Be loha == lalin-tsaina ve ?

1. Nehemiah ( 28/02/2013 05:45)
Tsy tian'olona rehefa atao hoe "be loha", nefa misy manam-pahaizana sasany izay mety mandray an'izay ho fideràna. Ngeza lavitra nohon'ny karandohan'ny rajako ny karandohan'ny olombelona, ary satria lalin-tsaina lavitra noho ny rajako antsika, nisy finoana niraikitra mandritry ny fotoana ela be fa manambara ny halalin'ny saina ny haben'ny karan-doha, ary izay no mahatonga ny mpandala ny evôlisiona mihevitra ny rajako manana karandoha somary ngezangeza kokoa nohon'ny hafa ho "rajako mivoatra", ary mijery ny olombelona manana karana somary kelikely nohon'ny salany ho "sub-humain" (olombelona tsy mivoatra).

Nefa feno olana ity tantara evôlisionista ity. Ny olombelon'i Néanderthal ohatra dia heverina ho "tsy mivoatra", nefa ngeza nohon'ny karandohantsika ny karandohany @ antsalany. I Anatole France koa, ilay nahazo ny Amboara Nobel ho an'ny literatiora t@ 1921 dia nanana karandoha kely, 25% latsaky ny salan'ny haben'ny karandohan'ny olombelona @'izao. Ny marimarina kokoa izany dia tsy fomba mitombina ahafantarana ny halalin-tsain'ny olona iray ny haben'ny karandohany.
Sady lehibe nohon'ny karandohan'ny vehivavy anie ny karandohan'ny lehilahy, nefa tsy dia hita loatra ny mahasamihafa ny halalin-tsainy ;).
novalian'i Nehemiah ny 02/03/2013 06:51
2. sitlo ( 28/02/2013 10:21)
Kelikely loha indray ny sasany!
3. hery ( 28/02/2013 15:36)
Size doesn't matter hoy ny vehivavy :-)

Aza ny hakeliny no jerena fa ny zavatra vokariny.

Fa resaka karan-doha ve nefa no tena lazainy sa ny atidoha? na koa ny marimarina kokoa ny partie active ao amin'ny atidoha?
4. Nehemiah ( 01/03/2013 13:35)

hery:

Fa resaka karan-doha ve nefa no tena lazainy sa ny atidoha? na koa ny marimarina kokoa ny partie active ao amin'ny atidoha?

Ny habe sy ny endriky ny karandoha mihitsy no nojeren'izy ireo ka. Indrindrindrindra rehefa mandinika karandoha fôsily dia tsy misy inona na inona azo dinihina afa-tsy ny taolana. Izay no niavian'ireny voambolana "dolicocéphale" sy "brachycéphale" ireny. Nefa moa araky ny efa nolazaiko, tsy hay ahafantarana ny halalin-tsain'ny zavamananaina iray ireny.

@'izao fotoan'andro izao, azo atao ny mandinika ny haranitry ny sens-n'ny biby iray @ alalan'ny fandinihana ny jotsotsindry anatin'ny karandoha (ohatra : naranitra tsy misy toy izany ny oron'ny tyranôzôra, ka angamba mpihinana fatim-biby izy, angamba hoy aho an !), nefa tsy dia mahalaza ny halalin-tsaina loatra izany (indrindra ho an'ny olombelona).
5. sitlo ( 02/03/2013 00:09)
Araka ny nolazaiko taloha, ny olombelona dia tia manonga tena. Izay no mahatonga ny anthropocentrism, izany hoe ny zava-drehetra aminy dia momba azy avokoa.

Ohatra akaiky ny baiboly. Fa tsy voatery ho zavatra lalina be toy izany fa na eo amin'ny fiteny tsotra aza. Ohatra hoe "tongo-tseza", dia nantsoina hoe "tongotra" satria nampitoviana tamin'ny olona, dia mazava ho azy ilay teny. Ny tenim-pirenena rehetra dia misy an'izay tarazo izay.

Ka ekeko hoe tsy mitombina loatra ny teny hoe "evolution". Vokatry ny fanambonian-tenan'ny olombelona io. Izany hoe izy no milay indrindra ka rehefa mizotra mankany aminy dia mi-evoluer izany.

Ny tokony ho izy dia hoe "adaptation", tahaka ilay trondro jamba nolazainao tatsy.
6. Nehemiah ( 02/03/2013 06:51)
^_^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2189