Tsy tena katolika raha niala katolika

21. Miharena ( 12/02/2013 11:21)
Faly hatrany miresaka aminao namana,

Sao dia tsy hitanao kosa namana izay havaly ireo fanamarihana ireo indrindra fa ny fifohazana lalim-paka azon'ny Kristianina Katolika sy Protestanta. Raha tena mijery lalina ianao dia hahita hoe misy fahamarinana ho an'izay nandray am-pahatsorana ao. Fa ho an'ny fatra-pitady fahamarinana kosa dia tsy mahita na inona na inona izy dia lasa mamorona antoko hafa indray izay mety tsy azo antoka loatra satria mety hisy tantara tsy marim-pototra hoforoniny indray ao.
22. RBNIR ( 12/02/2013 11:45)
Mihezaka hatrany aho namana Miharena, tsy hanimba lohahevitr'i ny namana,
Ny hafatra eto efa mazava, fa raha katolika niala aza miseho ho katolika na mahafantatra ny momba ny katolika,
Tsy dia hitako loatra ny hifandraisany amin'ny resaka bibidia, ary raha ny resaka bibidia tsy hitako koa izay ampiana mihoatra ny efa nozaraiko teo aloha.
Samia ho tahin'ny Tompo e
23. didi10 ( 13/02/2013 06:15)

[quote=hery]
Fomba fitenin'ny sasany (ex-katolika) eto amin'ny serasera ilay hoe "izaho efa katoli
24. leva2 ( 13/02/2013 18:45)

Nehemiah:

De toute façon tsy dia any loatra ny olana, fa ny tena tiana ho fantatra dia ara-Baiboly tanteraka ve ny fivavahana katôlika, sa misy zavatra mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra @ fomba goavana araky ny filazan'ny sasany ilay izy.


Velona Jesosy!

Tohanako ity hevitrao ity namana Nehemiah.
Ny fanontaniana hipetraka rehefa ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra ny Tompo, tsy hoe : "katolika ve sa tsia?" tsy hoe "mpandray ve?" "sabatiste ve?" "diakona ve?" fa izao : manana an'i Jesosy ve? mitafy an'i Jesosy ve? nodiovina tamin'ny ran'ny Zanak'ondry ve? nandray ny Fanahy Masina ve?

Misy teni'Andriamanitra ity, ary angatahiko mba ho toy ny mijery fitaratra ny katolika rehefa mamaky azy ity, ka hanontany tena sy handini-tena, hanokatra ny fo sy saina fa tsy hiaro tena sy hamaly anjambany :
"Vous ne planterez ni poteau sacré ni arbre sacré à côté de l'autel que vous construirez pour le Seigneur votre Dieu. Vous ne dresserez pas non plus à cet endroit de pierre sacrée, car le Seigneur déteste de telles pratiques" Deo 16/21-22

Ny Fanahy Masina hanokatra ny fo sy ny saintsika.
25. Miharena ( 14/02/2013 03:46)
Amiko indray dia tsy tokony hanao io fiheverana hoe hisy fanontaniana izany any an-danitra amintsika olombelona. Fanahy mifono nofo isika eto an-tany ary ny momba ny nofo sy ny saina no misy fanontaniana fa rehefa tonga ny fodiamandry dia fitsaharana no misy. Ka asa hoe mety ihany ve izany fandrafetana ataontsika ho mari-drefy mahavonjy izany namana?
26. leva2 ( 14/02/2013 04:20)

Miharena:

Amiko indray dia tsy tokony hanao io fiheverana hoe hisy fanontaniana izany any an-danitra amintsika olombelona. Fanahy mifono nofo isika eto an-tany ary ny momba ny nofo sy ny saina no misy fanontaniana fa rehefa tonga ny fodiamandry dia fitsaharana no misy. Ka asa hoe mety ihany ve izany fandrafetana ataontsika ho mari-drefy mahavonjy izany namana?

Velona Jesosy!
Ny tena kristiana anie miharena ka tsy ny fiheverako azy, na ny fijerinao azy intsony no zava-dehibe, fa ny hevitr'Andriamanitra e. Ary izany no handraisana mandrakariva ny teniNY hanitsiana izay fomba fijerintsika diso sy tsy mifanaraka amin'ny sitrapoNY.

Izay fo manaiky hahitsy izay ilay "fo nofo" omeny antsika, fa raha miziriziry isika manoloana ny tenin'ny Tompo dia mazava fa mbola tsy ao amintsika Izy ary mbola "fo vato" no ao anatintsika.
"Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo" Eze 36/26.


Momba ny famonjena, mba diniho anie ireto tenin'Andriamanitra ireto :
"Izay mino sy atao batisa no hovonjena" Mar 16/16
"Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
Ary amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika--tsy amin’ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona hianareo.
Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa". Rom 08/09-17
"Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena" Mat 24/13
27. Miharena ( 14/02/2013 05:28)

Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô


Vontoatiny mazava ireo voasoratra ireo ary iainana ankehitriny mandrakizay, fa tsy hoe mamorona resaka momba ny hoe hisy fanontaniana indray any an-danitra any rehefa hodimandry. Misy ireo endrika roa noresahana dia ny osa sy ny mahery, ireo mahery no miditra, izany hoe ireo izay manana fahamatorana ara-panahy miray ami'n'ny RAY araka ny fampianarana fa ireo izay osa satria mihevitra fa malemy eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy mbola afaka miray AMINY tsara. Izany eo ihany fa hoy aho hoe efa anarivony taona maro anie no nanambarana ny famonjena dia ny fampiraisana ao ami'ny Fanahy Masina, ka sao dia averina any amin'ny tantara indray ny olona rehefa mitory isika fa tsy mampandre azy fotsiny hoe efa ela izany fikasàna izany ary efa tanteraka ankehitriny ho an'izay mahay mandray.

Ny fampanantenana eritreritra dia tsy tokony voizina fa ny fandraisana izay feno entina mitondra tena mijoro tsara no tokony hambara.
28. Nehemiah ( 14/02/2013 06:11)
Raha ny momba ny resaka famonjena indray dia nanoratra lohahevitra momba an'izany aho. Ity ilay izy :

http://forum.serasera.org/forum/message/m50ed7da1cef88
29. tsitialainga ( 14/02/2013 10:45)

hery:

Fomba fitenin'ny sasany (ex-katolika) eto amin'ny serasera ilay hoe "izaho efa katolika ela be fa fantatro fa diso ny finoanareo katolika"...

Izao no teniko ho azy ireny:

- Aza mihambo ho "katolika ela be" satria tsy tena katolika ianao matoa niala. Ny tena katolika izay tena resy lahatra dia mahalala ny finoany ka sarotra ho azy ny ho resy lahatra amin'ny zavatra hafa noho izany.
- Aza mihambo ho efa katolika akory, fa tsy mbola katolika akory ianao satria tsy ampy akory ny vita batemy hilazana hoe katolika fa mila miaina ny tena finoana katolika.
- Aza mihambo ho mahalala ny finoana katolika satria na izahay tsy miala katolika aza mivelona isanandro ary tsy mbola afaka mihambo ho mahalala ny zavatra rehetra.
- Mbola betsaka ny zavatra tokony ho fantatrao saingy niala talohan'ny fotoana ianao ka izay no tsy nahalalanao azy.

Manana zò feno ianao hanana ny fiangonana sy ny finoana izay maharesy lahatra anao... fa aza miteny akory hoe mahalala ny finoana katolika, indrindra hoe mahalala noho ny katolika, satria famitahan-tena ihany izany :-)

Mahereza hatrany.

Ary mitady hasiaka be Hery zany an ? Voatohina ngah ny afero? Chuuuuuuuuu.........t. Aza mora mitroatra toy izany namana Hery a! Dinidinika ange no ataon-tsika eto e.
Tsy hanampy fahatezerana anao tsy akory aho fa mba misokafa tsara ihany @ fahalalàna sy ny fahazavan-tsaina fa manjary tsy hivoatra mihitsy isika, izany hoe mba tonitoneo ny fomba fiteny fa aza atao an' izany hoe mihambo, mihambo, mihambo izany e!
Ianao izany zao mbola hiandry ny ila-sandrin'iza hoavy eto Mscar indray alohan'ny hibebahanao fa manompo sampy ianao? Sa sofina sa ankihibe tongotr' iza indray no halefan'ny mena sofina aty di hiankohoka eo anatrehany ianao hivavaka hangata-pitahiana?
Tsy hampahatezerana no itenenako an' izany namana fa mba henoy ihany ny manodidina anao fa tsy hoe diso foana rehefa ankoatra ny finoanao fa efa voalaza sy azo fantarina mialoha anie ny FAHAMARINANA e! Ohatra hoanao, vakio tsara ny Deot 4/15-20 dia ho hitanao ao fa tokony hiala @ ratsy fanao ianao. Tsy lany andro io teny io na dia ao @ testamenta taloha aza.
Koa mahereza mikatsaka sy miverina haingana namana Hery raha mbola atao hoe ANIO!
30. hery ( 28/02/2013 15:03)

tsitialainga:

Ary mitady hasiaka be Hery zany an ? Voatohina ngah ny afero? Chuuuuuuuuu.........t. Aza mora mitroatra toy izany namana Hery a! Dinidinika ange no ataon-tsika eto e.
Tsy hanampy fahatezerana anao tsy akory aho fa mba misokafa tsara ihany @ fahalalàna sy ny fahazavan-tsaina fa manjary tsy hivoatra mihitsy isika, izany hoe mba tonitoneo ny fomba fiteny fa aza atao an' izany hoe mihambo, mihambo, mihambo izany e!


Aza manahy fa tsy mety tezitra ny katolika :-) Raha izany mantsy dia efa nizarazara ny finoany... fa hatramin'izao aloha dia katolika foana ny katolika.


tsitialainga:
Ianao izany zao mbola hiandry ny ila-sandrin'iza hoavy eto Mscar indray alohan'ny hibebahanao fa manompo sampy ianao?


Dia avelao ho very raha toa ka manompo sampy no fiheveranao azy. :-)
Ny ahiako fotsiny araka ilay nolazaiko tetsy ambony dia manomboka kivy ianao hoe atao daholo izao fanenjehana rehetra izao nefa toa vao maika miroborobo. Satria raha hoe manompo sampy ny katolika no antony hanenjehanao azy dia olona hafa no tokony nenjehanao voalohany.

Koa mahereza e... tsy tora-pasika no nametrahan'i Kristy ny Fiangonana fa Vatolampy. Ary izay no mbola mampijoro mahery azy amin'izao.
31. Nehemiah ( 28/02/2013 15:15)

hery:

Aza manahy fa tsy mety tezitra ny katolika :-) Raha izany mantsy dia efa nizarazara ny finoany... fa hatramin'izao aloha dia katolika foana ny katolika.
Tiako marihana fotsiny fa fizarazaràna ny fiforonan'ny fiangonana orthodoxe sy ny Reforma Protestanta ary ny nisarahan'ny fiangonana tany Angletera nanjary Fiangonana Anglikana.
Sady tsy ny EKAR ihany no anaram-piangonana katôlika fa ao koa ny kôpta, ny Byzantine, ny Arménienne, ny Ethiopienne,...
32. tanicus ( 25/01/2015 12:08)

hery:

Fomba fitenin'ny sasany (ex-katolika) eto amin'ny serasera ilay hoe "izaho efa katolika ela be fa fantatro fa diso ny finoanareo katolika"...

Izao no teniko ho azy ireny:

- Aza mihambo ho "katolika ela be" satria tsy tena katolika ianao matoa niala. Ny tena katolika izay tena resy lahatra dia mahalala ny finoany ka sarotra ho azy ny ho resy lahatra amin'ny zavatra hafa noho izany.
- Aza mihamb ho efa katolika akory, fa tsy mbola katolika akory ianao satria tsy ampy akory ny vita batemy hilazana hoe katolika fa mila miaina ny tena finoana katolika.
- Aza mihambo ho mahalala ny finoana katolika satria na izahay tsy miala katolika aza mivelona isanandro ary tsy mbola afaka mihambo ho mahalala ny zavatra rehetra.
- Mbola betsaka ny zavatra tokony ho fantatrao saingy niala talohan'ny fotoana ianao ka izay no tsy nahalalanao azy.

Manana zò feno ianao hanana ny fiangonana sy ny finoana izay maharesy lahatra anao... fa aza miteny akory hoe mahalala ny finoana katolika, indrindra hoe mahalala noho ny katolika, satria famitahan-tena ihany izany :-)

Mahereza hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1666