torolàlana

1. fenotsiky ( 23/01/2013 08:57)
afaka manoro anao ny fomba fitadiavana asa en ligne aho tsy misy lainga tsy misy fitaka fa ny base no atoroko anao
novalian'i 5laody ny 13/03/2013 17:37
2. ded.kitty ( 16/02/2013 06:52)
Betsaka ny universite top aty bekintana manome cours informatique gratos ao @ Internet. UC Berkeley, MIT, Harvard, Stanford, Carnegie-Mellon... MIT Open Courseware no tena jereko matetika:
http://ocw.mit.edu/courses/electrical-engineering-and-computer-science/

Mila mahay teny anglisy aloha e. Ny prof ndry zalahy sasany manana accent vinany satria mety avy any Inde ohatra.

Mazotoa e.
3. nilex ( 18/02/2013 08:06)
Afaka manome ohatra ve i fenotsika .Izaho ohatra izao informaticien dia ahoana.
4. ded.kitty ( 18/02/2013 13:05)
Oadray! Ary neveriko fa takelaka hafa izy ity. Azafady e.

Ny fitadiavana asa en ligne dia, voaloahany indrindra fantaro inona no tanjona, izany hoe asa tianao atao, ary fantatrao fa vitanao. Fantaro koa raha orinasa kely, na lehibe, sa eo ivoany no mety aminao kokoa. Fantaro eo @ hoatr'inona eo ny karama ny olona ao @ taranjan'asa tadiavinao hidirana, ary raha mety aminao. Ao Madagasikara, sa ao ivelany? Mbola tovo moa ny tena niala avy ao Madagasikara, ka tsy dia haiko loatra hoe ahoana ny fomba fomba any @ fitadiavana asa. Kanefa kosa misy zavatra vitsyvitsy tsy miova na aiza no misy anao eto an-tany.
Voalohany indrindra, jereo en-ligne iza ny orinasa 10 na 15 tianao hiasana, sy orinasa 10 tsy dia hivakianao loha loatra. Tadiavo ny momba-momba azy, dia hampitaho amin'ny fahaizanao ny fahaizana tadiaviny. Raha fantatrao fa afaka manampy an'ilay orinasa ny fahaizanao dia ataovy lisitra amina taratasy ny "satria" sy ny "ahoana".
Vita izay, antsovy ilay orinasa tsy dia rahahinao, dia anontanio iza no anaran'ilay tompon'andraikitra @ fifidianana mpiasa, ary ny fomba sy fotoana azo hanakarana azy. Raiso ny valiny omeny anao, dia takaro ilay olona. Raha en-ligne fotsiny no hidiranao, raha tsy hoe efa olona be fahaizana, tsy tafavoaka mora mora. Ary raha ianao no tena ex, izy no mety mitady anao. Raha mahazo entretien ianao, ka mila anao ilay orinasa tsy dia milay, asak'asakao izay hanaovanao azy. Hoatran'ny fikotiana sipa io e. Mila sahisahy. Dia aza atao zesta fotsiny, fa mila mahay mijoro toa angady mitsatoka @ tany ary mitohana amina andry rehefa mitsoka mafy ny rivotra. Raha tsy izany lany sy foana fotsiny ny fotoana nianarana firy taona izay. Ny sipa tsy dia voanao aloha no atao kotrana, amin'izay rehefa tonga ny tena soa efa vonona ianao.
Na aiza misy anao eto an-tany, tsara koa ny mahalala olona afaka mampiditra anao amin'ilay orinasa tianao hiasana. Ka tadiavo izay olona mitovy taranja aminao, indrindra raha miasa ao @ ilay orinasa tianao izy, dia anontanio raha mitady olona ry zareo. Ny akanjo ataovy mihaja foana, ny vata sy tarehy ataovy madio tsara koa, satria io no hitan'ny olona voalohany.
Afaka mandeha ao @ LinkedIn.com ianao hoatra dia jereo fa mety efa misy namanao ao.
Raha ohatra efa nanao stage ianao, aza konjo e. Tazomy ny fifandraisana @ ny olona niarahanao niasa. Mora kely io. Azonao andefasana carte postale na email kely izy rehefa tonga ny anniversaire-ny ohatra. Tratry ny taona, tratry nuy krisimasy... amin'izay tsy hadinony ianao. Rehefa vita ny stage, anontanio ny lehibe-nao, na ny lehiben'ny orinasa mihitsy aza, raha afaka manome recommendation matanjaka hoanao rehefa misy manontany. Io sy ny fahaizanao no andry hitohanao rehefa mitsoaka ny rivotra ry angady isany.
Aza manao hoatra ny hakamaroan'ny olona ka hoe rehefa en-ligne dia mora mora kokoa. tss tss tss... mbola mila mifandray @ olona foana. Rehefa ex iny ianao, ka tadiavin'ny orinasa ny fahaizanao, eo ianao vao tena afaka mivarotra azy en-ligne dia miandry fotsiny.

fenotsiky:

afaka manoro anao ny fomba fitadiavana asa en ligne aho tsy misy lainga tsy misy fitaka fa ny base no atoroko anao
5. mirananirina ( 12/03/2013 12:02)
dia en ligne daholo ve izany ny contrat de travail,salaire, sns... rehetra momba ny asa!dia ahoana sy ahoana ny fanaovana izany sao mahasoa?tsy misy lainga sy fitaka hoy ianao mantsy!!sa juste hoe torolalana @ fitadiavana asa fotsiny
6. 5laody ( 13/03/2013 17:37)

mirananirina:

dia en ligne daholo ve izany ny contrat de travail,salaire, sns... rehetra momba ny asa!dia ahoana sy ahoana ny fanaovana izany sao mahasoa?tsy misy lainga sy fitaka hoy ianao mantsy!!sa juste hoe torolalana @ fitadiavana asa fotsiny


Ny karama koa raisina en ligne: Tsy maintsy manana lcteur DVD na CD-ROM anefa ianao satria io no misokatra mamoaka vola taratasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407