lohataona famafazana

1. jantina ( 03/10/2012 10:18)
Efa t@ volana agostra sy septambra ny fandrantsanana ny hazo fihinam-boa sy ny voninkazo toy ny raozy ary ny famafazana ny voan'anana sy voam-boninkazo maniry @ fahavaratra any @ emisphère sud toa an'i M/kara fa mbola tsy tara akory na oktobra aza no manatsara ny zaridaina toy ny fikarakarana ny bozaka ho tsara endrika sy maitso tsara azo hipetrapetrahana rehefa tsara iny ny andro ka mbola tsy midona ny orana. Toa hahafinaritra ery ny fiaraha- misakafo eo an-tokontany hodidinin' ny voninkazo sady @ zay tsy voatery handeha lavitra hitsangatsangana ny faran'ny herin'andro. Ndeha ary hanao zaridaina daholo e!
Raha tsy misy tokontany ny trano dia azo asiana voninkazo koa eny andavarangana na eny ambaravarankely e fa tandremana fotsiny ny vazy e, atao tsara toerana na tsara fatotra mba tsy hianjera @ mpandalo indray sanatria!
Azo ambolena anaty tavim- boninkazo kely eny an-davarangana ny hanitra isan- karazany toy ny persil, kotomila (coriandre), thym, celeri sns, rehefa avy nividy azy ireny teny an-tsena ianao dia aza ariana ny vodiny miaraka @ tsiry keliny iny fa amboleo!
Asa koa raha fantatrao raha hamafy voana kotomila ianao fa mila alona rano kely in-dray alina aloha izy vao hafafy noho ny voany mafy ( ohatra ny coco kely iny)
Mazotoa daholo mikolokolo ny zaridaina!
novalian'i jantina ny 09/10/2012 14:06
2. jantina ( 04/10/2012 17:36)
3. methode ( 05/10/2012 12:00)
Misaotra amin'le torohevitra! FA inona le otran'ny sakay io?
4. jantina ( 09/10/2012 14:06)
tsisy fisaorana! sakay mihintsy io ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.21