fromage de tete

1. di ( 07/03/2013 13:27)
Ahoana kay reto ny fanaovana fromage de tête azafady fa zavatra tena mba tiko nefa tsy aiko,merci mialoha daholo mamaly â
2. sitlo ( 08/03/2013 03:10)
Tsy te ho HS aho fa mba manitikitika ahy hoe faritra avy aiza kay no mihinana an'io. Izaho mantsy aleoko mihinan'alika toy izay mihinana an'io.
3. Ratoa ( 17/03/2013 23:36)
mba ratsy fiteny koa i sitlo marina ah!
Maka ,lohakisoa ianao sy vilany be handroina azy; Sasao madio tsara dia teteho. Asio ny épices zay tianao. Asio rano mahamasaka azy dia handroy -paha masaka tsara ny hena fa misy hena ihany iny lohany iny. Miraraka ho azy ny hena. Rito takaha ny mahandro hena ritra, tsihifo daholo ny taolana sy zay tsy fihinana. Mivaingana ho azy io rehefa mangatsiaka. Raha tianao hivaingana tsara ho mafy dia asio gélatine kelytsy hiempo raha mafana be ny andro..
Ataovy anaty boîte dia anaty frigo. Vita
4. 5laody ( 01/04/2013 10:40)
Salut daholo

ohatry ny misy version misy vinaigrette koa izy io raha tsy diso aho.



Sitlo a, m^^eme recette ihany izany ny anao fa ovaina alika fotsiny ilay kisoa.
5. courriel772 ( 25/11/2014 18:02)
ie tena tsara ny fromage de tête indrindra raha atao tsakitsaky na anaty mofo fotsiny aza. Misy manao azy hoe tête fromagée. Ny fahalalako azy dia sofikisoa no andrahoina atao malemy dia esorina ny taviny dia asiana poivre sy carottes kely ary zava-maintso izay tianao. Efa be gélatine naturelle io hena io ka mivaingana ho azy rehefa ampidirina frigo. Ilay vinaigrette indray salade de museau no fiantso azy ary vita amin'ny vavan'omby en principe.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.158