Fanazavana ny Bibidia faharoa

21. RBNIR ( 25/03/2013 10:34)
3- hanova ny lalàna sy ny fotoana izay napetrak'Andriamaintra izy (ny tena hisongadina @ izany dia ny fanafoanana ny fitandremana ny Sabatan'i Jehovah na ny andro fahafito).
Hisy araka izany vala (fanjakana) iray lehibe hotarihin'io bibidia io ary ny asan'io fanjakan'i bibidia io dia ny hanantateraka ireo zavatra telo voatanisa eo ambony ireo.

Sary otran'izany no asain'ilay bibida faharoa apetraka amin'ny firenena tsirairay.
Hisy vala kely maromaro hajoro isaky ny firenena tsi11 avy ary ny asany dia tsy miova fa ireo asan'ny bibidia anakitelo ery ambony ery ireo ihany : 1- Hiteny ratsy an'Andriamanitra 2 Hanenjika sy hamono ny olona hitory ny fahamarinana ao @ ilay fitoriana lehibe farany .
3- Ary hanova ny lalàna sy ny fotoana izay napetrak'Andriamaintra (indrindra ny fandraràna ny olona tsy hitandrina ny Sabata na andro fahafito).

Inona indray kosa no dikan'ny apok.13:15?
« Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia. » (Apok. 13:15)

1- Navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia ilay bibidia faharoa = hanohana @ fomba rehetra ireo vala kely mitovy @ valan'ny bibidia ireo ilay bibidia faharoa (fikambanamben'ny filoham-pirenena hoy aho).
2- mba hahateny ny sarin'ny bibidia = rehefa voatohana tsara ireo vala kely (sarin'ny bibidia) dia hahazo aina, ka hiroborobo. Hahazo vahana ka dia izireo indray no hiteny sy hanamafy fa 2a "devoly no mitarika ireo olona hitory ao @ ilay fitoriana lehibe farany,
2b tokony hohenjehina sy hovonoina ireo olona ireo
2c tokony tsy hotandremana ny didy intsony ny Sabata sy ireo didy rehetra izay hovain'ilay bibidia.
Fehiny, nomena aina mba hiteny (izay no mission'ireo sarin'ny bibidia ireo)

3 - ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia = izay rehetra tsy mety hiangona (hiankohoka) ao @ ireny vala kely (sarin'ny bibidia) ireny dia hovonoina.

Izay no momba ny sarin'ny bibidia ry namana isany, raha sitrapon'ny Tompo dia mbola hotohizana ihany......

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
22. RBNIR ( 25/03/2013 19:34)
Dia mbola faly misera hatrany ry namana isany,
Misaotra ny Tompo mbola avelany hanohy eto indray,
Ny sarin'ny bibidia (voalohany) no hitantsika farany teo, izay tsy inona akory fa ireo vala kely asain'ny bibidia faharoa (=fikambanamben'ireo filoham-pirenena) hatsangana isaky ny firenena tsi11 ary tohanan'izireo (=homeny aina) mba holasa mpitondratenin'ilay bibidia voalohany any amin'ny mponina rehetra maneran-tany (=mba hiteny).
Teren'izireo (ireo filoham-pirenena) hiditra ao anatin'ireny vala kely (= terena hiankohoka) ireny ny mponina rehetra ambonin'ny tany raha tsy izany dia hovonoina.
Eo indrindra isika izao: Apok.13:16,17
Terena ihany koa ny olona rehetra handray ny mariky ny bibidia. Izay tsy mety mandray dia tsy hahazo hividy na hivarotra.
Inona ary ny mariky ny bibidia???
Puce electronique (na implant) hoy ny namana maranatha, tena izay marina v no izy?
Tsy manana avaly aho namana fa aleho izay nampianarin'i Jesosy araka ny baiboly ihany no hamaliantsika azy.
Ny fanafoanana ny fitandremana ny sabata hoy aho no anisan'ny didy lehibe avoakan'ilay bibidia voalohany.
Misy antony manokana v izany??
Eny misy antony lehibe tokoa raha araka ny baiboly.
Inona moa ny lanjan'ny fitandremana ny Sabatan'i Jehovah raha araka ny baiboly?
« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eks.31:13)
« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eks.31:17)
« Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. » (Ezek.20:12)
« Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Ezek.20:20)

Naverimberina ao anaty baiboly fa ny fitandremana (na fanamasinana) ny andro Sabata (andro fahafito) dia mba ho famantarana ho amin' i Jehovah Andriamanitra sy ny olony.
Izay hoe raha adika dia ny marika apetrak'i Jehovah Andriamanitra @ olony dia ny fitandremana na fanamasinana ny Sabatan'i Jehovah.
Ny olona misy marika ihany no ho fantatry ny tompony fa izay tsy misy kosa dia tsy ho fantany.
Izay ihany koa no nahatonga an'i Jesosy niteny ireo olona ao amin'ny Mat.7:23 hoe "tsy mba fantatro akory ianareo. ka na dia naminany na nanao asa lehibe tamin'ny anarany aza ireo olona ireo dia "tsy fantany satria tsy nanana ilay marika famantarana teo amin'i Jehovah Andriamanitra sy olony.
Ny devoly moa dia mpamono olona hatramin'ny voalohany, koa dia izay no antony hanirahany ny bibidia mba hamono ny marik'Andriamanitra @ olona (hodidiny ny olona tsy hitandrina ny Sabata intsony mba tsy hisy famantaran'Andriamanitra azireo intsony ka ho very ireo olona ireo).

Tsy vitan'izay anefa fa mpamitaka ihany koa ny devoly sady mpangalatahaka,
Noho izany rehefa hofafany ny marik'i Jehovah Andriamanitra eo amin'ny olona dia ny marika avy aminy indray kosa no hapetany.

Raha Sabata no marik'i Jehovah, ny azy indray kosa dia ny alahady no handidiany ny olona ho andro hivavahana (efa nisy io tamin'ny andron'ireo kristianina tany amboalohany ary averin'ny devoly indray rehefa hanjaka ilay bibidia). http://fr.wikipedia.org/wiki/Sabbat_(christianisme)
L'empereur romain Constantin Ier, converti au christianisme, appréciait également le culte solaire3. Il imposa le dimanche comme jour de repos dans l'Empire romain par décret le 7 mars 321. Ainsi le jour du soleil chez les romains devient le jour du seigneur. Samuele Bacchiocchi montre l'importance du culte solaire dans le choix du dimanche.
Hiverina indray io decret io rehefa hanjaka ilay bibidia voalohany ary ireo bibidia faharoa sy ny sarin'ny bibidia kosa no ho mpanantateraka izany manerana izao tontolo izao.

Ny atao hoe mandray mariky ny bibidia eo amin'ny handriny dia manaiky amin'ny sainy fa tokony ny andro alahady tokoa no andro tokony hotandremana.
Ny atao hoe mandray mariky ny bibidia eo amin'ny tanany an-kavanana kosa dia ny mitandrina ny andro alahady andron'Andriamanitra tokony hotandremana (izany hatsahany tsy hiasa ny tanany (izay manavanana azy) amin'ny andro alahady).
Ny mahasamihafa ireo dia ilay mandray marika eo amin'ny handriny mety mbola miasa ihany rehefa alahady fa saingy manaiky amin'ny sainy fa ny alahady tokoa no tokony ho andro hitsaharana.
Ary raha mandeha mivavaka ireo karazany 2 ireo dia tsy mba any amin'ilay valan'ny fahamarinana no halehany fa an'ny amin'ny valan'i bibidia na any amin'ireo vala kely (sarin'i bibidia)

Dia izay indray kosa no mikasika ny mariky ny bibidia.....
Hatreto aloha dia mbola tsy voalaza mihitsy hoe iza na iza ilay bibidia voalaohany....

Saingy ity misy hafatra.

Ny bibidia voalohany dia mbola tsy fantatra hoe iza, saingy ny fanjakany kosa dia efa manomboka arafitr'i satana ankehitriny.
Raha izao ny olona iray no mibebaka mikasika amin'ny sabata, dia mbola mivoha ho azy ny varavaram-pahasoavana.
Fa raha miziriziry tsy miova @ heviny kosa izy dia ho mora amin'ireo bibidia roa sy ireo sarin'y bibidia ireo ny hamitaka azy amin'izany andro izany.

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina.....

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
23. RBNIR ( 26/03/2013 03:00)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,
Hofitiniko ny zavatra rehetra nozaraiko teto mikasika ireo bibidia 2, nefa alohan'izany dia tiako ny manamarika eto fa tsy ho voalaza eto ilay bibidia voalohany (aleo atao lohahevitra iray hafa mihitsy fa mbola lavalava koa ny momba azy io),
Raha fitininina ary dia izao :
Hisy olona iray (bibidia voalohany) hofidian'i satana hisandratra avy @ vahoaka maneran-tany ka hitondra fanjakana (vala B) iray izy io ka ny missiony dia hitsangana hanohitra ilay FITORIANA LEHIBE FARANY izay mbola ho avy (tsy havela hotoriana ny fahamarinana sao hovoavonjy avokoa ny olona rehetra).
Zavatra 3 no hataony amin'izany (Dan.7:25) 1- Hiteny ratsy ratsy an'Andriamanitra ka hilaza fa devoly no mitarika ireo olona hitory ao @ ilay fitoriana lehibe farany 2- Hanenjika sy hamono ireo olona hitory ny fahamarinana ireo izy ary 3- hanova ny lalàna sy ny fotoana napetrak'Andriamanitra izy indrindra indrindra ny fanovana ny andro tokony hotandremana ho andro voalohany (alahady) fa tsy andro fahafito (Sabatan'i Jehovah).
Tsy ho vitan'ilay bibidia voalohany irery anefa izany koa dia hifidy ilay bibidia faharoa (ireo filohampirenena rehetra @ izany fotoana izany) indray ny dragona hanampy azy. Horesendrizareo lahatra @ alalan'ny famatarana mandainga (avy @ devoly fa tsy avy @ Andriamanitra) ireo filohampirenena ireo ary rehefa resy lahatra dia hafindrany @ izireo koa ny fahefana nomena ilay bibidia voalohany mba hahafahan'izireo (ireo filoha ireo) handresy lahatra kosa ireo mponina rehetra manerana izao tontolo izao @ alalan'io famantarana lehibe mandainga avy @ devoly io.
Rehefa vita izany dia asain'io bibidia faharoa io (ireo filoha ho aho) manao sary ho an'ilay bibidia voalohany ireo mponina rehetra manerantany (vala kely maro dia maro) izay hamita ireo mission 3 n'ny bibidia voalohany any @ firenena tsi11 avy.
Hotoanan'ilay bibidia faharoa (homeny aina) tsara ireo sarin'ny bibidia ireo mba ho lasa mpitondratenin'ilay bibidia voalohany (mba hiteny hoy ny soratra masina) any @ firenena tsi11 avy. Ary izay tsy manaiky hiditra (hiankohoka) @ ireo vala kely ireo dia hovonoina.
Hopetahina marika ihany koa ny olona rehetra ka izay tsy manaiky dia tsy hahazo hividy na hivarotra.
Hovonoina @ olona ny marika famantarana eo amin'i Jehovah Andriamanitra sy olona (fitandremana ny andro fahafito na sabatan'i Jehovah) ary homena marika vaovao indray kosa ny olona dia ny fitandremana ny andro alahady. Hisy araka izany ireo izay handray marika eo amin'ny handriny (ireo izay manaiky amin'ny sainy fa ny alahady marina no tokony hotandremana fa tsy ny sabata) hisy kosa ireo izay handray amin'ny tanany ankavanana (ireo izay mitsahatra tsy miasa ary manamasina ny andro alahady kosa indray).
HAFATRA LEHIBE RY NAMANA ISANY MIBEBAHA KA MIVERENA DAHOLO AMIN NY SABATAN I JEHOVAHA FA RAHA MIZIRIZIRY ISIKA DIA HO MORA AMIN IREO BIBIDIA IREO NY HAMITAKA ANTSIKA AMIN IZANY FOTOANA IZANY. KA NA HO TIANTSIKA NA TSY HO TIANTSIKA DIA TSY MAINTSY HANDRAY NY MARIKY NY BIBIDIA ISIKA RAHA TSY MIBEBAKA DIENY IZAO.
VONINAHITRA HO AN ANDRIAMANITRA IRERY IHANY.
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA ARY IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.

Samia hotahin'ny Tompo daholo
24. smileyah ( 26/03/2013 07:18)
Mbola haveriko ihany: Ny fisian'ireo olomasina izay nanamasina ny andron'ny Tompo dia ny Alahady, dia porofo mivaingana ho anay ary mankahery anay tsy hivadika na oviana na oviana.
Ary efa voasoratra hoe: mitandrema ianareo sao ho voafitaka, fa any aoriana any dia ho maro ny hilaza hoe: aty aminay ny Kristy. Miorena mafy, fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.
Efa nomen'Andriamanitra ireny olomasina ireny mba ho famantarana sy ho ohatra ihany koa @ fanarahan-dia an'i Kristy.
Efa voasoratra ihany koa fa eo ambony vatolampy dia i Piera no hanorenany ny fiangonany. I Jesoa no lohany ary ny kristianina tsirairay no mandrafitra ny tenany. Ary i Piera no mpamahana, araka ny tenin'ny Tompo hoe: fahano ny zanak'ondriko, fahano ny reny ondriko.
Ny atao hoe mino an'i Kristy dia izay mihaino ny feony sy mitandrina azy. Araka ny lazainy hoe: Izaho dia mahalala ny ondriko ary izy ireo mahalala ahy.(Izy mahalala ny feoko ka manaraka ahy).
Efa voasoratra ihany koa fa aza manaraka ireny ianareo fa ny kibony no ataony ho andriamaniny.
25. RBNIR ( 26/03/2013 07:29)
smileyah:

Mbola haveriko ihany: Ny fisian'ireo olomasina izay nanamasina ny andron'ny Tompo dia ny Alahady, dia porofo mivaingana ho anay ary mankahery anay tsy hivadika na oviana na oviana.
Ary efa voasoratra hoe: mitandrema ianareo sao ho voafitaka, fa any aoriana any dia ho maro ny hilaza hoe: aty aminay ny Kristy. Miorena mafy, fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.
Efa nomen'Andriamanitra ireny olomasina ireny mba ho famantarana sy ho ohatra ihany koa @ fanarahan-dia an'i Kristy.
Efa voasoratra ihany koa fa eo ambony vatolampy dia i Piera no hanorenany ny fiangonany. I Jesoa no lohany ary ny kristianina tsirairay no mandrafitra ny tenany. Ary i Piera no mpamahana, araka ny tenin'ny Tompo hoe: fahano ny zanak'ondriko, fahano ny reny ondriko.
Ny atao hoe mino an'i Kristy dia izay mihaino ny feony sy mitandrina azy. Araka ny lazainy hoe: Izaho dia mahalala ny ondriko ary izy ireo mahalala ahy.(Izy mahalala ny feoko ka manaraka ahy).
Efa voasoratra ihany koa fa aza manaraka ireny ianareo fa ny kibony no ataony ho andriamaniny.

Faly miarahaba namana,
Vonona hitana sabatra sy antsy ary basy v namana ka hanampy ilay bibidia @ fanenjehana ireo olomasin'ny Avo indrindra???
Hovoizina indray mantsy ny croisade fahiny ary betsaka no hohampangaina fa mpamosavy sns.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana
26. Maranatha ( 26/03/2013 07:36)

RBNIR:

...
Puce electronique (na implant) hoy ny namana maranatha, tena izay marina v no izy?
....

Mitady tsy hahay handray ny namana izany. Tsy nilaza aho fa io no marika ny bibidia. Hentina hanamafisana ny marika hoy izaho. Ny mariky ny bibidia dia ny alahady.
http://forum.serasera.org/forum/message/m5149a3bb889a5
27. smileyah ( 26/03/2013 07:43)
Sokafy tsara ny masonareo fa iza izao no enjehina ary iza no mpanenjika?
Vakio tsara daholo koa ny dinika eto. Dia lazao hoe iza no enjehina?
Fa efa voasoratra hoe: ny mpanompo tsy ambonin'ny Tompony na oviana na oviana.
Ary raha mba manara-baovao koa ianareo dia iza no enjehina maneran-Tany? Raha tsy hilaza ny tany Ejipta aho?
28. RBNIR ( 26/03/2013 07:54)

smileyah:

Sokafy tsara ny masonareo fa iza izao no enjehina ary iza no mpanenjika?
Vakio tsara daholo koa ny dinika eto. Dia lazao hoe iza no enjehina?
Fa efa voasoratra hoe: ny mpanompo tsy ambonin'ny Tompony na oviana na oviana.
Ary raha mba manara-baovao koa ianareo dia iza no enjehina maneran-Tany? Raha tsy hilaza ny tany Ejipta aho?

Eny ary fa aleo ny ho avy no hanambara azy, mbola tsy manomboka ilay fitoriana lehibe farany namana, ary ilay bibidia koa mbola tsy mandray fanjakana.
Nefa vakio tsara ihany ireo hafatra nambarako teo satria hitako fa raikitapisaka ao amponao ny fitiavanana ny fivavahana alahady,
Tsy nitsara an'iza na iza aho ary tsy mbola nanonona koa hoe iza no bibidia voalohany mety nahatsiaro voakasika ngamba ianao matoa nandefa hafatra toy io.
Na izany aza rehefa misy izany dia fadio ny handray antsy, basy ary famaky, ary fadio koa ny miampanga lainga olona raha sendra ho tonga izany.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
29. smileyah ( 26/03/2013 08:06)
Ny mahavoa antsika dia ny sakamandimby @ masontsika tsy hitantsika velively ka mahatonga ny tsikera .Tsy ao anaty saiko velively izay lazainao fa ianao no manambara tena sahady sy milaza mialoha. Efa nambarako fa ny mariky ny bibidia amiko dia ny karazam-pahotana rehetra. Koa iza izany ny mitondra ny mariky ny bibidia araka ny eritreritro?
Sao dia ianareo no miapanga lainga eo ka ny olona no lazainao fa manao izany?
Hatramin'izao mantsy dia toa fitsikerana foana no fahitako izay ataonareo ka milaza ianao fa tsy mitsara.Matoa mitsikera dia mihevi-tena ho manana ny marina ka mahatonga fitsarana ny hafa. Sa ahoana ny fampianaranareo ny mpanaradia anareo momba ny fitsikerana?
30. Maranatha ( 26/03/2013 08:08)

RBNIR:

...
Hovonoina @ olona ny marika famantarana eo amin'i Jehovah Andriamanitra sy olona (fitandremana ny andro fahafito na sabatan'i Jehovah) ary homena marika vaovao indray kosa ny olona dia ny fitandremana ny andro alahady. Hisy araka izany ireo izay handray marika eo amin'ny handriny (ireo izay manaiky amin'ny sainy fa ny alahady marina no tokony hotandremana fa tsy ny sabata) hisy kosa ireo izay handray amin'ny tanany ankavanana (ireo izay mitsahatra tsy miasa ary manamasina ny andro alahady kosa indray).
....


RAha io fomba fanazavan'i namana RBNR io izany dia vao havoaka ilay marika vaovaon'ny bibidia dia ny alahady. anefa izany efa ela no nataony vao niova ho kristiana fotsiny i Costatin dia efa nanomboka navadiny ho alahady ny andro fitsaharany.
Fa fanontaniana hapetraka aminao dia hoe ahoana no hahafantaran-dry zareo fa alahady ity olona ity no mivavaka na sabata???? satria izay tsy manana ilay marikany dia tsy mahazo mividy na mivarotra???
Eo ry namana no ampiasaina ilay Puce a!ho fantatra amin'io puce io avokoa ny momba ny tsirairay avy. ho hita eo izy na mankaiza izy ireo @ sabata na mankaiza??
Ilay puce akory tsy hoe io no mariky ny bibidia fa fitaovana entiny hijerevana izay tsy manaiky ny marika izay nataony io.
Tsy hiisy vala ho foronina izany intsony fa ireny fiangonana alahadiste ireny ny vala. Ny mpino tso-po ao anatin'ireny dia asain'i tsitoha mivoaka tao mba tsy hiombona ota aminy( Fandikana ny didin'i tsitoha)
FAnontaniana apetrako aminao manaraka:NAhoana no tsy sahy tonga dia milaza mibaribary ny anaran'ireo bibidia hianao??? satria matahotra ny fanenjehana??? Tsy ho avy mihintsy ny Tompo raha tsy efa manomboka ny fanenjehan' ireo izay mijoro ny @ didin'i Tsitoha.

Betsaka ny marina hitovizan-tsika fa misy kely ihany indro kely tsy hitovizana. Izahay tsy mitondra anaram-piangonana hitoriana ny hafatr'ireo anjely telo. Tsy miaro ny Dogma izay foronin'ny fiangonana. Fa miaro sy mitory kosa ny fahamarinana izay tena nomen'i Tsitoha . manongotra izay tsy nambolen'i Ray izahay.

RAha te ho any an-danitra dia ny fampianaran'i Tsitoha no voizina. Tsy mila tombotsoa ara-nofo avy ao ampiangonana. Ny Tompo mahalala izay hahatsara anao. FA katsaho tsara aloha ny marina dia izay toriana.
31. RBNIR ( 26/03/2013 08:17)

smileyah:

Ny mahavoa antsika dia ny sakamandimby @ masontsika tsy hitantsika velively ka mahatonga ny tsikera .Tsy ao anaty saiko velively izay lazainao fa ianao no manambara tena sahady sy milaza mialoha. Efa nambarako fa ny mariky ny bibidia amiko dia ny karazam-pahotana rehetra. Koa iza izany ny mitondra ny mariky ny bibidia araka ny eritreritro?
Sao dia ianareo no miapanga lainga eo ka ny olona no lazainao fa manao izany?
Hatramin'izao mantsy dia toa fitsikerana foana no fahitako izay ataonareo ka milaza ianao fa tsy mitsara.Matoa mitsikera dia mihevi-tena ho manana ny marina ka mahatonga fitsarana ny hafa. Sa ahoana ny fampianaranareo ny mpanaradia anareo momba ny fitsikerana?



Tsy misy fitsarana mihitsy fa na ianao nentin'ny fonao raha vao nahare ny resaka alahady, na ianao tsy te hijery ny "réalité en face hoy ny vahiny".

Avereno vakiana dia mivavaha mafy,

Tsy ameko tsiny ianao fa na izaho koa aza mba mpivavaka alahady taloha saingy ny marina tsy azo hodiantsihita ka naleoko nampandeferina ny ambopoko namana.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
32. RBNIR ( 26/03/2013 08:57)
Namana maranatha,
1- ny momba ny firesahana puce izay entina hanarahamaso ny olona aloha dia tsy hitako tao anaty baiboly,
2- Tsy hoe tsy te hiteny na koa tsy te hanondro ny bibidia voalohany aho namana fa ilay izy hoy aho tokony hialoavana fanazavana @ antsipirihany dia ny baiboly no fiaingana fa tsy hevitr'olombelona na antokompivavahana,
Mbola ho avy raha sitrapon'ny Tompo e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

33. RBNIR ( 26/03/2013 09:05)
Maranatha,
Rehefa tonga ilay fitoriana lehibe farany dia tsy maintsy hotorina mibaribary toy izao nozaraiko izao ny mikasika ny bibidia 2.
Amin'ireo vala nolazainao fa efa misy ankehitriny ireo dia mbola mety hisy hibebaka raha vao mahare,
Noho izany tsy mbola azo antoka hoe ireo no tena ho izy @ izany fotoana izany.
Rehefa handray fanajakana marina ny bibidia dia izay rehetra ho tratra farany eo no tena izy namana.

Samia ho tahin'ny Tompo e
34. RBNIR ( 26/03/2013 09:12)
Dia toy izany koa namana maranatha,

Tsy hoe izay filohampirenana rehetra misy @ izao fotoana izao dia avy dia izy daholo,
Fa izay ho tratra farany eo ihany koa raha toa ka tsy hibebaka izy rehefa holazaina aminy ny marina,
P.S : tsy fitsarana olona akory ity an, sao ho avy indray ny sasany rehefa avy eo hamely ahy indray rehefa mahatsiaro ho voakasika.
Mahagaga ahy ihany fa misy mpitondra fivavahana milaza hoe tena mahay ny bokin'ny apokalipsy nefa mihazakazaka ny ho filoha???? Tsy fantany ny hiandry azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
35. RBNIR ( 10/09/2013 02:53)
Araho ny fandaharana,
http://forum.serasera.org/forum/message/m522e87861761e
Samia ho tahin'ny Tompo
36. saho ( 28/05/2014 20:16)
Misy tena olona manamaritena sy milaza ho tena manana ny marina ato izany, mpaminany sandoka b d b eraky ny irika rehetra, b d b ireo devoly isankarazany mampivily ny finoanao ary mety resiny aza enao rehefa tena tsy sahy miady izany fa enao manana an i jesosy kristy

olombelona daholo anefa tsiss hoe tsy manota, mpanota daholo ny nofo sy ra ary mora azon ny fakampanahy, ny fomba hanoherana izany fakampanahy izany no hahatsapana hoe tena manana finoana ve enao sa minomino fotsiny sa ahoana....Jesosy kristy zanaky ny Ray any andanitra (Andriamanitra) irery no tsy manana fahotana, ary zanak Andriamanitra izay Tompontsika (teny malagasy) ary tena izy no hivavahana sy hangatahana ny fahaizana rehetra na fahaizana miaina na fahaizana fahalalana na fahaizana mitondra tena sns.... voasoratra ao anaty testamenta vaovao daholo ny soratra Masina tao aorian ny fipoiran ny Jesosy Kristy ka ny fanahy masina anie hilatsaka ao aminao koa mba hampahery ny fitoriana filazantsara na aiza na aiza no misy anao

Arovy ary miambena ao Kristy, aza atao mionzongozona ary hampianaro ny teny soratra Masina, amparitao ny taranakao sy ny ankohonanao dia ny mpiarabelona aminao ny fiainana hoe " Atra dia fitiavana", io no lehibe indrindra Amin ny fiainana, raha tsiss io anatinao dia hianaro hitoetra aminao io
37. ranthson ( 21/08/2015 12:10)

RBNIR:

Dia mbola faly miarahaba an-tsika namana rehetra hatrany ny tenako,
Ary koa mbola manandratra fisaorana lehibe ho an'ilay Andriamanitra tsitoha noho ny haben'ny famindrapony ka mbola afaka mifampizara eto hatrany.
H@ izao aloha dia mbola tsy voalaza mihitsy hoe iza ilay bibidia voalohany, raha sitrapon'ny Tompo dia tsy ho ela fa arao hatrany ny fizarana,
Araka ny apok.13:14 dia asain'ilay bibidia faharoa (fikambanam-ben'ny filoham-pirenena @ izany fotoana izany) hanao sary ho an'ny bibidia ny olona,
Inona ary ilay sarin'ny bibidia?
Ny atao hoe sary (image) : dia zavatra mitovy amin'ny ilay tena izy saingy tsy izy.
Ilay bibidia dia mitondra fanjakana (vala iray mitonona ho kristianina no tena marina).
Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy Tompo ary ny Fanahy Masina ihany no asainy iankohofana ao saingy 1- Hiteny ratsy an'Andriamanitra izy satria holazainy fa devoly (fa tsy Andriamanitra )no mitarika ireo olona izay hitory ao @ ilay fitoriana lehibe farany, 2 hanenjika ny olona hitory ny fahamarinana izy ary hamono mihitsy aza.
3- hanova ny lalàna sy ny fotoana izay napetrak'Andriamaintra izy (ny tena hisongadina @ izany dia ny fanafoanana ny fit

Ny sarin'ny bibidia ry RBNIR dia sarin'ny Masina Maria, asaina miankohoka eo amin'ny sarin'ny bibidia ny olona. hatao A/tra ity maria refa kely2 eo, asaina manaiky an'io daolo ny olona rehetra, jereo fa efa anenika ny tany rehetra ny sary vongana. asaina manaiky an'io daholo ny fiangonana rehetra. izao efa misy fampianarana hoe i maria no namorona ny izao tontolo izao....sns miandrasa kely fa ho marina io teneniko io
38. mitsimbina ( 14/08/2018 09:52)
Fa mba aiza hoaiza ao amin'ny baiboly moa tompoko no milaza hoe andro inona amin'ny fanisana androntsika ny atao hoe sabata azafady? Fangaha moa tsy ny olombelona avokoa no namorona ireo fanisana andro isankarazany ireo. Ny an'ny malagasy izao dia niainga avy amin'ny teny arabo avokoa ny andro fito ao anatin'ny herinandro. Ary fanontaniana farany: natao hoan'ny olona lalin-tsaina irery sy nianatra momba ny symboles ve ny fahatakarana ny bokin'ny apokalypsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.8181