Logiciel vitsivitsy mety miasa amin'ny mpianatra

1. sitlo ( 11/11/2012 23:12)
Misy namako izay nilaza fa ny ao amin'ny sekoly ampianarany dia mampiasa Eclipse C++ satria iny no gratuit.
Efa taona vitsivitsy izay ny Microsoft no nanampy ny sekoly. Maromaro ny logiciel Microsoft no omeny gratuit ho an'ny mpianatra.
https://www.dreamspark.com/Student/Software-Catalog.aspx

Matetika dia email .edu no ahafahana maka azy, izay tsy tena ananan'ny sekoly malagasy loatra, eny fa na ny Oniversite an'Antananarivo aza. Fa mino aho hoe misy fomba ahafahana manamarina ny maha-mpianatra tahaka ny accusé de réception...
Fomba iray ahafahana manery ny sekoly hisokatra sy hanaraka norme koa anefa ny fangatahanao ny sekoly hanana site.

Marihina koa fa ny google dia manome service email (mitovy amin'ny gmail fa manaraka ny domaine ilainao, ny google no miantoka ny fiarovana amin'ny spam sns) ho an'ny sekoly izay mangataka aminy. Ary maro ny sekoly no efa mampiasa azy.
http://www.google.com/enterprise/apps/education/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.204