Dinôzôra misy volomborona

1. Nehemiah ( 02/04/2013 15:03)
Mino aho fa efa mba naheno na namaky ny mombamomba ny dinôzôra misy volomborona ianareo, raha tsy hoe nivelona tao anaty zohy ny sasany tato ho ato. Hoatran'ny henohenontsika foana fa nivoatra avy t@ dinôzôra ny vorona. Raha mbola mitohy izao dia angamba tsy hahandro akoho rony sy akoho sôsy ny gargôty fa dinôzôra rony sy dinôzôra sôsy.

Kanefa tsy mba ny manam-pahaizana mpandala evôlisiona rehetra no manaiky an'izao dôgma dinôzôra-miteraka-vorona izao. Anisan'ny tena misongadina @ dia ilay mpahaivorona (ornithologue) fanta-daza Alan Feduccia.

Hoy izy hoe : "The theory that birds are the equivalent of living dinosaurs and the dinosaurs were feathered is so full of holes that creationists will all jump over it."
Nanamafy izy hoe : "With the advent of feathered dinosaurs, we're truly witnessing the beginning of the meltdown of the field of paleontology."

Ho diso fanantenana ireo izay mikaroka porofon'ny nivoaran'ny vorona avy t@ dinôzôra, satria efa niteny i Andriamanitra Andriananahary fa noforoniny talohan'ny biby mandeha ambony tany tahaky ny dinôzôra ny vorona (Gen 1).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.141