vady tsy mampiseho fiche de paie sady tsy manao participation am depenses fa ze tiany no ataony

1. fitatoky ( 09/03/2013 18:09)
zahay mivady samy miasa,tany amboalohany vao nivady zay de efa nifanaraka fa itambarana ny vola de ifanarahana tsara ny depenses sns,de mba tena nanana projet zay sady nifankatia be tokoa,03 taona taty aoriana,niova be izy,tsy mampiseho ny fiche de pain tsony sady tsy mety manome vola ahy tsony,fa de ze tiany mba andraisana participation fotsny no ataony,de tezitra b fona izy ra vô mba resahako ny momba ny karamany? DE KIVY A NDRAY2 FA TSI MBA MISY TANJONA TSONY IRAISANA ZAY FA LANINY NY VOLANY!ITAKO MATETIKA NY DEMANDE DE SOLDE any tena mandany vola be izy fa tsy fantatro oe mankaiza,inona no tokony ataoko,normal ve zany?
2. mirananirina ( 09/03/2013 18:36)
Efa tsy misy fitiavana ny tokantranonareo intsony izy izany! Angaha mbola tsisy ankizy? Hafa manko ny tranga raha misy na tsisy ankizy raha azonao valiana
3. fitatoky ( 09/03/2013 19:01)
ie manajanaka zay,fa ny ts fantatro fotsiny ny fomban'ny olona,refa sami miasa ny mpivady,misy manao oh nay ve oe samy manana ny azy?tsy sahy mitatara zany am olokafa a fa menatra!
4. mirananirina ( 11/03/2013 17:48)
Ny anay aloha samy manana ny volany saingy mifanaraka tsara @ fandoavana sarany rht ohatra izy manao course isakerinandro , mandoha edf , izaho mividy izay tsy ampy @ sakafo sy mandoa rano , tel . Sns e ny aty moa efa prelevement automatiqueno miasa dia tsy afaka miala @ fandohavana ! Dia samy manao izay tiany @ volany avy @ fividianana akanjo sns... Fa ny anay moa dia omeny ahy matetika ny carte bancaire ny nefa ny ahy tsy alainy izany mht! Tokony ho hentitra @ izany ianao satria tsy anao irery ny tokatrano fa azy ihany koa! Nisy namako izay taloha tany Mada dia tsy manome tahaka izany ilay rangahy fa dia nandehanany tany @ mpampiasa azy ilay rangahy dia azony direct ny 2/3 ny karaman i rangahy
5. rakhaba ( 12/03/2013 10:39)
Mifampiresaha tsara e ! Tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana mantsy. Mety koa raha tonga dia mangataka tsotra izao : ohatra omeo vola zà anaovako an'izatsy na izaroa
6. mirananirina ( 12/03/2013 11:53)

Mifampiresaha tsara e ! Tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana mantsy.


de tezitra b fona izy ra vô mba resahako ny momba ny karamany?

Raha ny fahazoako azy dia efa niresaka tsara izy fa ilay rangahy mht no tezitra raha vao resahana!!
7. fitatoky ( 12/03/2013 18:51)
ie,tena efa mba nifampiresaka mitsy a ,nanaiky mits aza mba hoe zaraina ny depenses retra de nasainy natok n decompte retra fa in ko ny teo,vitako tsara atram kely ka hatram lehibe ndrindra,de nanaiky izy,fa in kory n teo,n teo any no fiainanay,refa te ividy iz de mividy ze tiny,ts te anao iz de ts manao,nalahelo ny fiainanay talo za,satry tamzan za tena mavita mividy matetika ze zvtr ilainy retra ,fafinaretana ho ahy mits zany,ary iz ko faly be ery,fa ankehitriny kosa na bakiraro aza a lasa ts mazoto tsony satry niova be izy,mety vomaika v zan fihetsik zan animba ny relationay?tsi aiko tson ze atao,msotra manoro evitra!
8. Benntoy ( 15/03/2013 10:41)
Zao fotsiny no fanontaniana ataonao aminy oe ; Hanongana sa hanangana ?
9. Benntoy ( 15/03/2013 10:43)
Zao fotsiny no fanontaniana ataonao aminy oe ; Hanongana sa hanangana ?
10. fitatoky ( 15/03/2013 18:59)
andraso andramako ndray ary kou!
11. Ratoa ( 17/03/2013 23:21)
rehefa ny lehilahy no manafina ny karamany, indrindra raha tsy izay no nifampitond(rana teo aloha, dia misy sipa any ivelany izany. Mamo ve izy sa miloka sa mifoka rongpny? Ankoatra ny spia dia ireo no kileman'ny lehilahy.
Aza mitady vola aminy intsony fa alamino ny fiainanao ary asio tanjona, tanjona ho anao tsy miaraka aminy fa hisaraka aminao no tanjon'io olona io na hambotry anao tanteraka.
Fantany ianao fa mahavita tena ary efa niboriaka izy, niova lalana . Matoa mora tezitra dia ao ny zavatra tsy azo aseho masoandro;
12. adonis ( 26/03/2013 06:24)

  • tsy normal zany!

Ny antony mety mahatonga azy manao an'zany:
Mahatsapa izy fa miasa mafy nefa toa lany anasoavana ny tokantranony daholo ny vola fa mila mba ho anazy koa izy, dia matahotra izy sao tsy anaiky enao, dia aleony tonga dia tsy asehony anao.
Mampalahelo izany nefa andramo mba anontaniany izy hoe:

  • Ndana kia mba mivoaka mirevy miaraka @ namanjy njy fa zoma zao a
  • Na hoe mba ividiano lobaka tiany izy

Hitanao eo ny fiovany fa tOnga saina ho azy eo izy ka mety hampiseho fiche de paie ho anao indray.
Toro-hevitra maivamaivana ihany nenah satria toa izany ny nataoko taloha, za daholo no mi-gerer ny vola, fa taty aOriana, refa navelan'ny sipako anao zay tiako aho, dia lasa za indray no tsy te-anao hany ka izy no mitantana ny karamako manOntolo hatr@zao, za ary any no maka frais (xd)...mazotoa
13. rakhaba ( 26/03/2013 07:05)
Marina tsy misy azo kianina izany voalazanareo rehetra izany fa mifampiresaha tsara oa amin'izay mba tsy misy mifanimba fiainana.
adonis:


  • tsy normal zany!

Ny antony mety mahatonga azy manao an'zany:
Mahatsapa izy fa miasa mafy nefa toa lany anasoavana ny tokantranony daholo ny vola fa mila mba ho anazy koa izy, dia matahotra izy sao tsy anaiky enao, dia aleony tonga dia tsy asehony anao.
Mampalahelo izany nefa andramo mba anontaniany izy hoe:

  • Ndana kia mba mivoaka mirevy miaraka @ namanjy njy fa zoma zao a
  • Na hoe mba ividiano lobaka tiany izy

Hitanao eo ny fiovany fa tOnga saina ho azy eo izy ka mety hampiseho fiche de paie ho anao indray.
Toro-hevitra maivamaivana ihany nenah satria toa izany ny nataoko taloha, za daholo no mi-gerer ny vola, fa taty aOriana, refa navelan'ny sipako anao zay tiako aho, dia lasa za indray no tsy te-anao hany ka izy no mitantana ny karamako manOntolo hatr@zao, za ary any no maka frais (xd)...mazotoa
14. vale ( 27/03/2013 07:08)
Amiko aloha raha samy manana fidiram-bola ny roa tonta dia tsy misy ohatry ny samy mitantana ny azy fa ny dépenses ao an-tokantrano no hifanarahana, miteraka pobleme manko ilay hoe akambana, ohatra fotsiny izao te hanao cadeau ny iray dia tonga dia fantatry ny iray ny valeurn'iny cadeau iny satria nikambanana ny compte kah, erreur hatrany am-boalohany io, fa rha zah enao dia miresaha aminy hoe satria lasa miteraka olana ankehitriny ny fanontaniko ny fandehan'ny volanao dia izao, samy mi-gérer ny volany isika fa atao izay hifandaminana à dépenses, à izay tsisy ny olana, dia hitanao eo koa izay tena vali-teniny, na izay no manahirana azy , na zavatra hafa no alehan'ny volany raha toa ka mbola mahatezitra azy io dia efa tsy fitiavan ilay tokantrano intsony, fa te handeha mitokana izy izany
15. anjali ( 28/03/2013 14:34)
Amin'ny Malagasy dia misy ny atao hoe misintaka. Izany hoe maka saina aloha hanatsarana ny tsy mety ao an-tokantrano. Tsy misy resaka fisarahana eto an. Aoka hazava ny resaka.
Koa ny toro-hevitro izany dia atao zay hahatonga saina an-drangahy fa tsy olona velomim-potsiny izy ao an(tokatrano ary zanaka niaraha-manana.Koa dia mandeha kely aloha ianao maka rivotra (atao hoe hanao mission). Atao tampoka fa tsy resahana mialoha aminy fa sao dia tsy ho afa-mandeha eo ianao. Oh hoe ny maraina vao mifoha handehananao vao miteny aminy. Ianao irery no mandeha fa ajanonao eo @ ny ankizy. Tsy mametraka vola na ariary. Ataovy ao an-tsaina fa zanaka naterany io ka voakarakarany. Fomba iray io entina hampandraisana andraikitra ny lehilahy miala adidy, ary fomba iray koa ahatongavany saina hoe hay mavesatra be ny adidy nampitondraiko ny vadiko teo? Rehefa miverina ianao dia amin'ny endrika miramirana.(Aza atao lava loatra ny congé sao tsy ho zakany). Ny telefone dia in-dray mandeha isan'andro ihany @ hariva iny. Mino aho fa raha tsy hiova @ zay izy dia mahaiza mionona @ anjara.
16. Snowhite ( 03/04/2013 13:46)
nen dadasneninay nef d neninay dol n migérer s mtazona n vola, d na dada na n ankizy dia miantso neny dol ref mila vola hihihi
17. hadji ( 20/04/2013 05:27)
EH ! NY VY TSY MIKITRANA IRERY
18. tiris8786 ( 20/03/2015 17:54)
manahirana izany satria ny amintsika gasy dia ny lehilahy no atao hamelona ny vady aman-janaka voalohany indrindra ary betsaka aza ny vehivavy taloha tsy mba niasa.
ankehitriny efa sarotra ny fiainana hany ka aleo miasa daholo mba mahavita an'izay vitany eo saingy tsy tokony hanao an'izany ilay lehilahy satria samy miasa sy vizana ianareo.
mety misy antony tsy fantatra fa amiko aloha tsy mety satria lasa fitiavantena no hiafarany satria samy hikepoka ny azy.
miteraka ady koa avy eo hoe iza no tokony hividy an'inty na inty ao amin'ny tokantrano.
mahagaga hoe laniny foana ny volany nefa tsy mba asehony anao ny dépenses ny na ny fiche de paie ny. ao raha hoy ny fitenenana. jereo akaiky sao mamelona olona hafa any ambadika any dia voafatotra.
ataovy carte sur table ka raha tsy manaiky ny hampiseho na ny hanome dia aza mividy zavatra lafo ho an'ny tokantrano fa tsinjovy ny ho avinao fa tsy fantatra izay ao aoriana izany dia ataovy laoka tsotsotra, aza mivaky loha fa rehefa kely ny omeny dia ataovy atody moa rehefa misimisy dia mba ataovy ravitoto. Ho hita eo.
19. miarinkery ( 18/08/2015 10:58)
Aza mian-kidoha aminy fa mihezaha mahavita tena , misaora an'Atra fa miasa ianao , rehefa mivoatra amin'ny herin'ny tenanao ianao dia sady tsy harary an-doha hieritreritra azy no hahatsapa tena ho mpandresy ihany koa , ho menatra eny ihany izy , raha samy hiankina ihany dia aleo Andriamanitra nahary no iankinana sy ianteherana fa ho hitanao ny vokany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3672