VALALA

1. vonynive ( 11/12/2012 06:52)
valala tsy mandady harona ireto valalabemandry ao anaty haron-tabebaky ny fampanantenana lavareny. na samy valala indray mandry tokoa aza dia tsy indray mifoha, fa misy ireo efa naniry elatra ka lasa nanidina nialoha ireo namany, nanary ireo namana tsimbotry fa efa tonga adrisa, dia very hevitra ireto valala voatango sisa hatao ho valala fiandry fasana. ka enga anie tsy hifanipaka toy ny valala ankarona noho ny safosiaka mampandry adrisa ataon'ireo efa hary elatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3521