You are here: home > Forum

samy halatra izao ihany kanefa maninona ny mpanao ...

Lohahevitra : Eritreritra mandalo
Fitohizan'ny hafatra : samy halatra izao ihany kanefa maninona ny mpanao ...
Valiny : 8
alfantomas - 16/06/2013 11:02
samy halatra izao ihany kanefa maninona ny mpanao sinto-mahery teny tsaralalana no sahin'ny vahoaka vonoina nefa ny mpitondra mangalatra amina tapitrisany maromaro no tsy misy sahy miteny?
Valio | Miverina eny ambony
Nehemiah - 17/06/2013 09:42
Satria tsy vitan'ny vahoaka gasy ny maka tahaka ny nataon'i Martin Luther King Jr.
Valio | Miverina eny ambony
pisoonja - 17/06/2013 09:55
ka nsatria ny mpangalatra eny Tsaralalana no ahazoana mampiasa hery fa ny mpitondra fanjakana mangalatra na dia efa te hanao mafy aza ny vahoaka tsy afaka satria mampiasa vola sy fitaovana izy ireo ka hiady @ basy ve ianao ?
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 17/06/2013 17:00
Satria diso adiresy fangalarana ilay mpangaltra ka mahatezitra ny olona, fa tokony tao amin'i rajabaly na tao ambohitsorohitra na teny ambatobe izy no nangalatra fa tsy amin'ilay olona efa zara raha mahita ery... ho ahy aloha dia tsy manome tsiny ny olona aho e..
Valio | Miverina eny ambony
jobiely - 18/06/2013 08:57
satria ny vahoaka nge atody miady @ vato e
Valio | Miverina eny ambony
Nehemiah - 18/06/2013 09:36
Tiako marihina fa i Martin Luther King Jr koa atody niady @ vato nefa nandresy ihany izy, tahaky ny nandresen'i Davida an'i Gôliata.
Valio | Miverina eny ambony
jobiely - 18/06/2013 13:45

Nehemiah
tahaky ny nandresen'i Davida an'i Gôliata.

Davida nge nanana an' A/tra e, ary ny vahoaka malagasy koa ve mba tena mitoky 100 % amin' A/tra sa mitoky @ in ?
Valio | Miverina eny ambony
Nehemiah - 18/06/2013 15:42
Ka izay anie no tsy ahavitan'ny gasy an'izay : satria namotsifotsy an'Andriamanitra
Valio | Miverina eny ambony
hery - 25/06/2013 14:25
Raha tany min'ny Rajabaly na teny Ambohitsirohitra marina no nangalatra ka tsy tratra mety lasa heros mihitsy an lolll.

Valio | Miverina eny ambony