zany ony e

1. milamm ( 28/04/2013 14:33)
Indray takariva nandrahona
Nanao techno ony ny sahona
Ravoalavo moa nanao blozy
Tango ny an'ny totozy

Hip Hop no iangaliany kalalao
Kadradraka tompony afindrafindrao
Fety dia fety tokoa
Nivanaka hatramin'ny kisoa

Nitapolaka koa ny katsatsaka
Nahita ny vitsika dia latsaka
Kizomba moa ny kiva
Sifaka mandihy lambada

Tsapiky talentany trondro
Kilalaka indray ny tarondro
Nisomonga @ rock ny gisa
Nitehaka ny nataony sisa

Fa ny zavatra iray mampime
dia ilay kankana nandihy reggae
ny saka mirevy sega
rabitro maka tsy taitra salsa...


tohizo hafa indray anareo...

novalian'i milamm ny 01/06/2013 00:06
2. 5laody ( 02/05/2013 12:50)
Sali daholo e!

tadidinareo ve ity?
3. 5laody ( 02/05/2013 13:03)
4. 201007jacky ( 07/05/2013 14:42)
Ny tantely no nitendry farara
Amina elatra roa maramara
rangidina mitendry gitara
Rajorery amin'ny feo mitarara

Ilay baka no feo fahaefatra
Mitsangana fa tsy mipetraka
Fa ten talentan'ny amboa
Ny mitana ny feo faharoa

Ny lalimang hoa haf ihan ny pasiny
fandefasan-drivotr fôn no sasiny
Fa ramoka no manao ny sesiny
dia raikitr ho az ny fetiny



5. 5laody ( 07/05/2013 15:03)

  1. Indray takariva mandrahona
  2. nanao vetaveta ny sahona
    hoy ny lahy eo ambony
    mba aiza ny lavak'itony
    miteny ny vavy ao ambany
    tsapatsapao f'ao ihany


Tonony: tsy fantantra, Feony: ianao.
6. milamm ( 16/05/2013 00:02)
sotsa bobaka antsika fa aleo ijanona madio le tafasiry tsikitsiky de aleo itohy...

Ny pirina moa nisolitika
niotsakotsana sady nipitika
Revy tsy nisy ohatr'izany
ny sokona aza lasa vinany
7. milamm ( 16/05/2013 00:35)
fa aiza ianareo kay
no tsy ita ry ay- ay
tsy arakay kosa le gadona
mitolantsika tsy misy sampona

Raha dihy soroka sy latsy tanana
ny rajako no tena avanana
iza indray no manaraka
ho jerena toy ny fitaratra



8. milamm ( 31/05/2013 20:58)
ao daholo ve ny mpankafy manontolo
na ny salama na ny mifofo volo
ireo variana nihaza na ireo avy niasa ?
lanonana tsy tapitra, arahina mozika sy tafa

tsy nisy sarampidirana fa maimaimpoana
hipoka sy feno ny kianja babangoana
namaky sehatra rafamakiloha
nively amponga ny tanany roa

sahona manamafy ny angorodao
minotsoka mafy koa ny kalalao
misodika mangina ny feon-dokanga
nandihy koa ny akoho narahiny akanga

ravo sy faly ireo tia lanonana
hatramin'ny maraina sy mitaovovonana
lasa ny mamba nisosoka ny voay
nanao hira gasy amin'izay ny ankoay

na ireo mailaka na miveravera
niditra antsehatra sao tara lera
toy ny foza mitaredretra
mailaka ny fosa niakatsehatra fa tsy voafetra

Nandray anjara koa moa ny jorery
fa tsy variana nijerijery
notohizan'ireo mpitendry valiha
nitsinjaka hatramin'ny saka an'Ambanidia

Ela ny ela niposaka ny masoandro
Reraka moa ny matoriandro
Namonjy fodiana ny iray tanana
nangorona entana ny gisa sy gana...
...Misaotra antsika nanaraka ny korana.

milamm










9. milamm ( 01/06/2013 00:06)
rakitsary voaangona vitsy nandritra ny lanonana

lehibeny orkestra nanafana ny lanonana


sahona nanao techno


/m/10ac1c40cd154eaab799b644d1e4a1ff.jpg">

totozy sy ny blozy


rabitro sy ny salsa


kiva sy ny kizomba


kankana nandihy reggae


gisa nisomonga @ rock


velon-tehaka ireo kisoa


baka efatra nanao feo faha-efatra


rajako mpiziva latsy tanana


talenta samy hafa ny amboa


aza adino rafamakiloha nanokatra sehatra aloha


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3639