Ohabolana momba ny fikirizana

1. sitlo ( 20/11/2012 02:48)
Mba mitady ohabolana malagasy (tena izy fa tsy nagasiana) momba ny fikirizana aho raha misy mahafantatra.

Ny hoe "santatra am-bavarano ihany iny fa ny manetsa be mbola ho avy" dia tsy tena mahalaza an'ilay izy. Tsy tena fikirizana loatra io fa filazana sationany.

Ny hoe "Antananarivo tsy vita indray andro" na "Madagasikara tsy vita indray andro" dia fanagasiana ny hoe "Rome wasn't built in a day", fa tsy tena ohabolana malagasy loatra.

Ny hoe "Ny tao-trano tsy efa indray andro" dia tsy fiteny fa "Ny tao-trano tsy efan'irery" no fiteny.

Ny tena tediaviko dia afaka ampiasaina amin'ny hoe: mbola ho avy amin'izay fa tsy mbola efa aloha izao fa na "...". Dia asiana ohabolana kely.
novalian'i ral_ ny 04/12/2012 17:43
2. ral_ ( 04/12/2012 17:43)
salama,

"Ny an-tratra tsy lavo ka antsoy koa rayn'ialahy be" sa "Mahareta rĂ´ fa hanana ny shoa"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5947