Hono hoy aho ry renim- pianakaviana, mba misy tany...

1. jobiely ( 21/06/2013 12:32)
Hono hoy aho ry renim- pianakaviana, mba misy tany angalana aina ihany ve ianareo misy zazakely ireo rehefa tsy miasa asabotsy sy alahady ?? Tsy fantatro raha izaho no tsy mahay mandamin' asa na ny raharaha ao an- trano no be loatra fa dia tena tonga amin' ilay fitenenana hoe " Miala sasatra hitaon- jezika". Vao lasa nody tamin' ny paska teo ny mpanampy ahy tao an- trano dia tena sahirana mafy aho izao amin'ny raharaha, ny andavan' andro aloha iny efa vitan'ny enjikenjika alohan'ny andeha hiasa maraina sy ny rehefa tonga amin'ny hariva fa ny asabotsy no tena tsy misy tany itombenana. Manasa lamba, mampirin- trano, mikarakara zaza sy manome sakafo azy, indraindray izy mitomany dia ajanona ndray aloha izay atao krrrrrrrr, mahandro sakafo, mandamindamina izay tsy vita rehetra tao an- trano nandritra ny fotoana fiasana ( oh: fafana daholo any ambanimbany zvtr rehetra any, isanadro manko dia izay taza- maso ihany no atao satria tsy araka), mikarakara kely ny vatako ( ny fanasana loha sy ny fanaovam- bolo). Hariva ny andro vao vita ireo rehetra ireo, izany mba hatoritory atoandro dia nofinofy fotsiny lol, rehefa alahady indray moa mandeha mivavaka dia atoandro be vao tonga ( @ 12.30 na @ 1 ora). Avy misakafo dia mipasoka indray, mampanao devoir ny mpianatra, mikarakara ny fiasana sy ny fianarana ny alatsinainy, manao sakafo hariva, dia hariva indray ny andro dia hiasa indray mandritra ny herinandro dia mitohy ny rithme. Ramose aloha mba manampy ihany e, fa na dia izany aza mbola sahirana ihany aho. Mba atoroy izay fomba fanaonareo tsy dia manahirana any ry reto fa tena enjana an.
novalian'i tiris8786 ny 20/03/2015 17:33
2. shannie ( 23/06/2013 04:54)
Bjr Jobiely! tsy ianao irery no tojo toy izany, raha vao tsy mba misy manampy isikao antokatrao ao dia robot kely pahariva andro, zay le oe tsisy tany itombenam-body, miezaka ianao miarina vao maraim-be manao ny raharaha, tsy mipetraka ianao raha tsy alina ny andro. indrindra raha misy zazakely, azoko tsara mihintsy ny mahazo anao satria toa izany iany koa no iainako. ny raharaha atao, ny zaza enjehina, ny sakafo , ny sasalamba sns... ny tena oe formule aloha tsy haiko fa miankina @ tokatrano 1/1 io, ny fahaiza-mandamina no enti-miady fa mahereza. ny asa ao antokatrano no tena enjana noho ny any ampiasana. fa tena tandremo ho antsika renimpianakaviana oe sairana be toy izany dia oe maikamaika haka mpanampy, tandremo fa za efa tena voa, aza mandray azy raha tsy misy taratasy mazava tsara miaraka @ CIN. fa ataony manjifa ny entana valeureux ao aminao, ary toy ny tadio n angalany izany anaty minitra vitsy tsy ampoizinao. mba mailo dia mahereza @ adidy ao antokatrano. mirary soa. atidoha be ny panampy @zao.
3. pisoonja ( 24/06/2013 07:49)
Tena mahazo tombony aza ny vehivavy tsy miasa sabotsy fa ny ahy 6/7 jours , dia tsy misy afa-tsy ny dimanche ihany no ahafahako manao zavatra , izany aza raha misy adidy atao diua 7/7j mihitsy, manana ankizy manampy ihany ny tenako fa misy zaza ka tsy arany ny asa ao an-trano , isaorana an'Atra aloha fa mba hendry le ankizy manampy dia milamina ny saina any am-piasana, tena mafy ny miandry ny renim-pianakaviana.
4. booboo ( 24/06/2013 12:14)
Jobiely > Ary raha maka olona hanasa lamba sy hipasoka fotsiny. Dia miampy manao grand ménage tsindraindray ? Ny zanako t@ mbola kelikely nataoko tanaty écharpe de portage foana dia sady nanao raharaha aho, ilay faravavy mbola babeko tsindraindray rehefa marary ka kizitina iny nefa ny tsy maintsy mikarakara trano koa aho.
Ny ahy ny hitondrako azy araka tenina sefobe akama izay " raha ny skoto no tsy ahafahana manao sipa, ajanony ny skoto ; raha ny sipa no tsy ahafahana manao skoto, ajanony ny sipa " :-D, tout est question d'équilibre amiko manokana. Raha sendra tsy nahavita grand ménage t@ ity herinanandro ity ohatra, tsy olana, takalon'izay aho afaka nanokana fotoana hanaovana activité en famille, hiarahana @ zanako tsiray², hampiarahana @ vady toy t@ mbola mpisipa, ohatra.
Bon courage tokoa (mba mangalà aina tsindraindray fa catastrophique koa anie raha sendra marary eo dia hikorontana @ ilay maha-be kzy ny trano @ zay e hihihihihihi)



5. anjali ( 24/06/2013 12:44)
Jobiely>> Misy soson-kevitra iray koa ity: maninona raha sasana tsikelikely isan'andro ny lamba dia mba tsy manasa ny asabotsy. Na mividy machine à laver raha afaka manao izany. Ny alahady ohatra andrahoina alohan'ny handeha hivavaka ny sakafo dia mihinana fotsiny rehefa avy any ary mba mety afaka maka aina kely ianao. Dia mba miezaka ny alahady ap-m mba atokana hiarahanao @ ankohonanao. Ny devoirn'ny ankizy izany vitaina asabotsy.
Fandaminana ny fotoana fotsiny io dia vita.
6. pisoonja ( 24/06/2013 13:02)
Mety ny soso-kevitrao, tena rehefa miasa dia lasa miafy ny fiarahana @ fianakaviana, tsy maintsy izay koa , soa ny vadiko fa mi comprendre fa indraindray aho malahelo azy ihany hoe tena hadino izy
7. jobiely ( 25/06/2013 08:19)

booboo:

Jobiely > Ary raha maka olona hanasa lamba sy hipasoka fotsiny. Dia miampy manao grand ménage tsindraindray ? Ny zanako t@ mbola kelikely nataoko tanaty écharpe de portage foana dia sady nanao raharaha aho, ilay faravavy mbola babeko tsindraindray rehefa marary ka kizitina iny nefa ny tsy maintsy mikarakara trano koa aho.
Ny ahy ny hitondrako azy araka tenina sefobe akama izay " raha ny skoto no tsy ahafahana manao sipa, ajanony ny skoto ; raha ny sipa no tsy ahafahana manao skoto, ajanony ny sipa " :-D, tout est question d'équilibre amiko manokana. Raha sendra tsy nahavita grand ménage t@ ity herinanandro ity ohatra, tsy olana, takalon'izay aho afaka nanokana fotoana hanaovana activité en famille, hiarahana @ zanako tsiray², hampiarahana @ vady toy t@ mbola mpisipa, ohatra.
Bon courage tokoa (mba mangalà aina tsindraindray fa catastrophique koa anie raha sendra marary eo dia hikorontana @ ilay maha-be kzy ny trano @ zay e hihihihihihi)





Efa nisy ramatoa mpanasa lamba sy mpipasoka mihitsy teo aloha fa nahita asa trano izy dia najanony ilay sasa lamba sy pasoka, mbola tsy nahita solony aho hatram' izao. Marina lé question d' équilibre anao io fa tena tsy araky ny aina mihitsy raha ho atao daholo, dia misotra betsaka amin'ny torohevitra fa misy ho raisina e.
8. pisoonja ( 28/06/2013 13:02)
misaotra daolo ry vehivavy isany dia mazotoa fa tena mizaka ny tsy eran'ny aina anie ilay vehivavy e! izay no ampaherezina antika vehivavy , tsy misy fahafinaretana ho antika afa-tsy ny tsiriritin'ny olona ny tokantrano , manana tokantrano milamina sy vady aman-janaka hendry , dia mirehareha ny vehivahy
courage daholo e, jobiely , booboo, shannie , anjali
9. jobiely ( 01/07/2013 08:37)

anjali:

Jobiely>> Misy soson-kevitra iray koa ity: maninona raha sasana tsikelikely isan'andro ny lamba dia mba tsy manasa ny asabotsy. Na mividy machine à laver raha afaka manao izany. Ny alahady ohatra andrahoina alohan'ny handeha hivavaka ny sakafo dia mihinana fotsiny rehefa avy any ary mba mety afaka maka aina kely ianao. Dia mba miezaka ny alahady ap-m mba atokana hiarahanao @ ankohonanao. Ny devoirn'ny ankizy izany vitaina asabotsy.
Fandaminana ny fotoana fotsiny io dia vita.

Efa nosasako tsikelikely ihany izy teo fa enjikenjika be lé alohan'ny andeha hiasa, sady lé mifoha maraina amin'ny andro mangatsika ko tena krrrrr. hihihi, Ny alahady nenay d efa ôtran' io teneninao io mints ny anaovana ny sakafo.
10. jobiely ( 01/07/2013 08:47)

pisoonja:

misaotra daolo ry vehivavy isany dia mazotoa fa tena mizaka ny tsy eran'ny aina anie ilay vehivavy e! izay no ampaherezina antika vehivavy , tsy misy fahafinaretana ho antika afa-tsy ny tsiriritin'ny olona ny tokantrano , manana tokantrano milamina sy vady aman-janaka hendry , dia mirehareha ny vehivahy
courage daholo e, jobiely , booboo, shannie , anjali

merci pisoonja an, courage ko njy e :)
11. vahiny2004 ( 12/08/2013 09:19)
booboo:

Jobiely > Ary raha maka olona hanasa lamba sy hipasoka fotsiny. Dia miampy manao grand ménage tsindraindray ? Ny zanako t@ mbola kelikely nataoko tanaty écharpe de portage foana dia sady nanao raharaha aho, ilay faravavy mbola babeko tsindraindray rehefa marary ka kizitina iny nefa ny tsy maintsy mikarakara trano koa aho.
Ny ahy ny hitondrako azy araka tenina sefobe akama izay " raha ny skoto no tsy ahafahana manao sipa, ajanony ny skoto ; raha ny sipa no tsy ahafahana manao skoto, ajanony ny sipa " :-D, tout est question d'équilibre amiko manokana. Raha sendra tsy nahavita grand ménage t@ ity herinanandro ity ohatra, tsy olana, takalon'izay aho afaka nanokana fotoana hanaovana activité en famille, hiarahana @ zanako tsiray², hampiarahana @ vady toy t@ mbola mpisipa, ohatra.
Bon courage tokoa (mba mangalà aina tsindraindray fa catastrophique koa anie raha sendra marary eo dia hikorontana @ ilay maha-be kzy ny trano @ zay e hihihihihihi)






juste pour rire :

Ny solution n'ilay hoe sipa / skoto an : bandy skoto no atao sipa , sa ahoana hoy ianao :-P
12. booboo ( 13/08/2013 09:00)
Vahiny2004> solution efa hitan'ny be sy ny bobaka tokoa io ^_^, efa resaka hafa indray izay :-D
13. mirananirina ( 29/08/2013 08:37)
Asa be tokoa aloha ny fikarakarana ny ankizy sy ny tokantrano io, tsy misy fialana sasatra mht na kely aza,(ohatra anay tsy mba manana piasa izany aty) izay foana nampimenomenona ahy taloha raha misy fety sns..hoe tsy afaka mikarakara ny tenako mht aho fa ny famille-ko foana. Rehefa lehibebe indray ny ankizy dia oufff efa mahavita ny tenany aby dia afaka maka fotoana betsaka ho ahy @ izay aho.
Ny hevitra omeko aloha dia izao, eritrereto hoe izaho no mikarakara sy mitaiza ireto, adidiko izay, tsy maintsy ataoko mba ho reharehako rahatrizay, dia tsy kivy na reraka mihitsy ianao manao izany. Rehefa matory maka aina iny ny ankizy dia mba matoria koa, ny tsara dia ny mifoha maraina alohan'izy ireo manao raharaha dia milamina tsara avy eo.
14. vonynive ( 02/10/2013 13:01)
miarahaba
fa tena mandany fotoana lay mandeha miasa sy lay fodiana noho ny fitohanan'ny firakodia, lany 2 ora mandroso, 2 ora miverina, dia lany 4 ora zany ianao, miainga @ 6h30 farafahatarany ny maraina, @ 7 ora hariva vao tonga ny hariva, inona ny sasa lamba vita @ zany
15. jobiely ( 04/10/2013 07:09)

vonynive:

miarahaba
fa tena mandany fotoana lay mandeha miasa sy lay fodiana noho ny fitohanan'ny firakodia, lany 2 ora mandroso, 2 ora miverina, dia lany 4 ora zany ianao, miainga @ 6h30 farafahatarany ny maraina, @ 7 ora hariva vao tonga ny hariva, inona ny sasa lamba vita @ zany

Nenay indray aloha dia flexible be ny lera fidirana sy firavana e, fa na izany aza dia tara iany vao tonga any ampiasana, fa efa nahita mpanasa lamba aho izao dia ts manasa tsony ka, sady tsy araka tsony ko e, sady reraka ny tena, ny asa sy ny zazakely etsy an- daniny mo ny fikarakarana ny tokatrano etsy an- kilany fa tsy maintsy atao daholo reo, tsy misy azo ajanona fa samy ilaina .
16. Isabella ( 17/10/2013 12:29)
Mahatsiaro sambatra iany kay za mahita ny resakareo rehetra ato nefa za mbola be taraina iany any an-trano a,za matsy manana mpanampy sady manao raharaha no mitaiza, midera sy miaiky anareo lou za e, nenà ny raharaha tena tsy voako indrindra ilay manasa lamba fa ny raharaha rehetra ankoatrizay tsy mapan'inona ahy daholo, dia za refa alahady hariva ihany vao mba manao raharaha sy mikarakara tokantrano @ lé miasa, bisous daholo dia mahereza daholo isika reny rehetra e ;)
17. tiris8786 ( 20/03/2015 17:33)
e e e ianareo aza mba manana mpiasa fa ny vehivavy miasa aty ivelany dia manao ny rehetra. Miasa koa ny tenako sy manan-janaka fa dia mitovy daholo e ary efa mitaraina indraindray hoe tsy mba misy andro tsy hanaovana raharaha ve rey olona fa dia tena efa leo sy vizana.
ny lamba aloha efa mba misy vahaolana satria misy machine dia ny mipasoka tsy atao satria misy machine koa fa avalona ny lamba dia vita. ny sasa vilia no atao isan'andro. ny trano isan-kerinandro ihany. mbola miampy ny fandrahoana sakafo isankariva. ny fijerena ny fianaran'ny ankizy isan'andro etc.
tsy ianao no tsy mahay mi s'organiser fa izay mihintsy ilay fiainana rehefa manambady sy mananjanaka indrindra raha tsy dia be karama loatra dia mbola mieritreritra hoe voaloa ve ny écolages.
vahaolana : tonga dia mahandro misimisy ny asabotsy sy alahady hatao réserves ny la semaine saingy tena tsy lasa indraindray satria lasa eo ambodimpatana ny 2 andronao iray manontolo. omena anjara ataony koa ny vady manampy satria samy vizana. ampianarina tsikelikely ny ankizy manao raharaha mba hanampy anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3552