Entropie génétique

1. Nehemiah ( 10/04/2013 05:43)
Tsy mba fideràna ny fiantsoana olona 1 hoe "sampona" satria ny sampona, izay "diso kôpia" ao anatin'ny ADN, dia matetika dia matetika fahavoazana. Raha ny marina dia betsaka ny sampona izay fantatsika avy @ aretina aterany, sady @'izay mainka ho 100 ny sampona vaovao mipoitra ao anatin'ny ADN'olombelona isaky ny taranaka. Namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Genetic Entropy and the Mystery of the Genome" vao haingana ny prôfesora John Sanford izay nampianatra tany @ oniversten'i Cornell taloha. Maneho ny lanjan'izao olana izao ny boky : asehony fa mihasimba haingana ny fahalalàna ao anatin'ny fototarazon'ny olombelona.

Kanefa mahagaga ihany izany, satria, raha ny an'ny fotopisainan'ny evôlisiona, ny sampona omban'ny fifantenana voajanahary no fizotra mampipoitra fahalalàna ara-pototarazo vaovao. Ka raha tsy hain'ny sampona sy ny fifantenana ny mitahiry ny fahalalàna izay efa ao anatin'ny ADN, sarotra ny maka sary an-tsina ny fomba nipoiran'izao fahalalàna vaovao izao aloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2154