Genesisy, Evanjely sy ny resaka evôlisiona vs famoronana, fizaràna fahenina

1. Nehemiah ( 29/04/2013 06:04)
Mampalahelo sy mahonena fa hatr@ nivoahan'ny "Origin of Species" dia nanaiky ny evôlisiona ho zavatra narindran'Andriamanitra (évolutionnisme théiste) ny ankabetsahan'ny fiangonana. Efa hitantsika t@ voalohany fa tsy azo ampiarahana ny fotopisainan'i Darwin sy ny finoana kristiana, ary ny mpandà an'Andriamanitra no tena miaiky an'izay.

Raha tsy resy lahatra ianao dia mba vakio kely anie ity filazan'i William B. Provine, mpampianatra haizavamananaina any @ Oniversiten'i Cornell :



Avelao kely aho mba hamintina ny fomba fijeriko momba an'izay lazain'ny biôlôjia evôlisionista mazava tsara... Tsy misy ny andriamanitra, tsy misy antony ny fiainana, tsy misy ny hery izay manana tanjona. Tsy misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Rehefa ho faty aho, azo antoka tanteraka fa ho faty. Tapitra hatreo ny amiko. Tsy misy fotony tena izy ny fitondran-tena, tsy misy dikany ny fiainana ary tsy manana fahafahana misafidy koa ny olombelona.

IZAY, tompokolahy sy tompokovavy, no tena darwinisme tsy misy fangaro. Vonoy ny namanao hitandrovana ny fiainanao ! Izay ihany no mba fitsipika @ fotopisainan'i Darwin. @ fomba ahoana no azo ampiarahana an'izao @ didy 2 lehibe : tiava an'Andriamanitra @ fonao, sainao, fanahinao, herinao manontolo, tiava ny namanao tahaka ny tenanao ? Tsy misy fika ! Mifanohitra tanteraka ny finoana kristiana sy ny fotopisainan'ny evôlisiona !

Kanefa mbola milefitra @ marimaritra iraisana ihany ny fiangonana ! Izao mihitsy no lazain'i Dr Eugenie Scott, filohan'ny Ivontoeram-pirenena ho an'ny Fanabeazana ara-tsiansa any Etazonia (aza mety voafitaky ny anarana ianareo, ny tanjon'ity ivontoerana ity dia ny fampianarana ny evôlisiona tsy misy fangaro ho an'ny ankizy rehetra @ toeram-pampianarana rehetra) hoe :



"Mihevitra ny tenako ho mpandala ny maha-olombelona na tsy mino an'Andriamanitra aho... Ny zavatra tsikaritro dia ekleziastika ny olona tena mafana fo @ fiarovana ny evôlisiona. Rehefa mivory ny biraon-tsekoly dia mitovy lanja @ hevitry ny mpahaiaina 2 ny hevitry ny mompera 1.
[...]
Ny mampitovy antsika mpandà an'Andriamanitra sy ny mpitondra fiangonana dia tiantsika ho ampianarina @ sekolim-panjakana ny evôlisiona."

Asio maso kely ny fandaharam-pianarana histo-géo @ 6e sy ny SVT @ 2de-1e-kilasy famaranana dia ho hitanareo fa efa tanteraka ny faniriany :$. Ny fandaharam-pianarana vahiny moa dia efa tsy resahana intsony.
novalian'i Nehemiah ny 30/04/2013 06:37
2. Nehemiah ( 29/04/2013 06:09)
[color=maroon)Ity no rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :[/color]

http://forum.serasera.org/forum/message/m517bda0cbb11c
3. Nehemiah ( 30/04/2013 06:37)
Ity indray ny rohy mankany @ fizaràna manaraka

http://forum.serasera.org/forum/message/m517f65b1ae752
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1538