Trondro jamba

1. Nehemiah ( 26/02/2013 14:00)
Tsy mahagaga ve fa rehefa jamba ny olona iray dia zava-doza no fahitantsika azy, nefa rehefa trondro mivelona anaty zohy no lasa jamba dia antitranterina ho porofon'ny evôlisiona izany ? Misy trondro mivelona anaty zohy izay voan'ny sampona (fahavoazana anaty ADN) mahatonga azy ireo tsy hanana maso. Raha ny mahazatra aloha dia tokony ho voa mafy izy. Kanefa, manjary tombontsoa ho azy izy satria tsy ilaina ny ananana maso rehefa mivelona anaty zohy maizim-pito, aleo mihitsy aza tsy manana maso satria mora maratran'ny vato maranitra izy ireo. Ka mifandraika @ tontolo iainany ireo trondro jamba ireo.
Nefa mitombina ve ny maka an'izay tranga izay ho porofon'ny fahamarinan'ny evôlisiona ? Ny tanjon'ny evôlisiona mantsy dia ny manazava @ fomba ahoana no nipoiran'ny fahalalàna vaovao @ ADN mba hahatonga ny biby jamba ho biby mahiratra, ny biby tsy manana maso ho biby manana maso, nefa tsy mba fivoarana no hitantsika @'ireto trondro ireto fa i/fahasimbàna/i nitondra fihemorana, satria simba sy very ny fahalalàna momba ny fanamboarana maso @ ADN'ireto trondro ireto (ho azon'ireo manana fahalalàna fototra momba ny informatika tsara ny tiako tenenina @'izany).

Diso fizotra ny lamasinin'ny evôlisiona. Dia gaga ianao !
novalian'i Nehemiah ny 06/04/2013 07:03
2. 5laody ( 05/04/2013 20:39)
What is a fish without eye?

fsh
3. Nehemiah ( 06/04/2013 07:03)
Rofllmho !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2465