Ardipithecus Ramidus Kadabba

1. Nehemiah ( 09/01/2013 08:53)
Ny ankabetsahan'ny sarambabem-bahoaka dia tsy mahazo an-tsaina loatra fa ny zavatra heverin'ny daholobe ho "porofo tsy azo toherin'ny evolision'ny olombelona" dia matetika loatra porofo fragmentaire madindinika anaovany tsoa-kevitra mifandraika @ fotopisainana arahiny.

Rehefa zohina ny taolana 206 ao anatin'ny vatan'olombelona, hoatran'ny tsy dia manaitra loatra ny taolan-drantsantongotra iray, sa ahoana hoy ianao ? Nefa namoaka article ny Time Magazine sy ny National Geographic t@ volana Jolay 2001 izay nandoka ny taolan-drantsantongotra iray monja ho porofo goavan'ny nitsanganan'ny rajako razantsika t@ roa tongotra t@ 5,8 tapitrisa taona lasa. Ardipithecus ramidus kadabba no natao anarana siantifikan'ilay rajako.

Nefa inona no fototry ny filazan-dry zareo hoe nandeha 2 tongotra ilay biby ka angamba razantsika olombelona ? Ny bikan'izay taolan-drantsantogotra iray monja izay. Sady @'izay 16 km miala @ sisan'ny fĂ´sily nampiasaina mba hanaovana reconstruction an'ilay rajako no nahitana an'izay taolana izay.

Nitondra lohateny hoe "One giant step for mankind" (dingana iray lehibe ho an'ny olombelona) ny lahatsoratra, fa tokony nataon-dreo hoe "One giant leap in speculation" (dingana iray lehibe @ vinavina).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.115