Fitsangatsanganana lehibe

1. tsitialainga ( 26/02/2013 09:05)
Salama daholo.
Hisy fihaonam-be sady fitsangatsanganana ho an'ny fiangonana, sampana, fikambanana HEBREO MESIANIKA rehetra eto Madagasikara, eny @ « LA VERDURE » Amboanjobe (Fidirana 500 ariary) @ Alahady 3 Marsa 2013 izao manomboka @ 9 ora maraina mandra-paharivan'ny andro.
Fihaonana santatra fifankahalalàna sy fanehoana firaisam-po amin'ny alàlan'ny fiaraha-misakafo sy korana izany hitomboan'ny fifankatiavana bebe kokoa. Filip 2/1-4.
Samy hanao izay hahatongavana eny an-toerana sy hivatsy sakafo masaka isika.
Koa tongava maro dia entàno ny namana, havana aman-tsakaiza rehetra tsy an-kanavaka.
Afaka mitondra zava-maneno hoan' izay manan-talenta.
Fepetra manokana hoan'ireo ivelan'ny fikambanana: Tsy hitondra zava-padiana ara-tsakafo isika.
Tongava aloha fa lanonam-pahavaratra ity, dia mirary fanomanana mahafa-po ho an'ny tsirairay avy.
Fitaterana : Zotra "F" miditra CNAPS, ary miala Amboanjobe (Terminus ).
novalian'i hery ny 26/02/2013 10:58
2. hery ( 26/02/2013 10:58)
Mety ho any zany i Poopy? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5116