo-drano manerana an'i Marsa (na dia tsy ahitàna rano mitsiranodranoka azy) na kely variraiventy aza ny ankevikevin'ny nitrangan'ny Safo-drano maneran-Tany ?
Valio | Miverina eny ambony