Tain-dinôzôra

1. Nehemiah ( 14/03/2013 14:10)
Rehefa nanatontosa ny rohi-pandaharana "Walking with dinosaurs" ny BBC taona maromaro lasa izay, nitady eran'ny tany toerana azo anaovana an'ilay sarimihetsika izy, nefa isaky ny mba mahita toerana mikitrokitroka ahazoana alalana izy dia tsy maintsy rakofan'ny bozaka foana ny tany. Kanefa, t@ taona 1999, zavatra tsy possible izany ho an'ny mpandala evôlisiona : nieritreritra hatrizay ny manam-pahaizana fa t@ 55 tapitrisa taona lasa ny bozaka no nipoitra nohon'ny fizotran'ny evôlisiona (izany hoe 10 tapitrisa taona taorian'ny heverin-dry zareo ho fotoana nanjavonan'ny dinôzôra), nefa voa haingana no nahitana kôprôlita (tain-dinôzôra nifôsily) izay nanambara fa tsy vitan'ny niara-nivelona ny dinôzôra sy ny bozaka, fa tena nihinana bozaka avokoa izy ireo.

Maheno matetika antsika olona mitompo teny fantatra momba ny zavatra nitranga sy tsy nitranga t@ tapitrisa taona lasa, fa zava-dehibe ho antsika ny tonga saina fa tsy miorina afa-tsy @ vinavina feno fahasahiana maro dia maro izay matetika tsy miorina afa-tsy @ porofo tsizarizary ireny fitompoana teny fantatra ireny, ary mety mivadika ambony ambany tanteraka ireo rehefa misy porofo vaovao hita izay mifanohitra @ teôria noforoniny.
novalian'i 5laody ny 19/04/2013 20:04
2. 5laody ( 19/04/2013 20:04)
Ka izay anie ilay mifampizara bozaka fohana dia lasa eo ny revy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1185