Ny zanakareo ko ve mba manao anzany ?

1. jobiely ( 14/02/2013 12:43)
Miarahaba daholo e,
Ny zanako 4 taona latsaka kely, vao niditra nianatra t@ octobre dia tsy miteny mints hono izy any ampianarana oziz lé maitresse. Na anontaniana D miteny mora kely, efa apetrany eo apovoan'ny mpianatra roa be resaka be hono dia mbola ts miteny fôna. Izy nefa aty an- trano miresaka be mints. Tsy aiko mints oe aôna no ataoko mba hanampiko azy iala amin' izany fahanginany any am- pianarana zany. Mba omeo torohevitra reto fa mapalaelo an.
Misaotra mialoha saady ho an' zay manoratra.
novalian'i endriny ny 22/05/2013 13:24
2. mirananirina ( 14/02/2013 16:27)
tsy aleo ve izy tsy be resaka any ampianarana fa mihaino tsara? Ilay izy tsy miteny indray dia adidin'ny mpampianatra no mampiteny azy any ampianarana fa ilazao fotsiny izy fa tokony hamaly ny mpampianatra rehefa anontaniana raha tsy izay voasazy
3. nannie ( 16/02/2013 09:27)
Izaho koa tena tratran'izany tamin'ny mbola kely. Tena miraikitra mihitsy io molotro io mandritra ny fotoam-pianarana. Ary rehefa tonga any an-trano aho vao misokatra io, dia rafitra mitantara izay rehetra nitranga tany aho. Tsy afaka io takaitra io raha tsy efa vantombantony, classe de 4eme aho. Ary ny nahafaka azy dia tamin'ny fotoana nahazoako naoty ambony indrindra tamin'ny sciences naturelles, tao am-pianarana. Voalohany teo amin'ny fiainako io. Dia izay aho vao niresaka.

Ny azoko tsoahina izao izaho efa lehibe izao, dia voan'ny tsy fahatokisan-tena aho tamin'izany, saro-kenatra koa, vokatry ny fanabatibatian'ny olon-dehibe ahy be loatra. Hany ka matahotra aho hoe vao hiteny eo izao aho d tsy mety indray ny hataoko. Dia aleoko mangina. Marihina fa izaho no kely indrindra tany am-pianarana tamin'izany.

Ny tiako ihaviana ary, ary ny heveriko ho mety ho vahaolana amin'izany olana izany dia izao :
mba omeo lanjany ilay zaza ao an-tokantrano, eo amin'ny fiaraha-monina. Aza dia faly mibedibedy azy foana isak'izay mihetsika, dia hatoky tena izy. Fantaro ny talentany na ny zavatra hainy dia omeo làlana izy hanao izany, dia hisokatra izy. Avelao izy hilalao indraindray, ampanaovy fanatanjahan-tena. Asehoy azy fa na kely aza izy dia misy lanjany eo amin'ny fiainanareo andavan'andro. Mahereza.
4. ral_ ( 17/02/2013 16:39)
Salama,

mba andramo hoe raha mety ny manasa ankizympianatra namany akaiky azy any an-tranonareo manao fety kely sns ohatra ....
5. booboo ( 19/02/2013 08:58)
Manampy ireo notenenin'i Annie sy Ral_ koa ampanaovy activités miaraka @ ankizy maro² mitovy taona aminy.

6. jobiely ( 19/02/2013 11:50)
Tena misaotra daholo amin'ny torohevitrareo fa ho andramako. Za lo tsy D pibedibedy anazy lôtra fa ny dadany foana matetika no mitrerotrerona sy mikapoka e, efa teneniko fôna lé dadany @zany fa mbola manao tsindraindray iany. Ilay zanako nefa tsy D oe maditra, eo ko ny akizy eo an- tanànanay, tsy avelan-dry zareo mandray ny kilalaony lé zanako refa mba miara milalao amindry zareo. Zany daholo ngamba no mahatonga azy hitokatokana. Aleo handramana ireo teninareo 3 ambony ireo fa dia misaotra indrindra tompoko.
7. booboo ( 03/05/2013 13:13)
Nanakory izy izay ry Jobiely ?
8. jobiely ( 08/05/2013 09:04)
Efa mba miresaka amin'ny ankizy sasatsasany hono izy any ampianarana oziz lé maitresse fa mbola ts miteny ravo lé maitresse no manontany. Efa mba nisy fivoarana kely ihany aloha izy e
9. endriny ( 21/05/2013 17:37)
Mba andramo aloha hoe miaraka milalao aminy alohan'ny sakafo, izany hoe mandra-pangatsiakan'ny sakafo omena azy, dia ilazana mialoha izy hoe tapitra ny lalao fa andao hisakafo. Fa mety tsy miaraka milalao na manao zavatra ianareo dia samy manao izay ataony hoy ny kilonga mandihy ambony vato
10. jobiely ( 22/05/2013 08:39)

endriny:

Mba andramo aloha hoe miaraka milalao aminy alohan'ny sakafo, izany hoe mandra-pangatsiakan'ny sakafo omena azy, dia ilazana mialoha izy hoe tapitra ny lalao fa andao hisakafo. Fa mety tsy miaraka milalao na manao zavatra ianareo dia samy manao izay ataony hoy ny kilonga mandihy ambony vato


Tena diso ianao fa dia tena misary adala miaraka aminy mihintsy aho rehefa ao an- trano, miara manao dinette, samy mitaiza saribakoly, manao fanenjika sns e, kilalao betsaka no iarahanay sy izy manao, za rahateo koa mbola jeune maman e lol, ary izaho aza miheritreritra hoe sao izahay sy izy miara milalao no mahazatra azy dia lasa tsy à l' aise izy raha vao olon- kafa akoatra anay mianaka, izy koa nefa milalao tsara @ ankizy hafa eo akaikinay sy amin'ny zanaky ny zokiko fa ilay any am- pianarana mihitsy izy no tsy miteny. Rehefa tonga aty an- trano izy nefa petsam- bava otrn reny in reny. Faly aloha za fa mba efa tsy kamo mianatra intsony izy e, mety mba efa miha mahafinaritra azy angamba any matoa izy efa mba mazoto.
11. endriny ( 22/05/2013 13:19)
Raha izany dia mety ampanarinao fo loatra izy, ka lasa izy indray no mibaiko anao. Mety Adinonao fa tokony hisy amin'ny fotoana sasany ilay hoe tsy maintsy
12. endriny ( 22/05/2013 13:24)
Fa tsara aloha rehefa mazoto mianatra izy, fa hoa vy koa mantsy rehefa kelikely ilay hoe izao no lazain'ny mpampianatra anay. Dia izay nolazain'ny mpampianatra ihany no atao satria ilay mpampianatra mahafehy ilay zaza. Fa rehefa any an-trano dia tsy mihaino dada sy neny, fa ireny tsy mpampianatra tsinona. Jereo ange eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1891