Tany natao indrindra ipetrahan'ny zavamananaina

1. Nehemiah ( 04/04/2013 06:49)
Raha afaka misafidy ny planety tianao onenana, ny aiza no safidianao ? Raha izaho aloha dia maka ny Tany ihany, satria tena hoatran'ny natao indrindra mba hipetrahan'ny zavaboary ilay izy. Na ny halavitry ny Tany @ Masoandro, na ny gravite-ny, na ny fiankinany @ lemaky ny ekliptika, na ny champ magnétique aterany no zohina dia tsy azo ihodivirana ny tsoa-kevitra : natao indrindra mba ipetrahan'ny zavamananaina ny Tany.

Maro ny olona izay mieritreritra an'izay ho porofon'ny fisian'ny Mpamorona, ary rariny izany. Nefa tsy mety mino ny sasany. "Raha tsy nahatanteraka ny fepetra rehetra ipetrahan'ny zavamananaina ny Tany", hoy izy ireo, "dia tsy ho eo antsika, ka porofo izany fa tsy voatery hisy ny Mpamorona !" Kanefa mba mahafa-po ihany ve izay valiny izay ? Ataovy sary an-tsaina anie : voaheloka ho faty ianao dia tifirin'ny rezimantana miaramila mahay mitifitra tsara, nefa tsy misy mahavoa anao ny bala. Raha anontaniako anao hoe nahoana ianao no mbola velona ka avalinao hoe : "Raha maty aho dia tsy mba mijoro eo anoloanao hitantara an'izay anao !" dia mino tokoa ve ianao fa ho afa-po @'izany fanazavàna izany aho ?
Torak'izay koa dia tsy hain'ny mpandà an'Andriamanitra ny manome valiny mahafa-po ho an'ny antony mahatonga ny Tany ho toa natao indrindra hibata fiainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1705