Information @ teny gasy

1. Nehemiah ( 13/02/2013 14:51)
Ahoana kay no andikàna ny teny "information" @ teny gasy @'ity fehezanteny ity ?

"Le vivant est bâti sur l'information, l'ADN est une bibliothèque de la taille de plusieurs millers de dictionnaires contenant toutes les informations nécessaires à la création d'un être vivant."

Tena mamaky ny lohako izany ! Na dia ny rakibolana aza tsy mahavaly azy !
novalian'i Miharena ny 09/03/2013 17:45
2. amig0 ( 13/02/2013 15:23)
Hanontanio i andry Tgv
3. Nehemiah ( 13/02/2013 15:26)
Lol. Fa sao dia mba manana hevitra manokana ianao ?
4. hery ( 13/02/2013 16:22)
Raha fahalanàna ve tsy mety?
5. Miharena ( 13/02/2013 16:27)
Ny manan'aina rehetra dia namboarina araka ny raki-pahalalàna fototra, ny ADN dia antontam-boky manana habe toy ny rakibolana anarivony ahitana ireo tahirim-pahalalàna rehetra ilaina amin'y famoronana zavamananaina iray.

Mety mahadika azy ve izay?
6. Nehemiah ( 14/02/2013 06:30)
(y), misaotra betsaka Miharena ! Fanontaniana iray sisa : mbola hiverimberina ny resaka "information" ka ny aiza @'ireto no tena mitovy hevitra amin'izay teny izay : "raki-pahalalàna" sa "tahirim-pahalalàna" ? Sa mitovy ihany ?
7. ral_ ( 09/03/2013 16:57)
salama jiaby e,

raha mamorona aho ry Nehemiah dia ataoko hoe "hay" na" laza" na "ome" io. Ny fitenintsika moa manify kely ny bokin-drakibolana ka sahirana vao tena mahita dika-teny amin'izay ilana azy.
Ny tadidiko izao ao amin'ny pejy 18 dia efa f..

mahazotoa e
8. Miharena ( 09/03/2013 17:45)
Adino ity fanontanian'ny namana Nehemia momba ny fandikana ny teny Information ity. Raha ireo resahan'i Ral_ azy ireo, ny hay dia connaissance no mahadika azy, ny laza dia renommée ary ny ome dia don.

Fa ny information dia mety kokoa ny miteny hoe raki-pahalalàna. Ny tahirim-pahalalàna dia archive (misy support nanoratana azy) fa ny raki-pahalalàna kosa dia azo heverina hoe misy support mental nanangona azy. Ny tahiry eto dia ny firaketana an-tsoratra.

Ny teny hoe vaovao no tena mahalaza koa azy io satria izay zava-mitranga vaovao hampitaina no atao hoe information eto.

Ny teny farany azo raisina indrindra dia hoe "ranto" : Mandranto no atao hoe s'informer ka azo tenenina ohatra hoe : izay voaranto momba ny lohahevitra iray midika hoe : les informations d'un certain sujet.

Manampy angamba izay aloha namana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4195