Hoan'ireo izay mihevitra ny tenany ho gasy

1. ded.kitty ( 16/02/2013 09:25)
Akademia Malagasy
Sokajy I

Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon'ny Vahoaka amin'ny Fampandrosoana
25 Jona 1994

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao.

Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra :

"Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin'izao période de décollage économique izao.

Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin'izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin'ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n'ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila stratégie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.

Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin'ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.

Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !"

Nangina eran'ny trano. Azontsika an-tsaina avy hatrany fa tsy naharay afa-tsy teny vitsy tamin'ny kabarin'Andriamatoa ireto Tantsaha sakaizany. Ary tsy nahagaga koa raha tsy nanan-kolazaina fa nifampijerijery sy nifampiandriandry fotsiny.

Nisafoaka ilay tovolahy mpandahateny, ka niriatra nanao hoe : "izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony," sad y lasa izy nandeha.

Miomehy isika mandre ny tenin'Andriamatoa, anefa, moa tsy ny sarintsika ihany koa ve no nasehony tamin'io fotoana io ? Mety tsy hihomehy koa anefa isika, satria efa zatra fiteny vandambadana toy izany ny sofintsika. Ny fihomehezantsika na tsy fihomehezantsika azy dia zavatra iray, fa ny mampalahelo dia ireto fatiantoka roa nitranga tamin'io fotoana io.

Fatiantoka voalohany : tsy tafita ilay hevitra sy fikasana tsara natolotr'Andriamatoa, satria tsy nisy azon'ny tantsaha sakaizany izay tiany holazaina.

Fatiantoka faharoa : kivy ilay manampahaizana satria noraisiny ho fahalainan-kandroso ny fanginan'ireto tanora, tsy nanan-kolazaina tamin'izay hevitra narosony.

Fa ho hafa noho izany kosa ny zava-niseho raha tahaka izao no nitondrany ny teniny.

"Misaotra anareo, lehiretsy, namaly ny antso nataonay. Isika izao mantsy no fody niara-nitsindroka sy akanga niara-nanjohy, ka tonga amin'ilay hoe : tsindranolahy an-keniheny, ka ny tama-miray ihany no miaraka."

Manana tsirin-kevitra sy vinavina ho enti-mampandroso ity faritra misy antsika ity izahay, satria tsy azo jerem-potsiny ny tany nahabe ary tsy azo atao tazan-davitra ny fanasoavan-tanindrazana. Izao izy izao no fahavoazany, izao izy izao no fahantrany , ka dia hanao tahaka an'Ikaladala eo ambody tenona ve isika, ka sady tsy hanohy ny tapaka no tsy hanentina ny madilana ? Ny adidy koa tsy an'olon-dratsy, ka dia nentinay eto izany hatao loa-bary an-dasy, satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ilàna firaisan-kina izy io ka iantsoana antsika rehetra, satria izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary.

Ireny nozaraina tamintsika ireny ny drafitra sy vinavina hotanterahina, ka aoka tsy hifampisorona na hijery arina an-tava. Tsy hoe "tian-kano, tsy tian-kano" koa izy io, fa mahazo milaza ny heviny avy izay manan-kolazaina, fa tsy tongobolo tsy akory isika ka hotampenam-bava. Tsy mety koa, anefa, ny manilika ny adidy amin'olom-bitsy, nefa samy hioty ny vokatra ihany avy eo. Ireny ilay antsoin'ny razana hoe : "sady tsy hitery omby no tsy hihazon-janakomby fa mitady hisodika ny herotra fotsiny", na hanao tahaka ny "angady ka ny zarany mihoso-menaka sady mijoro, nefa ny lelany mihoso-potaka miady amin-tany."

Manana antsika rehetra izao ho reharehany ity tany nahalatsahan'ny tavonintsika ity, ka dia hangetaheta ambony lakana ve, sa ho noana eo am-pototry ny sompitra ?

Koa saino lalina, saino marivo, fa isika izao no velona fanovan'ny maty, ary zanaka mpandova ny anaran-dray, ka tsy avelantsika ity tany ity raha tsy manana izay voninahiny, ary asandratra koa ny vahoakany hahita ny anjara-masoandrony. Sa tsy izay no izy, leiretsy ?

"Izay", hoy ny firedon'ireto sakaizany.

Raha tahaka an'iny, hoy izahay teo, no nitondran'ilay zatovo ny teniny, dia azo inoana fa voaentana tokoa ny mpihaino, satria Teny Malagasy midona any am-pon'ny mpihaino no nenti-nanambara azy. Ny fo mantsy no mahery tosika noho ny saina amintsika malagasy ka manome toetra ilay olona taorin'izay teny nolazaina taminy. Itompoanay teny fantatra izany. Fa ataovy amin'ny teny vahiny ange ny fampiononana mana-manjo, nefa samy malagasy no mifanatrika eo ! Hahita fiononana ve ireo tra-pahoriana ? Atao vy amin'ny teny vahiny hoe ny kabarim-pifidianana, dia mba saino kely izay isam-bato mety ho azonao amin'izany. Fa tsy maintsy ny Teny Malagasy ihany no afaka manentana ny fon'ny vahoaka raha hitory fampandrosoana marina ianao. Midona sy manentana ny fo av y hatrany mantsy ny Teny Malagasy, ka manamboatra ny toe-po.

Diniho kely ireto, azafady, dia hazava aminao ny fahamarinan'izany :
"Nafana fo ny fokonolona, ka tafatsangana haingana ny sekoly." Izany no fiteny, fa tsy hoe : "nafana saina" ny fokonolona..."
"Niteraka risipo tao amin'ny vahoaka ny kabarin'ilay olomboafidy", fa tsy hoe : "niteraka risitsaina."
"Namoifo ny vahoaka fa fitaka avokoa ny toky nomena ...", fa tsy misy amintsika malagasy izany hoe "namoisaina ny vahoaka."
"Nahafapo azy ny zavatra reny tany am-pivoriana..." fa tsy hoe "nahafa-tsaina azy ny zavatra reny."
"Vao reny ilay vaovao dia nentim-po izy ka lasa ..." fa tsy misy amintsika izany hoe "nentin-tsaina."
"Dia mba samy nahazo fahafahampo ny mpihaino rehetra," fa tsy misy ny hoe "nahazo fahafahan-tsaina ny mpihaino."
"Nanala ny fony izy raha vao nandre ilay hafatra nalefa taminy. Fa tsy fiteny ny hoe "nanala ny sainy" izy.

Mbola azontsika tohizana ireny sy ny tahaka ireny, fa be dia be. Mazava amintsika àry izao fa ny fo no tanamilina ao anatin'ny olona, ka manentana ary manome azy toetra entiny miatrika toe-javatra iray. Ny enti-manentana ny fo kosa anefa, dia ny Teny ihany.

Koa raha te hanentana ny fon'ny vahoaka amin'ny Fampandrosoana isika dia ny Teny Malagasy ihany no afaka manao izany. Dia teny malagasy madio, tsy safiotra na vandambadana. Teny malagasy feno ohatrohatra amana ohabolana sy hainteny, fa ireny no mamoha varavarana ny fo.

Izany tsy akory tsy midika hoe : foany sy avalony any izay teti-pandrosoana amam-pivoarana novolavolain'ny saina, na fafao avokoa izay rehetra noheverin'ny saina. Fa azo atao tsara kosa ny mampisoka sy mampando Teny Malagasy azy ireny, ka hahatonga ny vahoaka hahatakatra avy hatrany izay lazaina aminy. Na inona na inona mantsy hasoan'ny tetika sy paikan'ny saina, raha tsy voampaly amin'ny Teny Malagasy dia tonga amin'ilay hoe : "langilangy zozoro, mitefoka ihany fa tsy maharary, ary rano an-damosim-borombazaha : mitosaka ihany fa tsy mahakotsa". Ary raha tsy teny malagasy no anentanana ny fon'ny vahaoka, dia "sasara ny olon-ko hariva ny andro hoy ny ntaolo, fa sasa-poana manao saha maina fa tsy ho tompon'ny tany tsy akory".

Rahateo, mbola malagasy tsy mahay teny vahiny, na izay dikan'ny nvoambolana vahiny milaza haitao sy hairaha ny 85 isan-jaton'ny malagasy tian-koentanina eto Madagasikara. Izy ireo, anefa, no kitro ifaharan'ny fampandrosoana, koa raha tsy Teny sy Fiten y azony am-po no itaomana azy dia horaisina ho didy aman-dalàna fotsiny ny toro-lalana omena azy, na sanatria aza, raisiny ho asa an-terivozona mihitsy ny paika rehetra torina aminy, ka sady tsy inoany no ataony fe ataony noho ny tahotra izay mety ho vokany avy eo. Raha tsy hoe, angaha, ho vitan'ny manampahaizana sy ny mpitndra samirery ny fampandrosoana ity tany ity, fa avela ho mpitandamba fotsiny ireo 85 isan-jaton'ny malagasy ireo.

Manan-karen-teny azo itaomana sy anentanana ny vahoaka isika Malagasy. Efa mijoro rahateo ny Foibe momba ny Teny eto amintsika, ka azo anovozana sahady ankehitriny. Saingy asa, na misy mihevitra azy tsy ho ampy, na efa harafesin'ny fahalainan-kitady ny mpivaofy hevitra sasany, ka miaingitra kely manao hoe : "azafady fa holazaiko amin'ny teny vahiny mba hazava amintsika kokoa." Dia mbola mihevi-tena ho Malagasy hahazo ny fon'ny vahoaka ve ny olona tahaka izany ? Ekena fa mety ho lava kokoa ny fanazavana ilay teny vahiny amin'ny Teny Malagasy vao mety ho takatra ny tena dikany. Kanefa mampaninona moa ny mandany fotoana amin'izany raha tena ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana tokoa no katsahina ? Afa-tsy hoe, angaha, matahotra sao tsy mba at aon'ny olona hoe : "tsy mba nahita fianarana raha tsy mampiditra teny vahiny ao amin'ny lahateniny". Dia mizahozaho ery any anatiny any, nefa tsy mankaiza akory ny zavatra lazainy. Ny vahoaka kosa dia manakilasy azy ireny hoe : "Dedadahy tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka famaky dimy no hetsiketsehina."

Tsaroako tsara, fony vao azo ny Fahaleovantena, ka nentanina tamin'ilay fambolem-bary "en ligne" ny Tantsaha sy mpamboly vary. Nahatsikaiky sy nampalahelo anefa, fa noheverin'ny any ambanivohitra ho anaran'olona ity "ligne" ity, ka maro no nilaza hoe : "Aiza ho aiza, tompoko, no misy ity Raline ity, mba hakanay toro-hevitra amin'izay nataony ?" Teo vao nikoropaka ny manampahaizana nitady teny malagasy, ka voatery nitety tanàna sy vohitra, nilaza fa "voly tora-tady" no dikan'io fa tsy izany "Raline" izany. Ho efa nahomby hatrany am-piantombohany anefa ny tetika, raha nogasiana hoe : "Manaova voly tora-tady !"

Misy koa aza sarambaben'olona mitaraina ankehitriny, ka manao hoe : "Nahoana no jeren'ny Fanjakana fotsiny izany "flottement" izany, fa tsy samborina sy gadraina ?" Heveriny ho olon-dratsy na mpigadra nandositra manotsy izany "flottement" mampisondro tra ny vidim-piainana izany. Ihomehezantsika ny fandrenesana ireny ! Kanefa dia izany no izy, rehefa tsy voazava amin'ny Teny Malagasy hatrany am-piandohany izay tena dikany.

Tsotra ihany no hevitra arosonay ho famaranana izao famelabelarana feno zavatra mahatsikaiky, nefa maha velon'eritreritra koa:

1. Aoka ho tsaroana mandrakariva fa ny Teny Malagasy, miantefa any amin'ny fo ihany, no afaka manentana ny vahoaka, na inona na inona tian-kitaomana azy.

2. Aoka hiezaka hahay sy hampiasa Teny Malagasy ny tompon'andraikitra rehetra te-hampandroso ity tanindrazana malalantsika ity, raha tiany hotafita sy hazava amin'ny vahoaka izay soridalana tiany hitarihana azy.

3. Aoka hotohanan'ny Fanjakana, tsy ara-bola ihany, fa raiketina indrindra amin'ny Didy aman-dalana ireo voambolana sy teny nokarohin'ny Tsangananasa sy Mpikaroka nanolo-tena hanabe voho ny Teny Malagasy, mba tsy ho "very maina ohatra ny menaka nahoso -bato" izay ezaka nitsembohan'izy ireny hoenti-mampandroso ny vahoaka sy ny tanindrazana.

Fa hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina, ary miray feo amin'ilay "Dinan'i Afrika momba ny Kolontsaina" hoe : "Tsy misy Teny afa-mampandroso ny tany iray afa-tsy ny tenin-drazany ihany." Nanamafy izany koa ny Lalampanorenantsika ka manambara fa ny "Teny Malagasy no tenim-pirenena".

Fa raha tsy izany tokoa : "Manakodi-by isika, mahandro fanjaitra : voky ihany fa manevitevika" ary "kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny an'ny tena indray no androtsahan-dranomaso."

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy, naharitra nihaino anay.
2. adoektam ( 20/03/2013 14:51)
Salama e!
1.tena ekeko fa olon'ny fo ny Malagasy ary marina dia marina tsy misy azo kianina ny fanazavanao momba izany. Ekeko koa fa ny teny no ahafahana manentana ny fo sy mampita tsara ny tian-kambara. Amiko anefa, tsy ny teny amin'ny maha teny azy loatra no midika inona fa ao ambadiky ny teny iray dia misy fihetsehampo iray na maromaro.Noho izany, na voambolana malagasy no ampiasaina na voambolana vahiny dia mora kokoa amin'ny Malagasy ny mandray azy rehefa ao ilay fihetsehampo miaraka aminy. Raha tsy hiteny afa-tsy ireo zaza mijery sarimihetsika aho, mazàna amin'ny fiteny vahiny izy ireny kanefa mahavariana fa fantatry ny ankizy amin'ny antsipiriany tokoa ny fizotran'ilay tantara ary hainy ny mitantara an'iny ami'ireo namany rehefa avy eo. Amiko, ny teny dia tandindona ihany fa ny zavatra fonosiny no tena zava-dehibe indrindra.

2-Ho ahy manokana, tsy mampaninona ahy velively ny mandre olona miteny voambolana maro samihafa rehefa manambara zavatra. Ny manahirana ahy dia ny tsy fahaizana manaja ny firafitry ny fehzanteny Malagasy. Io firafitry ny fehezanteny io amiko no tena zava-dehibe fa tsy ny resaka voambolana. Ny firafitry ny fehezanteny mantsy no tena maneho ny maha Malagasy antsika fa tsy ny voambolana loatra.Hafa mihitsy ny lalan-tsaina ananan'ny fomba fiteny Malagasy.

3- Ny voambolana rehetra, na malagasy io na vahiny dia tokony ho azo ampiasaina daholo rehefa mahalaza ny tiana hambara. Marina ilay ohatra noraisinao hoe fambolena 'en ligne': raha heverina fa azon'ny ankamaroan'ny olona io dia tokony ampiasaina, fa raha izy miteny fotsiny ihany no mahazo azy dia tsy tsara ny mampiasa azy. Ohatra: iza amintsika no tsy hahazo ny tiana ho lazaina amin'ny teny vahiny hoe: merci ? Ataoko fa na dia izay heverina ho tsy mba nandia lakilasy aza dia mahazo ny tiana lazaina amin'izany ka tsy mampaninona velively ny mampiasa azy na mampiditra azy any anaty kabary aza.

4- Betsaka ireo teny vaovao izay noforonina. Teny Malagasy no ilazana azy na dia tsy fandre sy fampiasa matetika aza taloha. ohatra: traikefa, nandikana ny teny vahiny hoe "experience". Tsy maintsy mbola nozarina hampiasa io teny io aloha ny olona vao afaka namoaka ny tena tiana holazaina aminy. Tahaka izany ihany koa no heveriko fa tokony hatao raha hampiasa teny vahiny iray eo anatin'ny fehezanteny malagasy.

Heveriko fa mba azo saintsainina ihany izay voalazako izay ka am-bava homana ary am-po mieritreritra e. Ny maha Malagasy dia tokony ho lalaina tokoa, kanefa mivoatra ny olombelona ka tokony hisy fivoarana ihany koa ny maha Malagasy fa tsy ho fehezina hoe tsy maintsy ity na tsy maintsy izao. Ny fototra no tokony ho jerena ka aorina mafy tsara dia avela hifanongoa sy hilahatra eo amboniny ny hafa rehetra izay mety hanome endrika tsara ny trano.
3. Tibao ( 09/02/2014 13:43)
Salama e!

Raha amiko dia tsy mendrika ny miasa amin'ny fifandraisana izany olona izany. Hoatry ny hoe anglisy manandrana mivarotra zavatra amin'ny anglisy... amin'ny teny sinoa! Na frantsay manandrana mivarotra fitaovama amy mpiray tanindrazana aminy... amin'ny teny malagasy!

Ny olana hitako amin'ny teny malagasy koa dia izao : vitsy loatra (na tena tsy misy mihitsy) ireo olona manam-pahaizana malagasy mamoaka ny heviny amin'ny teny malagasy. Vokatry ny Fanatontoloana izany, ka rehefa mifantoka loatra ilay fahazarana, dia tsy mipoitra amin'ny teny nibeazana intsony ilay hevitra fa lasa mipoitra amin'ny teny vahiny... Ao an-tsain'ilay olom-pirenena malagasy.

Iaraha-mahalala fa tsy nianatra nanao kabary teny am-pianarana daholo ny olon-drehetra teto Madagasikara, na dia zavatra ilaina aza izany amin'ny asa fifandraisana, indrindra indrindra eto Madagasikara, tanin'ny Kabary.

Tena vitsy ohatry ny rano eny amin'ny Volana ny voambolana malagasy mikasika ireo taranja lehibe ireo :
* Siansa/Teknolojia : raha resaka teknôlôjia aloha dia efa TARA BE MIHITSY ny teny malagasy.
* Jeografia/Jeopolitika : jereo fotsiny ireo anaram-pirenena : adika-apetaka (copier-coller) avy amin'ny teny frantsay ny anaram-pirenena , zara fa misy fanagasiana. Madagasikara, Mozambika, Afrika Atsimo, Frantsa ary Etazonia ihany no mba anaram-pirenena voagasy amin'ireo firenena 192 mpikamban'ny Firenena Mikambana. Na dia izany aza, efa mahita ezaka ihany aho eo amin'i Wikipedia Malagasy izay miezaka managasy ny anaram-pirenena.

Na dia izany aza, misy ireo ezaka atao amin'ny fampielezana ireo teny tsy fahita amin'ny fiainana mandavanandro ireo, fa indrisy vitsy loatra izy ireo.
4. zouandrian ( 23/06/2017 14:37)
inona avy kay ny firafitry ny akademia malagasy??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1374