Dinôzôra mihondratsondratra

1. Nehemiah ( 05/03/2013 07:03)
Hita matetika mipetraka @ pôzy hafahafa ny fôsilina dinôzôra : mitràka mafy mankany aoriana ny lohany, miforitra ny tongony ary mitsotra mankany ambony ny rambony.



Nanolotra teôria maro samihafa mandritry ny taona maromaro ny manam-pahaizana entina anazavàna an'izao tranga mahavariana izao, kanefa, araky ny paleontôlôga Cynthia Marshall Faux, tokana ny fanazavàna : nalitra (asphyxiés) ny dinôzôra. Fantatra fa rehefa maty sempotry ny tsy fahampiana ôksizena ny biby dia manao an'izao pôzy izao azon'ny fihondratsondratan'ny hozatra. Ity fahazoana vaovaon'ny nifôsilian'ny dinôzôra ity dia mifandraika tsara @ fitantaran'ny Baiboly hoe tototry ny fota-dilatra (boue sédimentaire) ny dinôzôra t@ Safo-drano izay nanerana ny tany iray manontolo. Sempotra nohon'ny tsy fahampiana ôksizena izy ireo t@ nahafatesany, ka izay no nahatonga azy ireo hanao an'izao pôzy manokana izao.

Ka ahazoana valin-teny tsotra ho an'ity mystery lavareny momba ny dinôzôra ity ny Safo-drano tantarain'ny Baiboly.
novalian'i Miharena ny 13/03/2013 15:27
2. sitlo ( 08/03/2013 00:59)
Ilay izy aloha dia nisy tokoa ny zava-nitranga teto an-tany. Ohatra ny solitany dia vokatry ny ranomasina tototra. Eo koa ny fisarahan'ny tany: Madagasikara niala tamin'i Afrika sns.

Ka tsy laviko koa ny mety nisian'ny safo-drano lehibe izay mety nahafaty biby maro be tahaka an'io.

Fa sarotra kosa no hanaporofoina hoe nanera-tany ny tondra-drano nahafaty an'io dinôzôro io. Indrindra moa fa nisy olona nahavita porte-avion tamin'ny hazo nitondra ny biby rehetra.

Ireto soavaly ireo ohatra, mba maty an-drano ihany koa. Raha afaka taona maro be any aoriana any ve ireo vao hita dia ho lazaina fa tondra-drano ihany koa no nahafaty azy ireo?
Nefa ny tena izy dia nandositra afo ry zareo dia latsaka tanaty rano mahangoly.
3. Nehemiah ( 11/03/2013 08:09)
Izay koa no idiran'ny idées reçues-n'ny tsirairay (ary tsy mandà aho fa manana ny idées reçues-ko manokana aho). Angamba ny olona izay nilaza fa nandositra afo ireo soavaly ireo ka tafalatsaka anaty rano mahangoly dia tsy te-hahalala an'izao Safo-drano maneran-tany izao na kely aza (satria manjary manaporofo ny Baiboly ho marina) ka mitady fanazavàna hafa. Ny fanontaniana mipetraka dia : ny an'iza no mifandraika kokoa @ zava-misy.

Ka raha vao resaka tranga t@ lasa dia tsy afaka manaporofo tanteraka ny nitrangan'ny zavatra iray afa-tsy @ alalan'ny olona izay nahita an'izany tokoa t@ masony ka afaka mijoro ho vavolombelona mahatoky (ka tokony machine à remonter le temps no foronina lol :) ) ary ny Genesisy dia fijoroan'Andriamanitra ho vavolombelona.

Nefa misy koa ny zava-misy izay mifandraika lavitra kokoa @ Safo-drano 4 500 taona lasa toy izay ny uniformitarianisme (izany hoe izay fizotra hitantsika @'izao fotoana izao ihany no azo anazavàna ny tranga t@ lasa). Ohatra iray, raha tsy hilaza afa-tsy izay, ny sosona vato schiste Bright Angel izay miely eran'ny Amerika Avaratra, ary hita hatrany Eoropa aza. @ fomba ahoana no nipetrahan'izay sosona schiste midadasika toy izao, raha ny uniformitarianisme ihany no jerena ? Mamaky ny lohan'ny mpandala tapitrisa taona izany. Fa raha nisy safo-drano nirakotra ny tany dia mora lavitra kokoa ny manazava azy : nisy fota-dilatra nipetraka ambany ranomasina eo, avy eo nototofan'ny karazan-dilatra hafa, ka nanjary nivadika ho schiste, azon'ny fipotserin'ny vato sy fotaka ary ranomasina teo amboniny.

Raha ny resaka hoe aiza no hisy olombelona hahavita hanamboatra sambo hazo mitovitovy habe @ Titanic dia tsidiho vetivety ity rohy ity :
http://www.china.org.cn/english/features/zhenhe/132147.htm
Ny sambo hazo baochuan dia mirefy 125,6 m ny lavany ary 50,94 m ny haavony ! Ka tsy ho vitan'ny olona talohan'ny Safo-drano ve ny manamboatra sambo 150 m halavany, 50 m sakany ary 30 m haavony ve ?
4. Miharena ( 12/03/2013 00:23)
Nehemiah:

ary ny Genesisy dia fijoroan'Andriamanitra ho vavolombelona.


Aoka aloha tsy dia tonga dia hoterena ao anatin'ny datin'ny Baiboly ny tranga niseho momba ny fahafatesana faobe nitranga teto an-tany. Ny fantatra dia tsy indray mandeha no nisy fahafatesana faoben'ny dinozaoro fa maromaro ihany ary ny elanelana raha fandrefesan-taona paleontolojika dia an-tapitrisa taona.

Raha ny fanisana andro ao amin'y Genesisy indray no resahana dia mila mieritreritra ihany isika satria tsy voalaza ao mihitsy ny momba zany dinozaoro izany fa ny tantaran'olombelona efa nivoatra be no resahana ao ary ny biby amam-borona dia efa biby amin'izao vanim-potoana izao avokoa.

Raha nisy ny safodrano dia tsy tamin'ny andron'y dinozaoro ary manamarina ny fahitana dilatra izay nandrakotra ireo taolana efa fosila niseho tety amin'ny fanambonin'ny tany.

Ny daty ara-Baiboly dia aoka koa hahitsy fa kajin'olombelona fa tsy kajin'Andriamanitra velively amiko.
5. Nehemiah ( 12/03/2013 06:04)
Tadaa ! Izay mihitsy no noteneniko aminao ! Ny kajikajin'olombelona mpanota mety diso izay efa ninia tsy hahalala ny momba ny Safo-drano no ataonao ambony fahefana nohon'ny Baiboly. Kanefa efa nanantitra impiry impiry aho fa ny idées reçues no miditra an-tsehatra rehefa midaty tranga t@ lasa. Sady ireny fikajiana daty ireny dia tsy maintsy mampiditra petra-kevitra tsy mari-pototra maro izay mandiso ny kajy (tahak'ilay bœuf musqué izay misy elanelana aman-arivo taona ny fidatiana C14 ny lohany sy ny tongony).

Tsy miresaka momba ny dinôzôra ny Baiboly ? T@ taon-jato faha-19 anie voa no noforonin'i Richard Owen izao teny izao. Fa taloha lavitra an'izay no nanoratana ny Baiboly. Nefa miresaka momba ny dragona kosa ilay izy.
Marina aloha fa tsy mino ianao fa noforonina t@ andro faha-6 ny biby rehetra mandeha ambony tany, ary tao anatin'izay ny dinôzôra, nefa meteza ianao miaiky fa rehefa jerena ny Baiboly ka tsy mampiditra hevitra avy ivelany ao anatiny dia izay no tokony hiheverana an'izao resaka izao.

Mba tiako ho fantatra : raha i Sitlo moa dia efa mazava ny antony tsy anekeny an'izany Safo-drano maneran-tany izany, fa inona kosa no antony mahatonga anao mikiry hoe tsy nisy izany Safo-drano maneran-tany izany nefa milaza ny tenanao ho mpanompon'ilay niteny hoe "nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra." (Lk. 17:27) ?

Mbola hijerijery sy hihomehy fotsiny i Sitlo ny any, ary tsy omeko tsiny akory izy.
6. Miharena ( 12/03/2013 17:09)
Miarahaba anao indray namana!

Tsy milaza aho hoe tsy nisy ny safodrano. Fa milaza aho hoe ny fotoana nisiany no tsy tamin'ny andron'ny dinozaoro fa tamin'ny andron'ny biby izay efa hitantsika ankehitriny. Aoka hazava saina tsara ianao rehefa mamaky izay lazaiko.

Hoy aho hoe ny kajy heverintsika ankehitriny ao anaty Baiboly dia olombelona koa no mamaky azy io ary mihevitra fa 6000 taona no tontalin'ny tantara ao amin'y Testamenta Taloha hatramin'ny taona 0.

Noho izany dia tsy tokony tonga dia disoana ny faminavinana ataon'ny mpikaroka ny ami'ny antapitrisan-taona.

Ankoatr'izay dia tsara kokoa raha tsy manao fampitahana izay voalazan'ny roa tonta dia ny siansa sy ny Baiboly raha resaka fanomezana fe-potoana no resahana, satria lasa adihevitry ny moana sy marenina ilay izy raha tsy manana fijery mifameno toy ny nolazaiko teo hoe : matoa misy zavamananaina tsy voambara ao anaty Baiboly dia tsy tamin'ny andro nanoratana ny Baiboly izany ny ny Dinozaoro.

Raha mireska Dragona ianao dia fahitana io resahana ao io fa tsy azo afangaro amin'ny dinozaoro.
7. Nehemiah ( 13/03/2013 12:30)

Miharena:

Miarahaba anao indray namana!

Tsy milaza aho hoe tsy nisy ny safodrano. Fa milaza aho hoe ny fotoana nisiany no tsy tamin'ny andron'ny dinozaoro fa tamin'ny andron'ny biby izay efa hitantsika ankehitriny. Aoka hazava saina tsara ianao rehefa mamaky izay lazaiko.

Mitovy ihany izany, lavinao ny zavatra lazain'ny Baiboly mazava.

Miharena:
Hoy aho hoe ny kajy heverintsika ankehitriny ao anaty Baiboly dia olombelona koa no mamaky azy io ary mihevitra fa 6000 taona no tontalin'ny tantara ao amin'y Testamenta Taloha hatramin'ny taona 0.

Ny kajin'ny arkeveka James Ussher sy Isaac Newton no nahitàna fa t@ 4 000 taona talohan'i Kristy eo ho eo no namoronan'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araky ny Baiboly.


Miharena:
Noho izany dia tsy tokony tonga dia disoana ny faminavinana ataon'ny mpikaroka ny ami'ny antapitrisan-taona.

Tsy tokony tonga dia disoana ny kajy matotra sy mari-pototra nataon'ny manam-pahaizana matahotra an'Andriamanitra.
Miharena:
Ankoatr'izay dia tsara kokoa raha tsy manao fampitahana izay voalazan'ny roa tonta dia ny siansa sy ny Baiboly raha resaka fanomezana fe-potoana no resahana, satria lasa adihevitry ny moana sy marenina ilay izy raha tsy manana fijery mifameno toy ny nolazaiko teo hoe : matoa misy zavamananaina tsy voambara ao anaty Baiboly dia tsy tamin'ny andro nanoratana ny Baiboly izany ny ny Dinozaoro.

Oviana no ho azonao an-tsaina fa tsy siansa vs finoana kristiana izao fa fomba fandraisana an'izao tontolo izao anankiray vs fomba fandraisana an'izao tontolo izao mifanohitra @ ?
Miharena:
Raha mireska Dragona ianao dia fahitana io resahana ao io fa tsy azo afangaro amin'ny dinozaoro.

Ahoana indray ny Job. 26:13 ("Son souffle rend le ciel pur ; sa main perce le dragon fugitif") sy ny Is. 30:6a ("Les bêtes de somme sont chargées pour aller au midi, dans la terre de détresse et d’angoisse, d’où viennent le lion et la lionne, la vipère et le dragon volant") raha tsy hilaza afa-tsy ireo ?
8. Miharena ( 13/03/2013 15:27)
Tsy azo afangaro ny dragona amhara amin'ireo teny ireo sy ny dinozaoro namana a!

Ny mety hahazoana manafangaro ireo dia ny fisian'ny sampana maha-mikisaka na maha-reptila nandrafitra ny zavamananaina teto ambonin'ny tany fa tsy azo atao ny mampiditra bontolo fotsiny hoe nandinika ny arkeveka dia ampifanarahana amin'izay avokoa ny zava-drehetra misy eran'izao tontolo izao.

Indrindra moa fa ny fomba niforonan'ny kintana sy ny Galaxies. Ka aza dia manao finoana jamba fa jereo ihany ny zavamisy namana a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4623