You are here: home > Forum

Ny Ortie kay fihinana

Lohahevitra : Sakafo
Fitohizan'ny hafatra : Salama daholo, Aiza kay no mety ahitana Orties fa ...
Valiny : 0
Pejy:  < 1 2
lalaina28 - 20/01/2020 12:48
Salama daholo,
Aiza kay no mety ahitana Orties fa tena hilaina maika.
Misaotra mialoha
Valio | Miverina eny ambony
lalaina28 - 20/01/2020 12:51

hery
Tsy aritro dia tantaraiko eto fa ortie ny laokanay androany. Aty ambanivohitra aty no misy azy io. Be dia be mantsy atsy ambony anaty ala atsy, tena misavovona mihitsy, dia naka ry zareo tato an-trano. Tandremana tsara fa raha vao mikasika amin'ny hoditra izy dia mampangidihidy be mihitsy...
Fa nony nokarakaraina, nampiarahina tamin'ny henakisoa fa na amin'ny hen'omby matavitavy koa aza angamba mety, dia tena lafatra. Mitovitovy tsiro amin'ny ravim-boatavo ilay izy amin'ilay volovolony.
http://forum.serasera.org/media/images/m/1b74a0891a7fa450785bb53128298f1c.jpg
Dia nojereko tamin'ny internet ihany aloha sao dia hoe hisy olana... kay tena fihinana tsara sy be protéine ilay izy.
Sady matsiro izany no mety ho an'ny fahasalamana fa andramo



Salama o, aiza kay no mety ahitana Orties azafady
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  < 1 2