Hanao "isolement magnifique" koa ve ny gasy ?

1. Nehemiah ( 13/06/2013 14:27)
Misy lohahevitra nivoaka voa haingana mitondra ny lohateny hoe "Ny Malagasy sy ny Afrikana no voalohany @ fanaratsiana ny finoan-drazany" na zavata mitovitovy @'izay. Ny tanjoko dia tsy ny hamelabelatra jugement de valeur momba an'izay lohahevitra izay. Izao fotsiny no mahazendana ahy :

F'angaha tsy Afrikana ny Malagasy ???
novalian'i Nehemiah ny 18/06/2013 07:41
2. pisoonja ( 14/06/2013 07:30)
f'angaha tsy tadidinao ny tantara , avy tany Malaisie ny razantsika , ny lakam-piara no nitondra azy teto Madagascar , tsy Africain ny Gasy ka , ary isika koa anie tokony tsy ho continent africain raha ny marina e !
3. Nehemiah ( 14/06/2013 14:28)
Izahay Merina sy ny Vezo ihany no tena idiran'izao, fa ny sisan'izay dia afrikana fiaviana avokoa ny ankabetsahany. Ary ny toetra sy ny kolon-tsaina koa dia azo lazaina fa mitovitovy @ an'ny any @ kontinanta. Ka isika ve mbola hieboebo hoe tsy Afrikana ny gasy kanefa na dia ny Anglisy aza miaiky ny tenany ho Eorôpeana ?
4. sitlo ( 14/06/2013 14:36)
Ny eoropeana no mamaritra ny zava-drehetra.

Rehefa faritan'ny eoropeanina hoe ireto no kantinanta dia izay izany.
Rehefa zarazarainy ny saritanini Afrika hamaritany ny firenena tsirairay avy, dia izay izany.
Rehefa aeliny ny boky mitantara ny andriamaniny, dia izay izany.
Rehefa teneniny hoe izao no sandam-bolany dia izao no sandam-bolanao, dia izay izany.
etsetra etsetra
Ka hoy izy hoe Afrikanina ny gasy dia afrikanina izany.
5. Nehemiah ( 14/06/2013 14:41)
Tsy hitako izay antony tokony hanavakavahantsika an-dry zareo @ kontinanta, izay fotsiny.
6. Nehemiah ( 14/06/2013 14:43)

sitlo:

Ny eoropeana no mamaritra ny zava-drehetra.

Rehefa faritan'ny eoropeanina hoe ireto no kantinanta dia izay izany.
Rehefa zarazarainy ny saritanini Afrika hamaritany ny firenena tsirairay avy, dia izay izany.
Rehefa aeliny ny boky mitantara ny andriamaniny, dia izay izany.
Rehefa teneniny hoe izao no sandam-bolany dia izao no sandam-bolanao, dia izay izany.
etsetra etsetra
Ka hoy izy hoe Afrikanina ny gasy dia afrikanina izany.

De toute façon anie faux raisonnement génétique indray ny anao. Tsy hoe nofaritan'dRakoto na Rabe ny zavatra 1 dia tsy maintsy diso, tsy misy ifandraisany izao.
7. 5laody ( 16/06/2013 11:59)

O ry zalahy a!
nosy akaikin'i Afrika Madagasikara ary ny mponina teto taloha (ny vazimba) no teo talohan'ny mpihavy rehetra. Malagasy daholo isika fa aza alefa lavitra ilay fanavahana. Misy sahy hiteny hoe hiverina any Afrika na Azia ve rehefa tsy faly?

8. Nehemiah ( 17/06/2013 07:41)
Raha izay fisainana izay no arahina dia aleo miverina any Mezôpôtamia mihitsy satria any no nisy an'i Edena :) .

Sao dia tsy azonao ny tiako tenenina. Hoy aho hoe isika dia tsy tokony mamotsifotsy ny Môzambikana na ny Ghaneana na ny Ejipsiana na ny Afrikaners isika nohon'ny fiheveran-diso fa "tsy Afrikana ny gasy".
9. pisoonja ( 17/06/2013 07:59)
amiko tsy ny maha fotsy na ny mainty no ilako fa tsy afrikanina isika fa ny tantara taloha nampianariny anay t@ mbola kely lol!
10. endriny ( 17/06/2013 15:19)
Ny antony nampiasako ny hoe " Malagasy sy ny Afrikanina" dia fanantitraterana fotsiny ihany, toa ny kenianina milaza hoe "Ny kenianina sy ny afrikanina dia..."

[Quote=Nehemiah] Izahay Merina sy ny Vezo ihany no tena idiran'izao, fa ny sisan'izay dia afrikana fiaviana avokoa ny ankabetsahany.[quote]

Izay indray aloha fijerinao manokana izay

Ara-tantara dia tany Antongila no niforonan'ny fiaraha-monina voalohany teto Madagasikara, ankoatry ny firenena vazimba. Dia ahoana no ilazana fa ankoatry ny Merina sy ny vezo dia afrikanina daholo ny fiaviany... sa ilay hoe ny sipa vezo sy merina manjamanja dia tsy mitovy firazanana amin'ny hafa rehetra, tantara efa faha tsiranana no nisy vezo nahazo miss Mada...

Fa ny Tanosy, Vezo, Tandroy, Mahafaly, Sakalava sy ny Bara dia tarika iray ihany avy eny Anosim-borona raha toa ka hazavaina kely fotsiny.

Maro ny boky mitantara ny tantaran'i Madagasikara, fa ireo rehetra ireo dia samy milaza ny fihavian'ny afrikanina teto tamin'ny taon-jato faha 18 sy faha 19
11. Nehemiah ( 18/06/2013 07:41)
Misaotra fa mazava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1104