Mitantara ny fiainany io Andry Prince de Satan...

61. bichette ( 02/05/2013 15:36)
"on verra" hoy ny vazaha ! mivoaka eny foana ny tena marina, ka aleo ny fotoana no hamoaka azy, raha tena marina io resaka io na tsia.
62. ranovelona ( 02/05/2013 17:39)
Salama,
misy lalana mikasika ny fibaboana ny tsy nety natao manoloana ny fanjakana manam-pahefana. voasazy foana ilay olona mibaboka fa mahazo fanenana sazy fotsiny izy. ohatra hoe raha tokony higadra folo taona dia atao valo taona. fa ny ratsy natao na notorian'ny olona na nibaboka tena dia voasazy avokoa.
momba ilay tamin'ny 2009 indray dia sakoroka ireny ka tsy voaaro ilay mpandroba na dia maty teo amperinasa fandrobana aza. mampalahelo ny toe-javatra toy ireny saingy atao ahoana fa mitady fiovana ny vahoaka ka dia efa niova tokoa isika izao. saingy vendrana ny ankamaroantsika ka fiovana amin'ny ratsiratsy indray no ilainy fa tsy mihatsaratsara toy ny hoe 500ar ny kilaon'ny vary ary 2500ar ny menaka anendasana foza.
63. Tujum ( 28/06/2013 19:34)

sitlo:

Vao maika izany manaporofo fa fampiesonana no betsaka.
64. Miharena ( 28/06/2013 20:49)
Nahazo sazy 3 volana antranomaizina ny namana Andry. Fa ny fanontaniana dia hoe raha lasa tany izy ve dia tsy hanan-kery foana izay nambarany?

Ho hitan'ny tantara eo hany ny tohiny rehefa mivoaka izy.

65. ranovelona ( 29/06/2013 16:36)
Fanalana baraka olona no nampigadra azy fa kosa ny famonoana olona, ny fihinanana zanak'olona sy ireo rehetra vitany hafa araka ny filazany dia zavatra hafa saingy ny mahagaga dia tsy misy mitory . sa mampiesona fotsiny ilay zalahy io?
66. Miharena ( 30/06/2013 02:13)
Sarotra ny miteny hoe mampiesona izy fa ny fantatra dia mitantara zavamiafina amin'ny olon-tsotra fotsiny izy.
Ka ireo resaka hoe famonoana olona ireo ohatra dia tsy hitan'ny fanaporofoana araka ny fanaovana azy eo anivon'ny mpitandro filaminana sy ny fitsaràna.

Ankoatr'izay dia hita hoe Dama ihany no nitory satria nahita ny fiantraikan'ny zavatra naely teo amin'ny fiainan'ny tarika fa ny resaka hafa rehetra indray moa dia iaraha-mahita eo ihany satria ny fipetraky ny olona toa an-dry Andry itony dia zavatra hafa mihitsy no iainany fa tsy mitovy amin'ny olon-tsotra.

Ho hita eo ihany ny fizotran'ny tantara fa io izao i Mailhol nilaza fa tsy hisy fifidianana izany eto talohan'ny nilatsahan'ireo kandidà ireo dia io tanteraka io ny filazany. Ka io resaka fiainana ara-panahy fa tsy ara-nofo ary hita taratra sy vakiana fotsiny hoy ny fitenin'ny zatovo azy ny zava-drehetra.
67. ranovelona ( 30/06/2013 03:32)
marina izany fa hafa mihitsy ny filaza ny zavatra iainana ara-panahy. Jereo amin'ireo apostoly nahita fahitana fahiny, tsy ampy voambolana ka nanao sariteny an'ohatra/ raha avion de chasse mandefa missile no nasehon'ny fahitana azy dia valala mivoaka afo eo amin'ny vavany no filazany azy... toy izany koa le zalahy io izay nilaza fa nivadika bibilava, izay no nahatsapany azy fa ny olona tety ivelany nahita azy olona ihany ...
Momba ny pasitera Mailhol dia aleo tsy mitsara na be resaka fa samia velon'aina mahita ny taantara dia samy mahalala na marina na diso ny faminaniany. Hatreto aloha dia tanteraka avokoa.
mirary soa anareo rehetra
68. mekana ( 15/07/2013 11:44)
Ity azafady, fa tsy nipotra kay le video









69. ranovelona ( 15/07/2013 12:22)
salama,
raha te handefa vidéo ianao dia ilay adiresy URL fotsiny alefa dia azon'ny rehetra jerena.
mirary soa ho antsika rehetra
ranovelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7916