Vato mikiky : mifanohitra amin'ny Safo-drano ve ?

1. Nehemiah ( 12/04/2013 06:27)
Efa mba nahita olona mampiasa kiaka anaty vato mba hanaporofoana ny tsy fisian'ny Safodrano ve ianao ?

Matetika dia glacier migorisa moramora ambony vato no mahatonga an'ireo kiaka ireo. Nohon'izany, rehefa mahita vato misy kiaka ny mpahaibolantany (géologues) dia milaza izy ireo fa glacier no nahatonga azy. Misy kiaka ny vaton-dilatra napetraky ny Safodrano t@ andron'i Noah. Manizingizina ny mpahaibolantany mpandala evôlisiona fa porofon'ny âges de glace maromaro izao, ka manantitra izy ireo fa manaporofo fa tsy afaka nametraka an'ireo vato ireo ny Safodrano izay naharitra herintaona "monja".

Kanefa efa fantatra ankehitriny fa miteraka kiaka mitovy @ kiaka ataon'ny glacier an-tanety koa ny fihintsanan-tany ambany ranomasina. Tokony fantatra koa fa tsy mitovy ny endriky ny kiaka ateraky ny glaciers ankehitriny sy ny kiaka naterak'ireny "âges de glace" ireny, ka aza avela hikiky ny fahatokisanao ny tenin'Andriamanitra ireo kiaka anaty vato ireo ;).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3967