Ilay omby blanc-bleu-belge

1. Nehemiah ( 14/01/2013 07:06)
Raha ataontsika hoe manana omby ra-Schwarzie dia minoa ahy fa tsy maintsy omby blanc-bleu-belge izany. Iny karazan'omby iny dia be hozatra be tsy misy toy izany, sady kely tavy. Ny ankamaroan'ny olona dia mahita an'izay ho porofo hita mason'ny evolisiona, satria hony nisy sampona nitondra fanatsarana ho an'ny omby blanc-bleu-belge. Nefa kosa, raha tena nivadika ho omby blanc-bleu-belge ny mikrôba (satria izay no ampianarin'ny fotopisainan'ny evolisiona) dia tsy maintsy nisy informations jenetika maro dia maro niampy mba hampivoatra ny ADN'ny mikrôba, izay tena tsotra raha ampitahaina @ hafa, hanjary ny ADN'ny omby izay goavana lavitra dia lavitra noho ny an'ny mikrôba.

Saingy ny mifanohitra @'izay no hitantsika @ omby blanc-bleu-belge : tsy nisy information vaovao niampy teo. Raha ny marina, nisy sampona izay nanimba ny gène mibaiko ny famokarana myostatine, izay mampijanona ny fitomboan'ny hozatra mba tsy ho gilady loatra. Ny dikan'izay izany dia misy information very eo : tsy mahafehy ny fitomboan'ny hozany ny omby bleu-blanc-beige. Ka nohon'izany, tsy misy fivoarana eo fa misy fihemorana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971